FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA MANOKANA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSOROHITRA NY ALAHADY 24 MAY 2020

Manoloana ny fihanaky ny valan’aretina coronavirus ato amin’ny faritra Atsinanana dia nisy ny Filankevitry ny Minisitra manokana natao tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, nandraisana ny fepetra rehetra entina hifehezana ny valan’aretina. 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    Manoloana ny fahafatesan’ilay mpitsabo iray tany Toamasina tao amin’ny Hopitaly Manarapenitra, dia maneho ny fiaraha-miory ny fitondram-panjakana ary manokatra fanadihadiana manokana ny antony marina tena nahafaty azy tao amin’ny Hopitaly Manarapenitra androany maraina.

    Mankahery ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra miatrika izao ady atao amin’ity valanar’etina ity izao.

    NORAISINA IHANY KOA NY FEPETRA VAOVAO HANAMAFISANA NY ADY ATAO AMIN’NY FIHANAKY NY CORONAVIRUS ANY TOAMASINA:

    1- Hisy ekipa manokana (Brigade spéciale) hanampy ireo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana alefa manokana avy aty Antananarivo.

    2- Hisy laboratoire manokana hapetraka ao Toamasina hanafainganana ny fanaovana fitsirihana ao Toamasina

    3- Ampitomboina ny fitsirihana faobe any Toamasina hatao mifanaraka amin’ny tracing contact mbola hotanterahana

    4- Hamafisina ny fampitaovana toy ny ambulances 04, gels hydroalcooliques, EPI, tambavy CVO mba hanana amby ampy mihoatra ny filàn’ny hopitaly mandray marary momba ny COVID 19 ny Hopitaly Manarapenitra any an-toerana

    5- Ampitomboina ny toerana ahafahana mandray ireo olona rehetra marary sy mitondra ny otrik’aretina any Toamasina ary arahana akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalaman’izy ireo.

    6- Arahana akaiky ny fampiharana ireo fepetra rehetra napetraka manoloana ny ady atao amin’ity valan’aretina ity.

    7- Apetraka ny ekipa manokana (équipes dédiées) hanao ny fitsaboana manokana amin’ny CVO sy hanao ny fitiliana tsy maintsy atao aorian’ny fitsaboana, ahafahana manara-maso ny fahasitranan’ny marary.

    8- Atao ny fanadiovana sy fanaovana désinfection ny toerana rehetra ao Toamasina.

  • II- FANENDRENA OLOM-PANJAKANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanendry ireto olom-panjakana manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry Fahasalam-bahoaka

    • Dr RAZAFIARISOA Célestine Vavy, dia voatendry ho talem-paritry ny fahasalamana any Toamasina.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana

    • Atoa RAZAFIARISON Jean Jugus , dia Voatendry ho Préfet an’i Toamasina
  • III- FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsinanana
    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Talem-paritry ny fampiroboroboana ny faritra Antsinanana
    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Sekeretera Jeneralin’ny Faritra Diana.

Natao androany faha 24 May 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika