REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA
  25 Oktobra 2025 - Lapam-panjakana Iavoloha

Fihaonana tamin'ny Delegasionin'ny SADC

Nandritra ny iraka ara-teknika nataon’ny SADC, izay fanadihadiana ny zava-misy eto Madagasikara, dia nihaona tamin’ny mpisehatra nasionaly maro ny delegasiona SADC, isan’izany :

• Ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ;
• Ireo Filohan’ny Repoblika teo aloha ;
• Ny Filohan’ny Antenimierampirenena ;
• Ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ;
• Ireo Masoivohon’ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC ;
• Ireo Masoivoho monina sy mipetraka eto Madagasikara ;
• Ireo tompon’andraikitra amin’ny fiarovana sy filaminana ;
• Ireo Firaisamonim-pirenena ;
• Ny Gen Z.

Nankasitrahan’ny delegasiona manokana ny fandraisana sy ny fiaraha-miasa avy amin’ny manampahefana eto an-toerana, izay nanome fahafahana malalaka azy ireo tamin’ny iraka notanterahiny.

Ny fanomanana ny tatitra halefa amin’ny Filohan’ny Troïka ao amin’ny SADC no dingana manaraka. Izany tatitra izany dia hahitana ireo soso-kevitra avy amin’ny delegasionina nandritry ny iraka sy ny fanomezan-toky avy amin’ny SADC mahakasika ny fanohanana an’i Madagasikara amin’ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny fahamendrehana eto amin’ny firenena.

Namafisin’ny Fiadidina ny Repoblika ny maha laharam-pahamehana ny fanombohana ireo tetikasa izay takian’ny vahoaka Malagasy mba hahafahana manangana ho avy mamiratra ho an’i Madagasikara, mitandro ny rariny ary mitondra any amin’ny fandrosoana maharitra.

Miantso ny SADC mba hanolo-tanana sy hanohana an’i Madagasikara mba ho tombontsoan’ny vahoaka hatrany.

  24 Oktobra 2025 - Sekoly ambony polyteknika Vontovorona sy Oniversiten'Ankatso

Fijerena ifotony ny olan'ny mpianatra

Nijery ifotony ny olan'ny mpianatra teny amin'ny Sekoly ambony polyteknika Vontovorona sy ny Oniversiten'Ankatso ny Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry, mpiara-mitantana amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, androany faha-24 Oktobra 2025.

Dingana voalohany izany amin'ny fandraisana an-tanana ny zo fototra amin'ny fahazoana jiro sy rano izay notakian'ireo mpianatra.

Ho an'ny eny amin'ny Sekoly ambony polyteknika Vontovorona manokana dia efa nanomboka androany ny fandavahana. Mpandraharaha iray nivoaka avy amin'io toeram-pampianarana io no misahana izany. Afaka iray volana dia hisitraka rano avokoa ireo mpianatra rehetra eny an-toerana.

Ny momba ny Oniversite Ankatso sy ireo Oniversite hafa manerana ny nosy kosa dia anatin'ny dinika sy ny famolavolana vahaolana maharitra ny tompon'andraikitra.

Ny rehetra no miaraka mitondra ny fanavaozana sy ny fampandrosoana, ka nanamafy ny Kolonely RAMPANARIVO Solofoniaina Thierry amin'ny maha-zava-dehibe ny fifanampiana eo amin'ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka.

Afaka samy mandray ny andraikiny, mitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany ny tsirairay, ary ho an'ireo mpianatra dia azo atomboka amin'ny fanajana ny fananana iombonana sy ny fotodrafitr'asa efa mipetraka izany.

  24 Oktobra 2025 - Lapam-panjakana Iavoloha

Fandraisana voalohany ireo Vondrona diplomatika

Noraisin’i kolonely Michaël RANDRIANIRINA, Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, androany teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny solontenan’ ireo Masoivoho vahiny mipetraka sy monina eto Madagasikara.

