REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA
  22 Oktobra 2025 - Lapam-panjakana Iavoloha

Fihaonana tamin'ny Delegasionin'ny SADC

Noraisin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, androany teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ireo delegasionin’ny SADC izay tarihan-dRamatoa Mary Dominica KACHALE, Sekretera voalohany misahana ny lafiny lalàna sady Minisitry ny Raharaham-bahiny ao amin’ny Repoblikan’i Malawi.

Ity iraka ara-teknika fanamarinana ny zava-misy eto Madagasikara ity, dia vokatry ny fanapahan-kevitry ny Fihaonana tampony tsy ara-potoanan'ny Troïka, ao amin'ny vondron' ny SADC, ny 16 oktobra 2025, ary tanterahina eto Madagasikara ny 19 hatramin’ny 27 oktobra 2025.

Ahitana delegasionina avy amin’ny firenena : Malawi, Eswatini ary Tanzania, izany iraka izany, ary tohanan’ny Sekretariam-panjakanan’ny SADC izay misahana ny raharaha ara-politika sy ara-piarovana.

Mandritra ny fitsidihana, dia hihaona amin’ireo antoko isan-tsokajiny eto an-toerana ny delegasiona, anisan’izany ny andrim-panjakana, ny Tafika, ny antoko politika, ny fivondronan'ny fiarahamonim-pirenena, ny solontenan'ny tanora (Gen Z), ary koa ny vondrona diplomatika sy iraisam-pirenena miasa eto Madagasikara.

Ny vokatra sy fehin-kevitra amin’ity iraka ity dia hatolotra amin’ny Fihaonambe manaraka eo anivon’ny SADC.

  20 Oktobra 2025 - Lapam-panjakana Iavoloha

Fanendrena an'Andriamatoa Herintsalama RAJAONARIVELO ho Praiministra lehiben'ny Governemanta

Ao anatin'ny fanorenana an'i Madagasikara, araka ny voalazan'ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara, dia noraisin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny didim-panjakana laharana faha 2025-1101 tamin'ny 20 Oktobra 2025 manendry an'Andriamatoa Herintsalama RAJAONARIVELO, ho Praiministra lehiben'ny Governemanta araka ny tolo-kevitr'ireo solombavambahoakan'i Madagasikara.

Maro ny antony nisafidianana azy hoy ny Filoham-panjakana. Ankoatran'ny fahaizany dia olona manana traikefa sy fahalalana lalina amin’ny sehatra ara-toekarena, ara-barotra ary amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny Praiministra vaovao.

  18 Oktobra 2025 - Ambohimanambola

Fidinana ifotony teny amin'ny Toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola

Teny amin'ny Toby famokarana herinaratra teny Ambohimanambola androany 18 oktobra no nanatanterahin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ny fidinana ifotony voalohany.

Tao anatin'izany no nijerena akaiky, niaraka tamin'ireo solontenan'ny tanora, ny olana fototra mahakasika ny famokarana herinaratra.

Betsaka ny olana hita nandritry ny fitsidihana, misy ireo afaka vahana ao anatin'ny fohy ezaka, ao ihany koa ireo mila fotoana, fa ho ezahina jerena ny ahafahana mamaha izany, hoy ny filoham-panjakana Kolonely Michaël RANDRIANIRINA.