TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE »
NY 12 AOGOSITRA 2020

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY
FAHA 12 AOGOSITRA 2020 NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY
NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    Fitantanan-draharaham-panjakana

    Nomena fanalefahan-ketra manokana ny fanafarana sy fampidirana entana hoenti-miady amin’ny covid-19 mikasika ireo entana tonga avy any ivelany toy ny « concentrateurs d’oxygène », fitaovana fitsaboana ara-pahasalamana ary ireo fitaovam-piarovana isan-karazany.

    Taona hiatrehana ny fanarenana ara-toe-karena sy fanatrarana ny tanjona hampandrosoana ny firenena ny taona 2021 araka ny drafitra hitondrana sy handrafetana ny volavolan-tetibola 2021 :

    Nampahafantarin’ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola androany nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, ny drafitra hoenti-mametraka ny volavolan- tetibola taona 2021, izay natao indrindra hanarenana ny vokatry ny covid-19 ka heverina fa ny fitombon’ny harinkarena faobe dia hahatratra hatramin’ny 4,1% miainga avy amin’ny fampiasam-bola ankapobeny izay heverina ho 22,6%. Mba hahatongavana amin’izany dia ilaina ny fanohizana ireo tetikasa rehetra efa natomboka ny taona 2020 izay mifototra indrindra amin’ny fanapariahana manerana ny Nosy ireo tetikasa fanorenana fotodrafitrasa isan-karazany izay mitondra amin’ny famoronana asa sy ny fampandrosoana mirindra isam-paritra araka ireo paikady efa napetraka rehetra ary natomboka tamin’ity taona ity. Heverina moa fa ny tahatombon’ny harinkarena faobe dia eo amin’ny 0,8% amin’ity taona 2020 ity satria nihena hatramin’ny 439,8 milliards ariary ny vola niditra amin’ny alalan’ny hetra satria tsy nisy afa-tsy 8,9% monja ny tahambon’ny fampidiran-ketra ny taona 2020 ary 6,3% ny « déficit budgétaire », saingy heverina kosa fa hitombo izany ny taona 2021. Ny sehatry ny fihariana eo amin’ny fambolena, fiompiana, jono, famokarana zaitra, asa fanorenana, trano fandraisam- bahiny, fitaterana ary indostria mpitrandraka no hitarika amin’izany fanarenana ara-toe-karena izany, nefa koa miankina betsaka amin’ny fivoaran’ny valan’aretina ny ahatanterahan’izany.

     

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA

    Araka ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny asa, ny fampanan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy sy ny Minisitry ny toe-karena sy Fitantanam-bola :

    Nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mametraka sy mandrindra ny fomba hoentina mitsinjo ireo mpiasa eo amin’ny sehatra tsy miankina voafaritra ao anatin’ireo sehatr’asa izay tena niharan’ny fiantraikan’ny Covid-19 toy ny mpampianatra tsy miankina, mpiasa eo amin’ny fizahantany, ny orinasa afakaba, ny fitaterana sy ny hafa izay misoratra ara-dalàna eny anivon’ny CNAPS ary koa orinasa efa nijoro 1 taona farafahakeliny ka nandoa ny latsakemboka sosialy teny anivon’ny CNAPS. Fampindramam-bola no atao fa tsy fanomezana ary eny anivon’ny banky izay miara-miasa amin’ny CNAPS no hanaovana izany ka ireo mpampiasa no hanao ny fangatahana araka izay fifanarahana ataony amin’ny mpiasa ao aminy.

    Ny volana Janoary 2021 kosa vao hisy ny famerenam-bola izay tsy tokony hihoatra ny 10% isam-bolana ary eo amin’ny 200.000 ariary ka hatramin’ny 500.000 ariary ny fampindramam-bola azo atao izay amin’ny sandany O%. Ny banky no miandraikitra manontolo ny fandefasana ny vola sy ny fitakiana ny famerenam-bola any amin’ireo orinasa, fa ny CNAPS kosa no hampita ireo fangatahana fampisamboram-bola avy amin’ny orinasa sy mpampiasa araka izay voarainy aorian’ny fitsirihana ataony, mialoha ny fandefasana izany makany amin’ireo banky.

  • III – FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam- panjakana ambony ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    • Atoa RAZAFINDRALAMBO Rojo Harimanana dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’ Arivonimamo.
    • Atoa RANDRIANTSOA Félicien, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Vangaindrano.
    • Ramatoa RAZAFITSIMIHANTA Dorcile, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’Ampanihy-Ouest.
    • Atoa IBRAMIDJEE Bruno, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Manja.
    • Atoa NAINA Xavier, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Beloha.
    • Atoa RAKOTOVAO Andriamihaja Henri Robert Nantenaina, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’Iakora.
    • Atoa RASOLOFO Louis Stella, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Mampikony.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena :

    • Atoa ROMAIN Raharo Madeleine Ursula, dia voatendry ho Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Fialamboly (DPL).
  • IV – FANAFOANANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    Nofoanana ny didim-panjakana manendry ny lehiben’ny Distrikan’Ikalamavony.

Natao androany faha 12 Aogositra 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika