FIADIDIANA NY REPOBLIKA
TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 08 JANOARY 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    RAHARAHA MIKASIKA FITANTANANA NY OTU SY BPPAR:

    Efa niverina amin’ny minisitera ny fitantanana ireo fananan’ny minisitera teo ambany fitantanan’ny OTU sy ny BPPAR.

    Hisy ny fandefasana mpanao fanadihadiana manokana manoloana ny fanodikodinana natao tao anatin’ireo organismes rattachés roa teo aloha ireo izay efa natao liquidation judiciaire.

    HATSANGANA NY FITSARANA MOMBA NY FANANAN-TANY « Tribunal Terrier »:

    Hatsangana ny « Tribunal terrier » hanafainganana ny fijerena ireo ady tany izay mihisatra tokoa eny anivon’ny fitsarana ankehitriny. Betsaka loatra ny olana na eo amin’ny halatra tany, na ny tsindry hazo lena eo amin’ny resaka fakana tany sy fibodoana ny tanin’olona.

    Ho entina miaraka amin’izany fametrahana izany ny fanovana ireo andinin-dàlana sy ny rafimpitsarana hametrahana azy araka ny ambaratongam-pitsarana hametrahana azy eny anivon’ny fianakaviamben’ny fitsarana.

    Ny tena olana dia ny fikarakarana ny tany manoloana ny boky rovitra izay miteraka olana eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny.

    Mila hapetraka ihany koa ny « numérisation des titres fonciers » rehetra mba hanatsarana ny fitantanana ny fananan-tany sy hampiainana ny fitantanana izany ho maoderina sy manaraka ny toetrandro amin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia vaovao.

    HAPETRAKA NY LALANA MIKASIKA NY Greffe d’organe ARY HATSARAINA IREO HOPITALY LEHIBE:

    Efa miroso amin’ny fananganana hopitaly afaka manao “greffe d’organe” isika izao, koa hisy ny comité hamolavola ny lalàna mifandraika amin’izany.

    Betsaka ny olona no mila mandeha any ivelany no manao ny “greffe d’organe” nefa noho ny tsy fahampiana ara-bola dia maro ireo tsy misitraka izany, izany no isan’ny antony nanekena ny famolavolana io fehezan-dàlana io

    Ilaina fanamboarana goavana faran’izay haingana indrindra koa ireo hopitaly lehibe eto andrenivohitra indrindra ny fandraisana ireo vonjy taitra « service d’urgence » ao amin’ireo hopitaly ireo ary mila hatao haingana ny fampitaovana azy ireny.

    Tsy ny eto andrenivohitra ihany fa ireo CHD rehetra dia mila harenina haingana avokoa mba hanaraka ny fenitra ahafahana mitsabo ny mpiray tanindrazana mila fitsaboana.

    HIPARITAKA MANERANA NY NOSY NY DOKANY MORA:

    Napetraka ny paikady vaovao natao mba ahafahana mamatsy “intrants Agricoles” vidiana amin’ny vidiny mirary ho an’ny tantsaha amin’ny alalan’ny “Fonds de développement Agricole” ka ho entina mametraka ny « Dokany Mora » izay iarahana mametraka amin’ny e-poketra eo anivon’ny Paositra Malagasy amin’ny alalan’ny fampiasana Poste Money, izay haparitaka manerana ny Nosy.

    HAMOKATRA HERINARATRA 1000MW ANGOVO AZO HAVAOZINA MIARAKA AMIN’NY ORINASA SOCIETE PAL 4 SOLAR LLC

    Haparitaka ny fandaharanasa Madagasikara Madio 2025 iarahana miasa amin’ny UNICEF natao mba hiadiana amin’ny fivoahana an-kalamanjana izay miteraka aretina sy loto.

    Natao nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny fanazavana mikasika ny fifanaraham-piarahamiasa amin’ny Société PAL 4 Solar LLC ho entina mamokatra herinaratra 1000MW azo avy amin’ny angovo azo havaozina, ho entina mamatsy ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara. Ho avy eto an-toerana ny solon-tenan’ireo orinasa ireo hifandinika sy hamaritra miaraka amin’ny teknisianina eo anivon’ny minisiteran’ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo hametraka sy hamaritra ireo toerana hanombohana ny asa sy ny fitsinjarana ny herinaratra azo amin’izany.

    FAMBOLEN-KAZO 19 Janoary 2020 NO FOTOAMPANOKAFANA

    Hatao ny 19 Janoary 2020 izao ny fanokafana ny fambolen-kazo ho an’ny taona 2020 any Tamponketsa Ankazobe no hanatanterahana izany ka ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra no mandrindra izany miaraka amin’ny Fiadidiana ny Repoblika. Hasaina avokoa ireo mpiasam-panjakana ombam-pianakaviana izay vonona hanatanteraka izany ka misoratra anarana eny anivon’ny Andrim-panjakana sy ny minisitera isan-tokony

  • II- FANAFOANANA :

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny toe-karena sy fitantanam-bola

    Foana ny didim-panjakana nanendrena ny Talen’ny « Legislation et de la Valeur » eo anivon’ny fadintseranana

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy fanofanana ara-teknika ary fanofanana ara-kasa

    Foana ny didim-panjakana nanendrena ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena sy ny fanofanana ara-teknika sy fanofanana arakasa ao atsimo atsinanana.

Natao androany faha 08 Janoary 2020

Ny Sampan-draharahan’ny serasera sy fifandraisana