Nandray ireo mpitsabo sy ny fianakavian'ny iray tamin'ireo niharam-boina tamin'ny tranga niseho teny Ambohimalaza, ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, rehefa nahare fa nihombo ny aretina taorian'ny fanombanana sy ny fitsirihana.
Nalefa vonjimaika any amin'ny nosy rahavavy ao Maorisy ny marary, hanohizana ny fitsaboana azy, ary noraisin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara an-tanana iray manontolo ny saran'ny fitsaboana.
Isaorana manokana ny eo anivon'ny IMM, izay manara-maso akaiky ny fitsaboana ireo tanora.