Ity fihaonana ity, izay niompana tamin’ny fifampiresahana, ny fametrahana ny fangaraharana ary ny fiaraha-miasa, dia nahafahan’ny Filohan’ny Fanavaozana nizara ny hafatra fototra sy ny laharam-pahamehana amin’ny Fanavaozana, izay narafitra manodidina ny andry enina :

• Ny fisitrahan’ny rehetra angovo, indrindra ny angovo azo havaozina ;
• Ny fahazoana rano fisotro madio sy fidiovana ;
• Ny fitsaboana manaraka fenitra ho an'ny rehetra ;
• Ny fanabeazana sitrahan'ny rehetra sy ara-drariny ;
• Ny famoronana asa ho an’ny tanora ;
• Ny fanavaozana ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka.

Nohamafisin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny hetahetan’ny vahoaka hametrahana ny Fanjakana tan-dalàna, ny rariny ara-tsosialy, ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampandrosoana maharitra ary ny fametrahana ny vahoaka ho ivon’ny hetsika rehetra.


  22 Oktobra 2025 - Lapam-panjakana Iavoloha

Fihaonana tamin'ny Delegasionin'ny SADC

Noraisin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, androany teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ireo delegasionin’ny SADC izay tarihan-dRamatoa Mary Dominica KACHALE, Sekretera voalohany misahana ny lafiny lalàna sady Minisitry ny Raharaham-bahiny ao amin’ny Repoblikan’i Malawi.

Ity iraka ara-teknika fanamarinana ny zava-misy eto Madagasikara ity, dia vokatry ny fanapahan-kevitry ny Fihaonana tampony tsy ara-potoanan'ny Troïka, ao amin'ny vondron' ny SADC, ny 16 oktobra 2025, ary tanterahina eto Madagasikara ny 19 hatramin’ny 27 oktobra 2025.

Ahitana delegasionina avy amin’ny firenena : Malawi, Eswatini ary Tanzania, izany iraka izany, ary tohanan’ny Sekretariam-panjakanan’ny SADC izay misahana ny raharaha ara-politika sy ara-piarovana.

Mandritra ny fitsidihana, dia hihaona amin’ireo antoko isan-tsokajiny eto an-toerana ny delegasiona, anisan’izany ny andrim-panjakana, ny Tafika, ny antoko politika, ny fivondronan'ny fiarahamonim-pirenena, ny solontenan'ny tanora (Gen Z), ary koa ny vondrona diplomatika sy iraisam-pirenena miasa eto Madagasikara.

Ny vokatra sy fehin-kevitra amin’ity iraka ity dia hatolotra amin’ny Fihaonambe manaraka eo anivon’ny SADC.

  20 Oktobra 2025 - Lapam-panjakana Iavoloha

Fanendrena an'Andriamatoa Herintsalama RAJAONARIVELO ho Praiministra lehiben'ny Governemanta

Ao anatin'ny fanorenana an'i Madagasikara, araka ny voalazan'ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia noraisin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny didim-panjakana laharana faha 2025-1101 tamin'ny 20 Oktobra 2025 manendry an'Andriamatoa Herintsalama RAJAONARIVELO, ho Praiministra lehiben'ny Governemanta araka ny tolo-kevitr'ireo solombavambahoakan'i Madagasikara.

Maro ny antony nisafidianana azy hoy ny Filoham-panjakana. Ankoatran'ny fahaizany dia olona manana traikefa sy fahalalana lalina amin’ny sehatra ara-toekarena, ara-barotra ary amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny Praiministra vaovao.

  18 Oktobra 2025 - Ambohimanambola

Fidinana ifotony teny amin'ny Toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola

Teny amin'ny Toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola androany 18 oktobra no nanatanterahin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny fidinana ifotony voalohany.

Tao anatin'izany no nijerena akaiky, niaraka tamin'ireo solontenan'ny tanora, ny olana fototra mahakasika ny famokarana herinaratra.

Betsaka ny olana hita nandritry ny fitsidihana, misy ireo afaka vahana ao anatin'ny fohy ezaka, ao ihany koa ireo mila fotoana, fa ho ezahina jerena ny ahafahana mamaha izany, hoy ny filoham-panjakana Kolonely Michaël RANDRIANIRINA.