
Fanendrena an'Andriamatoa Herintsalama RAJAONARIVELO ho Praiministra lehiben'ny Governemanta
Ao anatin'ny fanorenana an'i Madagasikara, araka ny voalazan'ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara,
dia noraisin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny didim-panjakana
laharana faha 2025-1101 tamin'ny 20 Oktobra 2025 manendry an'Andriamatoa Herintsalama RAJAONARIVELO,
ho Praiministra lehiben'ny Governemanta araka ny tolo-kevitr'ireo solombavambahoakan'i Madagasikara.
Maro ny antony nisafidianana azy hoy ny Filoham-panjakana. Ankoatran'ny fahaizany dia olona manana traikefa sy fahalalana lalina
amin’ny sehatra ara-toekarena, ara-barotra ary amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny Praiministra vaovao.
