FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA, ALAROBIA 04 SEPTAMBRA 2019

 

 

  • I - FAMPAHAFANTARANA

    Nampahafantatra ny fizotry ny asa ataon'ny sampana tsirairay rehetra ao amin’ny minisitera sahaniny avy ireo minisitra, ao anatin'ny fandaharan'asa fampiasam-bolam-panjakana na PIP araka ny lalàna mifehy ny teti-bola nasiam-panitsiana 2019.

    Entitra ny Filoham-pirenena nanamafy ny tsy maintsy hahatanterahan'ireo minisitra tsirairay ny tetik’asany ka nanomezany toro-marika ny tokony hanafainganana ireo pitsopitsony amin'ny dingana arapanjakana arahina ao anatin’ny tsenan'asam-panjakana.

    Nanipika manokana ny tsy maintsy handraisana fepetra mikasika ny fanararaotana ny fampiakarambidy ny entana ilaina andavanandro eny an-tsena ny Filoham-pirenena. Mila tsirihina araka izany ireo mpanafatra entana ka arahi-maso ny tahirin'entana ary angataham-panazavana izy ireo ny antony fiakarambidy nefa mbola tsy miditra fotoanan'ny maintso ahitra isika. Ilaina koa ny manaja ny fitsipiky ny fifaninanana madio mba ho tombontsoan'ny mpanjifa.

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    Tapaka tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana ny didim-panjakana manaraka etoana :

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Didim-panjakana mandrava ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fanatanterahana ny fitantanana ara-kajy mirindra (Agence Nationale de Réalisation de l'E-gouvernance)

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY, NY TOERA-PONENANA ARY NY ASA VAVENTY

    Didim-panjakana manambara fa ilain'ny besinimaro ny asa fanamboarana ny lalana « route des oeufs » mampitohy ny kaominina ambanivohitra Mahitsy sy Mahazaza ao amin’ny distrika Ambohidratrimo ka hakana ireo ampahana tany na trano voakasiky ny asa, na amin’ny alalan’ny fifanarahana na amin’ny alalan’ny fanesorana noho ny filan'ny besinimaro ireo tany na trano ireo (expropriation pour cause d’utilité publique).

  • III - FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Repoblika:

    • Colonel RAZAKANIRINA Joseph Octave, dia voatendry ho Directeur des Transmissions auprès de l'Office des Transmissions Militaires de l'Etat (OTME)

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena:

    • Colonel IBRAMDJEE Zafiny Janin, dia voatendry ho « Directeur du Bureau de Communication et des Affaires Civilo-Militaire au sein de l’État-Major Général de l’Arméé Malagasy ».
    • Colonel ABDOUL Henri Auguste, dia voatendry ho Deuxième Adjoint au Commandant des Forces de Développement.
    • Colonel MAHAVANY Venot Manjato Robby, dia voatendry ho Chef d’État-Major auprès du Commandement des Forces d’Intervention de l’Armée.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • Atoa. RAZAFIARISON Hery Harizandry, dia voatendry ho Premier Président de la Cour d’Appel de Toamasina.
    • Atoa. JEAN Norbert, dia voatendry ho Procureur Général auprès de la Cour d’Appel de Toliara.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisiry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana :

    • Atoa. RALAIVAO Andriamaromaneho Jean Johanès, dia voatendry ho Préfet ny Fénérive-Est.
    • Atoa. RABEMANANTENA Herschel Faguet, dia voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’i Miandrivazo.
    • Atoa. RAZAFINDRAPAOLY OMEGA Tovontsoanjanahary, dia voatendry ho Lehiben’i Distrikan’i Vatomandry.
    • Rtoa. RAZAZAROANABAVY Felanirina Hortensia, dia voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’i Fandriana.
    • Rtoa. NAKANY Emilie Baravavy, dia voatendry ho Talen’ny Fitantanana.
    • Atoa. RAHOLINARIVO Paolo Emilio Solonavalona, dia voatendry ho Talen’ny « Etudes et de la Gestion des Risques » eo anivon’ny BNGRC.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy :

    • Atoa. RAKOTOARISON Clark, dia voatendry ho Talen’ny « Systèmes d’Information »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny fanofanana ara-teknika sy arak’asa :

    • Atoa. RABENANDRASANA Théophil, dia voatendry ho Talen’ny « Planification de l’Éducation ».
    • Rtoa. RAKOTOVOLOLONA Helikanto Tsimandefitra, dia voatendry ho Talen’ny « Curricula et des Intrants ».
    • Atoa. RANDRIANIRINA Séraphin, dia voatendry Talen’ny « Office Nationale de l’Éducation de Masse et du Civisme ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo :

    • Rtoa. RAKOTOVELOMANANTSOA Voahary, dia voatendry ho Tale Jeneraly eo anivon’ny « Autorité Nationale de l’Eau et de l’Assainissement » (ANDEA).
    • Rtoa. RATSIHAROVALA Lalaina, dia voatendry ho Talen’ny « Systèmes d’Information ».
    • Atoa. RANDRIANOELY Martin, dia voatendry ho Talen’ny «Cellule de Bonne Gouvernance ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika :

    • Rtoa. RAKOTOALISON Hanitriniaina Bienvenue, dia voatendry ho Talem-paritra DIANA eo anivon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika .
    • Atoa. GEORGEAL, dia voatendry ho Talem-paritra Alaotra Mangoro eo anivon’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika .

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitaterana, ny fizahan-tany ary ny famatarana ny toetr’andro:

    • Atoa. RAZAFINDRATAFIKA Barnabé Farnaise, dia voatendry ho Talen’ny « Météorologie Appliquée ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra :

    • M. TEZENA Lionel Armando, dia voatendry ho Talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana maharitra Atsinanana

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy :

    • Atoa. KOTOSON Radoniaina Fleury, dia voatendry ho Talem-paritry ny mponina, ny fiahiana aratsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy Vatovavy Fitovinany.
    • Atoa. LEONARD Diedollys, dia voatendry ho Talem-paritry ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy Analanjirofo.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina :

    • Atoa. RANDRIAMANAMPISOA Xavier, dia voatendry ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Menabe.
    • Rtoa. RANDRIANIRINA Ambinintsoa Laura Oliva, dia voatendry ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Atsimo Andrefana.
    • Atoa. RAFALIMANAMPISOA Benjamina, dia voatendry ho talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina faritra Amoron'I Mania.
    • Rtoa. RAZANANOMENA Judith, dia voatendry ho talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Melaky.
  • IV – FANAFOANANA

    Tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ireto fanafoanana manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana:

    • Fanafoanana ny didim-panjakana manendry ny Préfet Toliara
    • Fanafoanana ny didim-panjakana manendry ny Lehiben’ny Distrikan’i Vohémar.