FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO NY ASABOTSY 30 MAY 2020

I- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA:


Taorian’ny fakan_kevitra nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta araka ny fahefana nomen’ny Filoham-pirenena azy, tamin’ireo Filohana Andrimpanjakana 3 eto amin’ny firenena : ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimieran- doholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana, dia nandray izao didim-panjakana manaraka izao :
Mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « FAHAMEHANA ARA- PAHASALAMANA» (état d’urgence sanitaire) manomboka androany 30 May 2020 ary mihatra avy hatrany.
Toy izao ny didim-panjakana laharana faha 2020-592 tamin’ny 30 May 2020 noraisina:

IADIDIANA    NY    REPOBLIKA
*********
DIDIM-PANJAKANA    LAHARANA    faha-2020-592 tamin’ny 30 may 2020
MANAMBARA    AMPAHIBEMASO    NY    FAHAMEHANA    ARA-PAHASALAMANA    MANERANA    
NY TANIN’NY    REPOBLIKA   

NY FILOHAM- PIRENENA,

Araka ny    lalàm-panorenana,    ao    amin’ny    andininy    faha    61;
Araka    ny    lalàna    faha 91-011    tamin’ny    18    jolay    1991    mahakasika    ny    Vanim-potoana    manokana
Araky     ny     lalàna     laharana     faha  2011-002     tamin’ny     15     jolay  2011     mikasika     ny     fifehezana     ny    fahasalamam-bahoaka ;
Araka     ny  didim-panjakana     laharana     faha     2019-1407     tamin’ny  19     jolay  2019     manendry    ny    Praiminisitra,    lehiben’ny    Goverenemanta;
Araka     ny    didim-panjakana    laharana    faha-2020-070    tamin’ny  29     janoary 2020    nanendry    ny    mpiakambana    ao    amin’ny    governemanta;      
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    2020-359    tamin’ny    21    marsa    2020    milaza    ny        manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    Repoblika.
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    2020    – 370    tamin’ny    04    Aprily    2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-420 tamin’ny    17    Aprily 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.

Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-457 tamin’ny    02    May 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.

Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-483 tamin’ny    16    May 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.

Nandritra     ny     Filankevitry     ny     Minisitra     taorian’ny     fakan-kevitra     natao     tamin’ny     Filohan’ny    Antenimieram-pirenena,     ny     filohan’ny     Antenimieran-doholona     ary     ny     Filohan’ny     Fitsarana    avo    momba    ny    lalàm-panorenana;

ANDININY    VOALOHANY.- mitohy    mandritra    ny    15    andro    eto    amin’ny    tanin’ny    Repoblikan’i    Madagasikara,     manomboka     amin’ny     fotoana     hivoahan’ity     didim-panjakana     ity     ny    « Fahamehana     ara-pahasalamana » noho     ny     antony     ara-pahasalamana,     nohon’ny     fisian’ny    toe-javatra     goavana     mampisahotaka     ny     fiainam-bahoaka,     mba     hampizotra     ara-dàlana     ny    asan’ireo    fahefam-panjakana    araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    2020-359    tamin’ny    21    martsa    2020 sy    laharana    faha 2020-370    tamin’ny    04    Aprily    2020 sy    ny    laharana    faha    2020- 420     tamin’ny     17     Aprily     2020, ny     laharana     faha     2020-457     tamin’ny     02     May     2020 ary     ny    laharana    faha    -483    tamin’ny    16    May    2020    voalaza    etsy    ambony.
ANDININY    FAHAROA.- Ity    didim-panjakana ity    dia    mitarika ny    fampiharana    ireo    fepetra    rehetra    voafaritry    ny    fehezandàlana    mahakasika    ny    Vanim-potoana    Manokana    (situation    d’exception) mametra    ny    atao    hoe    Fahamehana.
ANDININY    FAHATELO.- Ho    fampiharana    ny    andininy    faha 18    ao    amin’ny    làlana    faha 91-011    tamin’ny 18    jolay 1991    mikasika    ny    Vanim-potoana    Manokana,    izay    mamaritra    ny    fahefan’ny    Filoham-pirenena     amin’ny     fampiharana     ny     fanaraha-maso ny     fivezivezen’ny     olona     sy     ny    fiara,    ny    fanaraha-maso ny    famatsiana    rehetra    ary    ny    fanarahamaso ny    fitaovam-piadiana    dia natolotra    ny    Praiminisitra    ny    fanatanterahana    izany.   

ANDININY    FAHA - EFATRA.- Ny    Minisitry    ny    fiarovam-pirenena,    ny    Minisitry    ny    Fitsarana,    ny    Minisitry    ny    toe-karena    sy    ny    fitantanam-bola,    ny    Minisitry    ny    ati-tany    sy    ny    fitsinjaram- pahefana,     ny     Minisitry     ny     Fahasalamambahoaka,     ny     Minisitry     ny     Filaminam-bahoaka,     ny    Minisitry     ny     Paositra     ny     fampiroboroboana     ny     haitao     ara-kajy     mirindra,     ny     Minisitry     ny    Serasera    sy    ny    Kolontsaina,    ny    Sekreteram-panjakana    misahana    ny    Zandarimaria    eo    ambany    fiahian’ny     minisiteran’ny     fiarovam-pirenena     no     miantoka     ny     fanatanterahana     izao     didim- panjakana    izao.   

ANDININY     FAHA-DIMY.- Noho     ny     hamehana     ary     ho     fampiharana     ny     voalazan'ny     andininy    faha-6     ao     anatin'ny     didy     hitsivolana laharana     faha-62-041     tamin'ny     19     septambra     1962    momba     ny     fepetra     ankapoben'ny     lalàna     anatiny     sy     ny     lalàna     iraisam-pirenena     mifehy     ny    fifandraisana     manokan'ny     samy     olona,     ity     didim-panjakana    ity    dia    manan-kery     avy     hatrany    raha     vantany     vao     havoaka     amin'ny     onjampeo     sy/na     ny     fahitalavitra,     ary     izany     dia     tsy    miankina    amin'ny    famoahana    azy    amin'ny    gazetim-panjakan'ny    Repoblika.

Antananarivo faha-30 may 2020

Ny Filoham-pirenena
Andry RAJOELINA
Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta
NTSAY Christian

Natao androany faha 30 May 2020
Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika