FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO NY ASABOTSY 13 JONA 2020

I- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA:

A- NATAO LAHARAM-PAHAMEHANA NY FITSINJOVANA NY SOSIALIM-BAHOAKA SY NY FANARENANA ARA-TOE-KARENA AO ANATY VOLAVOLAN-DALANA MIFEHY NY TETI-BOLA 2020 ASIAM-PANITSIANA

Nofaranana androany ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2020, rehefa nodinihana nandritra ny 10 andro ka namerana sy  namehezana  ny  politikam-pampiasam-bolam-panjakana  mba  hifandraika  sy  hifanaraka amin’ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Voafaritra ao anatin’ity volavolan- dalàna mifehy ny teti-bola 2020 nasiam-panintsiana ity fa ny tahan’ny fitombon’ny harin-karena dia 0,8% izany hoe nihena 4,7% raha mihoatra amin’ny vina tany amin’ny voalohan’ny taona. Maro ireo fepetra noraisina tao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana izay nanova ny andininy sy ny vina tao anatin’ny teti-bola 2020 ary teo ihany koa ny fitotongan’ny taha tombon’ny hetra miditra hatramin’ny 26%.

Nahatratra  2757  miliara  ariary  na  53,24% ny  hetra  niditra nandritra  ny  enim-bolana voalohany,  izany  hoe  nihena 1272,60  miliara  ariary  raha  mihoatra  amin’ny  vina  tany  am- piandohana. Ary 2421,6 miliara ariary ny hetra nampidirin’ny ladoany izay nihena 585,6 miliara raha mihoatra amin’ny vina napetraka. Maro koa anefa ireo fepetra nifehezana ny fitotonganan’ny harin-karena  tamin’ny  alalan’ny  fitsinjovana  ireo  mpandraharaha  ara-toe-karena  tamin’ny fanemorana ny fandoavan-ketra, fametrahana ny tahan’ny findramam-bola ambany ary koa ny fitazonana ny vola vahiny hisy foana teo anivon’ny tsena iarahan’ny banky amin’ny vola vahiny ary eo indrindra koa ny nampiakaran’ny Banky Foibe ny tahan’ny vola miasa eo amin’ny tsena anatiny hatramin’ny 22,9% raha 18% no voafaritra tany aloha.

Natao laharam-pahamehana ny fijerena ny lafiny ara-tsosialy sy ny fandriam-pahalemana ary ny fametrahana ireo fotodrafitrasa manerana ny faritra rehetra, mba hampiodinana indray ny toe-karem-pirenena ka ny faritra rehetra no hiara-hiainga amin’ny asa fanarenana ara-toe-karena.

B- MITOHY MANDRITRA NY 15 ANDRO NY FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA :

Taorian’ny  fakan-kevitra  nataon’ny  Praiminisitra  lehiben’ny  Governemanta  araka  ny fahefana nomen’ny Filoham-pirenena azy, tamin’ireo Filohana Andrim-panjakana 3 eto amin’ny firenena : ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Filohan’ny Antenimieran-doholona ary ny Filohan’ny  Fitsarana  avo  momba  ny lalàm panorenana, dia  nandray  izao didim-panjakana manaraka izao :

Mipetraka  eto  amin’ny  tanin’ny  Repoblikan’i  Madagasikara  ny  « FAHAMEHANA ARA- PAHASALAMANA» (état d’urgence sanitaire) manomboka androany 13 Jona 2020 ary mihatra avy hatrany.

Toy izao ny didim-panjakana laharana faha 2020-610 tamin’ny 13 Jona 2020 noraisina:

FIADIDIANA    NY    REPOBLIKA

DIDIM-PANJAKANA    LAHARANA    faha-2020-610 tamin’ny    13    Jona 2020

MANAMBARA    AMPAHIBEMASO    NY    FAHAMEHANA    ARA-PAHASALAMANA    MANERANA    NY    TANIN’NY    REPOBLIKA   

NY    FILOHAM- PIRENENA,

Araka    ny    lalàm-panorenana,    ao    amin’ny    andininy    faha    61;

Araka    ny    lalàna    faha 91-011    tamin’ny    18    jolay    1991    mahakasika    ny    Vanim-potoana    manokana

Araky     ny     lalàna     laharana     faha  2011-002     tamin’ny     15     jolay  2011     mikasika     ny     fifehezana     ny    fahasalamam-bahoaka ;

Araka     ny     didim-panjakana     laharana     faha     2019-1407     tamin’ny  19     jolay  2019     manendry    ny    Praiminisitra,    lehiben’ny    Goverenemanta;

Araka     ny    didim-panjakana    laharana    faha-2020-070    tamin’ny  29     janoary 2020    nanendry    ny    mpiakambana    ao    amin’ny    governemanta;   

Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    2020-359    tamin’ny    21    martsa    2020    milaza    ny        manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.

Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    2020    – 370    tamin’ny    04    Aprily    2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.

Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-420    tamin’ny    17    Aprily    2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.

Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-457    tamin’ny    02    May    2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.

Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-483    tamin’ny    16    May    2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.

Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-592    tamin’ny    30    May    2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    Repoblika

Nandritra     ny     Filankevitry     ny     Minisitra     taorian’ny     fakan-kevitra     natao     tamin’ny     Filohan’ny    Antenimieram-pirenena,    ny    Filohan’ny    Antenimieran-doholona    ary    ny    Filohan’ny    Fitsarana    avo    momba    ny    lalàm-panorenana;

DIA    MAMOAKA    IZAO    DIDIM-PANJAKANA    MANARAKA    IZAO :

ANDININY    VOALOHANY.- mitohy    mandritra    ny    15    andro    eto    amin’ny    tanin’ny    Repoblikan’i    Madagasikara,     manomboka     amin’ny     fotoana     hivoahan’ity     didim-panjakana     ity     ny    « Fahamehana     ara-pahasalamana » noho     ny     antony     ara-pahasalamana,     nohon’ny     fisian’ny    toe-javatra     goavana     mampisahotaka     ny     fiainam-bahoaka,     mba     hampizotra     ara-dalàna     ny    asan’ireo    fahefam-panjakana    araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    2020-359    tamin’ny    21    martsa    2020 sy    laharana    faha2020-370    tamin’ny    04    Aprily    2020 sy    ny    laharana    faha    2020- 420    tamin’ny    17    Aprily    2020, ny    laharana    faha    2020-457    tamin’ny    02    May    2020, ny    laharana    faha    -483    tamin’ny    16    May    2020 aryny    laharana    faha-592    tamin’ny    30    May    2020 voalaza    etsy    ambony.

ANDININY     FAHAROA.- Ity     didim-panjakana     ity     dia     mitarika ny     fampiharana     ireo     fepetra    rehetra     voafaritry     ny     fehezan-dalàna     mahakasika     ny     Vanim-potoana     Manokana     (situation    d’exception) mametra    ny    atao    hoe    Fahamehana.

ANDININY    FAHATELO.- Ho    fampiharana    ny    andininy    faha 18    ao    amin’ny    làlana    faha 91-011    tamin’ny 18    jolay 1991    mikasika    ny    Vanim-potoana    manokana,    izay    mamaritra    ny    fahefan’ny    Filoham-pirenena     amin’ny     fampiharana     ny     fanaraha-maso ny     fivezivezen’ny     olona     sy     ny    fiara,     ny     fanaraha-maso ny    famatsiana    rehetra     ary    ny     fanaraha-maso ny     fitaovam-piadiana    dia natolotra    ny    Praiminisitra    ny    fanatanterahana    izany.   

ANDININY    FAHA - EFATRA.- Ny    Minisitry    ny    fiarovam-pirenena,    ny    Minisitry    ny    Fitsarana,    ny    Minisitry    ny    toe-karena    sy    ny    fitantanam-bola,    ny    Minisitry    ny    ati-tany    sy    ny    fitsinjaram- pahefana,     ny     Minisitry     ny     Fahasalamam-bahoaka,     ny     Minisitry     ny     Filaminam-bahoaka,     ny    Minisitry     ny     Paositra     ny     fampiroboroboana     ny     haitao     ara-kajy     mirindra,     ny     Minisitry     ny    Serasera    sy    ny    Kolontsaina,    ny    Seketeram-panjakana    misahana    ny    Zandarimaria    eo    ambany    fiahian’ny     ministeran’ny     fiarovam-pirenena     no     miantoka     ny     fanatanterahana     izao     didim- panjakana    izao.   

ANDININY     FAHA-DIMY.- Noho     ny     hamehana     ary     ho     fampiharana     ny     voalazan'ny     andininy    faha-6     ao anatin'ny     didy     hitsivolana laharana     faha-62-041     tamin'ny     19     septambra     1962    momba     ny     fepetra     ankapoben'ny     lalàna     anatiny     sy     ny     lalàna     iraisam-pirenena     mifehy     ny    fifandraisana     manokan'ny     samy     olona,     ity     didim-panjakana    ity    dia    manan-kery     avy     hatrany    raha     vantany     vao     havoaka     amin'ny     onjampeo     sy/na     ny     fahitalavitra,     ary     izany     dia     tsy    miankina    amin'ny    famoahana    azy    amin'ny    gazetim-panjakan'ny    Repoblika.

Antananarivo    faha- 13    Jona 2020
Ny    Filoham-pirenena
Andry    RAJOELINA
Ny    Praiminisitra    lehiben’ny    Governemanta
NTSAY    Christian

Natao androany faha 13 Jona 2020
Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika