TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO NY ASABOTSY 25 JOLAY 2020

I- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA:

MITOHY MANDRITRA NY 15 ANDRO NY FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA :

 Taorian’ny fakan-kevitra nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta araka ny fahefana nomen’ny Filoham-pirenena azy, tamin’ireo Filohana Andrimpanjakana 3 eto amin’ny firenena : ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimierandoholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana, dia nandray izao didim-panjakana manaraka izao :

Mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « FAHAMEHANA ARAPAHASALAMANA » (état d’urgence sanitaire) manomboka androany 25 Jolay 2020 ary mihatra avy hatrany. 

Toy izao ny didim-panjakana laharana faha 2020-818 tamin’ny 25 Jolay 2020 noraisina:

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

*********

DIDIM-PANJAKANA LAHARANA faha-2020-818 tamin’ny 25 Jolay 2020
MANAMBARA AMPAHIBEMASO NY FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA MANERANA NY TANIN’NY REPOBLIKA
NY FILOHAM-PIRENENA,

Araka ny lalàm-panorenana, ao amin’ny andininy faha 61;

Araka ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mahakasika ny Vanim-potoana manokana 

Araky ny lalàna laharana faha 2011-002 tamin’ny 15 jolay 2011 mikasika ny fifehezana ny fahasalamam-bahoaka ; 

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2019-1407 tamin’ny 19 jolay 2019 manendry ny Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta;

Araka ny didim-panjakana laharana faha-2020-070 tamin’ny 29 janoary 2020 nanendry ny mpikambana ao amin’ny governemanta; 

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020 milaza ny manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika. 

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020 – 370 tamin’ny 04 Aprily 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika. 

Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-420 tamin’ny 17 Aprily 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika. 

Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-457 tamin’ny 02 May 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika. 

Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-483 tamin’ny 16 May 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika. 

Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-592 tamin’ny 30 May 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika.

Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-610 tamin’ny 13 Jona 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika

Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-687 tamin’ny 27 Jona 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika

Araka ny didim-panjakana laharana faha faha 2020-748 tamin’ny 11 Jolay 2020 milaza sy manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika, 

Nandritra ny filankevitry ny minisitra taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimieran-doholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ; 

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA MANARAKA IZAO :

ANDININY VOALOHANY.- mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, nohon’ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dalànan’ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020 sy laharana faha 2020-370 tamin’ny 04 Aprily 2020 sy ny laharana faha 2020- 420 tamin’ny 17 Aprily 2020, ny laharana faha 2020-457 tamin’ny 02 May 2020, ny laharana faha 2020-483 tamin’ny 16 Mey 2020, ny laharana faha 2020-592 tamin’ny 30 Mey 2020, ny laharana faha 2020-610 tamin’ny 13 Jona 2020, ny laharana faha 2020-687 tamin’ny 27 Jona 2020, ary ny laharana faha 2020-748 tamin’ny 11 Jolay 2020 voalaza etsy ambony. 

ANDININY FAHAROA.- Ity didim-panjakana ity dia mitarika ny fampiharana ireo fepetra rehetra voafaritry ny fehezandàlana mahakasika ny Vanim-potoana Manokana (situation d’exception) mametra ny atao hoe Fahamehana. 

ANDININY FAHATELO.- Ho fampiharana ny andininy faha 18 ao amin’ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mikasika ny Vanim-potoana manokana, izay mamaritra ny fahefan’ny Filoham-pirenena amin’ny fampiharana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara, ny fanarahamaso ny famatsiana rehetra ary ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana dia natolotra ny Praiminisitra ny fanatanterahana izany. 

ANDININY FAHA - EFATRA.- Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola, ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjarampahefana, ny Minisitry ny Fahasalamambahoaka, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny Paositra ny fifandraisan-davitra sy fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Seketeram-panjakana misahana ny Zandarimaria eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena no miantoka ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao. 

ANDININY FAHA-DIMY.- Noho ny hamehana ary ho fampiharana ny voalazan'ny andininy faha-6 ao anatin'ny didy hitsivolana laharana faha-62-041 tamin'ny 19 septambra 1962 momba ny fepetra ankapoben'ny lalàna anatiny sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fifandraisana manokan'ny samy olona, ity didim-panjakana ity dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao havoaka amin'ny onjampeo sy/na ny fahitalavitra, ary izany dia tsy miankina amin'ny famoahana azy amin'ny gazetim-panjakan'ny Repoblika. 

Antananarivo faha- 25 Jolay 2020
Ny Filoham-pirenena
Andry RAJOELINA
Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta
NTSAY Christian

Natao androany faha 25 Jolay 2020
Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika