TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alakamisy 02 mey 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alakamisy 02 mey 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

Mialohan’ny niantombohan’ny Filankevitry ny Minisitra dia novakiana tamin’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta ny Taratasin’ny Filohan’ny Repoblika izay mifandraika tanteraka amin’ny fanapariahana ny HAZAVANA HO ANAO manerana ny Nosy. Nanamafy izany taratasy izany ny amin’ny maha laharam-pahamehana io tetikasam-panjakana io satria miantefa tanteraka amin’ny andavanandron’ny vahoaka Malagasy ary tena maha-saro-piaro ny Filohan’ny Repoblika izany. Nanainga ny tompon’andraiki-panjakana rehetra Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba samy handray ny anjara andraikitra tandrify azy, ary hiara-hientana sy hifanome tanana ho fanasoavana ny vahoaka Malagasy tsivakivolo, indrindra ireo marefo indrindra.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA + MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Ho fanamafisana ny efa voalaza tao amin’ny taratasin’ny Filohan’ny Repoblika mikasika ny fizarana ny Hazavana Ho Anao sy araka ny toromarika nandritra ny fidinana ifotony nataony tany amin’ny Faritra Anôsy farany teo, dia misy ny fanatsarana entina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa e-fokontany indrindra ny fitsinjarana isaky ny tokantrano ireo karinem-pokontany misy QR Code. Ny solon-tena avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Minisiteran'ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, ny Minisiteran'ny atitany, ny Minisiteran'ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra ary ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny alalàn'ny tetikasa Prodigy no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tetiandro hametrahana izany lamina vaovao izany sy ny fandrindrana ny lisitr'ireo tokantrano manerana ireo kaominina ary ny 15 mey 2024 no manomboka ny fizarana ireo karinem-pokontany isaky ny tokantrano.

    Amin'io daty io ihany koa araka izany dia afaka manomboka ny fizarana ireo jiro mandeha amin’ny herin'ny masoandro "Hazavana ho Anao" sy ireo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Tsy maintsy voarakitra ao anatin'ny karinem-pokontany ireo fanampiana nozaraina mba hisian'ny fizarana ara-drariny sy hahafahana manara-maso izany. Ho zaraina miandalana manerana ny Nosy ihany ireo karinem-pokontany misy QR code ireo. 

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    Adidin’ny Fitondram-panjakana ny manolotra foto-drafitrasam-pahasalamana afaka hositrahin’ny rehetra. Fantatra ankehitriny fa ankizy manodidina ny 500 isan-taona no mandalo fitiliana sy fizahana fo eo anivon’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana, 100 amin’ireo no tsy maintsy miatrika fandidiana ary ny antsasa-manila dia tsy vita teto an-toerana fa tsy maintsy nalefa any ivelany noho ny tsy fahatomombanan’ny fotodrafitrasa. Tsy ny rehetra nefa no manana fahafahana handefa ny zanany hitsabo tena any ivelany. Noho izany indrindra dia nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fitokanana ny "bloc de chirurgie cardiaque" eo anivon’ny hopitaly CENHOSOA izay ho tanterahina ny 27 mey 2024. Hisy ny fandidiana fo na "opération à coeur ouvert" voalohany ho raisin'io efitra fandidiana io ny 20 mey hatramin’ny 2 jona. Zaza miisa efatra no hisitraka izany fandidiana voalohany izany.

    Ao anatin'ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika frantsay sy malagasy dia hisy ny ny fanazaran-tena eo amin’ny paikady sy ny fitifirana ho tanterahina eny Tampoketsa ny 02 hatramin’ny 14 mey 2024. Miaramila frantsay miisa 35 no handray anjara amin'izany fanazaran-tena izany. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fampidirana ireo fitaovam-piadiana entin'ireo miaramila frantsay ireo hampiasaina mandritra izany fanazaran-tena izany : ka ny fitaovana dia ahazo “admission temporaire” ary ny karazana bala izay hampiasaina koa dia ahazo fandraisana an-tanana tanteraka amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Toekarena sy Fitantanam-bola. Misy ampahany amin'ireo fitaovam-piadiana ireo ny ho tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ary ny ampahany hafa eny amin’ny seranantsambon'i Toamasina. Entitra dia entitra araka izany ny fanaraha-maso ny fidirana sy ny fampiasana ireo fitaovana hanaovana fanazaran-tenan’ny tafika ireo.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny haban-tseranana amin’ny fampidirina ireo fitaovana ara informatika fanomezana avy amin'ny Office des Nations Unies contre la Drogue et le Crime (ONUDC) ho an'ny Tafika an-dranomasina Malagasy.

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatontosana ny fivoriana faharoan'ny Voamiera iombonana ho an'ny fiaraha-miasa eo amin’ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Repoblikan'i Maorisy na ny "Commission Mixte de Coopération entre la République de Madagascar et la République de Maurice" ny 15 hatramin’ny 17 mey 2024 any Maorisy. Ho jerena mandritra io fivoriana io ireo fiaraha-miasa misy eo amin’ny firenena roa tonta sy ny fanatanterahana ireo tapaka nandritra fivoriana voalohany natao tao Port Louis ny 17 mey 2018. Anisan'izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fifandraisana ana habakabaka, ny sehatry ny fitsarana, ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra, ny ady amin'ny fanondranana tsy ara-dalàna, sns. Izao fihaonana izao dia fomba fatao ara diplomatika iarahana mandinika ny fiaraha miasa amin’ny firenena iray, ary izany dia hatao mandritry ny fihaonamben’ny minisitry ny raharaham-bahiny mivondrona eto amin’ny Ranomasimbe Indianina izay tarihin’ny minisitra Maorisianina sy Malagasy. Mandritra izany ihany koa no hanomanana ny “roadshow” izany kasaina atao, ho fanarahana ny toromarik’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika tamin’ny fihaonany tamin’ny Praiministra Maorisiana tany Dubai.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin'ny andiany faha-13 amin’ny Fivoriana isan-taona momba ny fampiasam-bola na "Réunion Annuelle sur l’Investissement" ny 07 hatramin’ny 09 may 2024; sy ny Kongresin'ireo Mpitondra fanjakana maneran-tany momba ny fampiasam-bola na "Congrès des dirigeants mondiaux sur l’Investissement” ny 07 mey 2024 any Abu Dhabi, Emirats Arabes Unis.

    Ho jerena manokana mandritra ity andiany faha-13 ity ireo vahaolana manoloana ireo fanamby tsy maintsy tratrarin'ny toekarena ankehitriny sy ireo Governemanta te hampiroborobo ny fampiasam-bola ao aminy. Mpitondra fanjakana maro, solon-tena ana vondrona iraisam-pirenena, mpiantsehatra lehibe eo amin’ny lafiny fandraharahana, ny fampiasam-bola sy ny fitantanam-bola no handray anjara amin'ity fihaonana ity. Hitarika ny delegasiona malagasy any an-toerana ny Filohan’ny Repoblika ho famaliany ny fanasana manokana izay nataon’ny Filohan’ny Emirats Arabes Unis ny tenany.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Mba ho fampitomboana ny tahirim-bolamenan’ny fanjakana Malagasy, dia Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana fifanaraham-pivarotana eo amin’ny Fadintseranana Malagasy sy ny Banky Foiben’i Madagasikara amin’ireo volamena nogiazana sy napetraka ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara.

    Noho ny fanitsiana vaovao ny andininy faha-238 bis andalana 1 sy faha-3 amin'ny fehezan-dalàna momba ny fadintseranana tamin'ny fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2024 dia azon’ny sampandraharahan’ny Fadintseranana hatao ny manao rahaham-barotra amim-pihavanana izay nahazoana fanomezan-dalana mialoha avy amin’ny Minisitera miandraikitra ny Fadintseranana. Amin’izao fotoana izao dia efa vonona ny hafindra eny amin’ny tahirim-bolamenan’ny BFM ny volamena satria efa milamina ny fifampiraharahana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola an-tanana ireo fandaniana momba ny antso an-tariby sy aterineto izay mbola tsy voaloha teo anivon’ny OTME, izay rantsa-mangaika teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika noravana tamin'ny taona 2022.

    Ho fanomanana ny fifidianana solombavam-bahoaka izay ho tanterahina ny faha 29 mey ho avy izao dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo antontan-taratasy saro-pady: bileta tokana, ireo "imprimés des fiches de dépouillement" ary ireo valopy ho an'ny CENI ao anatin'ny tetikasa "fanamafisana ireo dingana ho an'ny fifidianana sy ara demokratika na « Renforcement des processus électoral et démocratique à Madagascar" (RPEDM) avy amin'ny PNUD.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tohana ara-bola faharoa avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena ao anatin'ny MERGII (d’appui budgétaire pour une croissance équitable et résiliente). Efa nisy 100 tapitrisa dolara nositrahan'i Madagasikara tamin'ny tohana ara-bola voalohany nomen'ny Banky Iraisam-pirenena tamin'ny taona 2023. Nisy ny iraky ny Banky Iraisam-pirenena nanao tombana ireo asa vita sy ireo ezaka mbola mila atao hahafahana misitraka izany tohana ara-bola faharoa izany. Hatolotra amin’ny filankevi-pitantanan'ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny volana septambra 2024 ny fandaharanasan'ny Fitondram-panjakana malagasy. Marihina fa tamin’ny taona 2023 vao nanaiky nanolotra fanampiana ara-bola na “aide budgétaire” ho an’ny Fanjakana Malagasy ny Banky Iraisam-pirenena noho ny ezaka izay tsapan’izy ireo fa efa vita teo amin’ny fitantanana ny raharam-panjakana teto Madagasikara.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny tohana ara-bola ao anatin'ny "Programme d’Appui à la Gestion Financière et à la Compétitivité Economique" - PAGFCE ho an'ny taona 2024-2025 avy amin'ny Banky Afrikanina ho an'ny Fampandrosoana (BAD).

    Tanjon'ity fandaharanasa ity ny fametrahana lasitra ho an'ny fitomboana ara-toekarena matanjaka sy iraisan'ny rehetra amin'ny alàlan'ny fanamafisana ny tetibola sy ny fanatsarana ny fifaninanana ara-toekarena eto amin'ny firenena, eo ihany koa ny fanatsarana ny tontolon'ny fandraharahana ary ny fitantanana ny sehatry ny angovo.

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava ny tatitr'ireo fivoriana momba ny fandravonana ny IDA-21 tany Nairobi ny 28 hatramin’ny 29 avrily 2024

    Nandray anjara tamin'ny fihaonana an-tampony niarahana tamin'ireo firenen-dehibe mpiara miombon'antoka, ny Banky Iraisam-pirenena ary ireo Firenena Afrikana misitraka famatsiam-bola avy amin'ny IDA (Association de Développement International) ny delegasiona malagasy notarihin’ny Filohan’ny Repoblika.

    Ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny fampandrosoana" na ny "IDA" dia isan'ireo rantsana telo mandrafitra ny banky iraisam-pirenena. Firenena miisa 75 no efa nisitraka ny famatsiam-bolan'ny IDA. Ny 28 avrily dia nisy ny fivorian'ireo minisitry ny fitantanam-bola izay nahafahan'ireo firenena mpandray anjara nanazava ireo sehatra laharam-pahamehana handrafetana ny IDA21.

    Nandritra ny fihaonana an-tampony ho fanangonana ny IDA21 dia niray hina tamin'ireo mpitondra fanjakana afrikana tany an-toerana ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA nanamafy ny antso amin'ny mpamatsy vola sy ireo mpiara- miombon'antoka amin'ny Banky Iraisam-pirenena ny tokony hampitomboin'izy ny famatsiana hoentina manampy ireo Firenena Afrikanina amin'ny olana sedrain'izy ireo. Firenena 85 no nanao adisisika manoloana ireo mpiara-miombon’antoka ary i Madagasikara manokana dia nanao adisisika momba ny ady izay atrehan'ny kaontinanta Afrikanina ankehitriny dia ny ady tsy mitam-basy na fitaovam-piadiana fa ady amin'ny fiovaovan'ny toetrandro, ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo fa indrindra ny ady amin’ny fahantrana.

    Voasafidy ho « Champion » na Masoivoho handrafitra ny komity hisolo tena ny firenena maro manoloana ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena ny Filoha Andry RAJOELINA. Io komity io dia ho tarihin'ny Vondrona Afrikanina ary ahitana an'i Ghana, Nigeria, Madagasikara, Sierra Leone ary Malawi. Ireo firenena ireo no hanao ny adisisika sy hanamafy ny antso eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ireo mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Banky Iraisam-pirenena ny tokony hampitombon'izy ireo ny famatsiana hoentina manampy ireo Firenena Afrikanina amin’ny drafi-pampandrosoan’izy ireo. 120 miliara dolara ny tanjona ho tratrarina amin'ny IDA21. Mbola misy fivoriana in-telo mialohan'ny handrafetana farany ny IDA 21 izay amin'ny volana desambra 2024 no ho fantatra ny tetibola ho azon'ireo firenena mpisitraka izany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry Minisitra ny hirosoana amin’ny fandrafetana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an'ny taona 2024. Izany dia tsy maintsy atao mba ahafahana mampifandanja ny vola miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy ireo fandaniana, ary hahamarin-toerana ny toekarena. Hisy araka izany ny fampihenana ny vinavinam-pandaniana ka samy nanao tolo-kevitra ny fampihenana ny tetibolany ny minisitera isan-tsokajiny.

     

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana entana avy any ivelany ho an'ireo entana miisa 19 ny Midwifery Kit, ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka avy amin'ny UNICEF.

    MINISITERAN'NY FIZAHANTANY SY NY ASA TANANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanokafana toeram-pisakafoana ao amin’ny "lounge" ao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Nahafeno ny fepetra rehetra sy ny lalàna mifehy ny toeram-pisakafoana eny anivon'ny "sous douane" ny orinasa nahazo ny tolo-bidy ka afaka miroso amin’ny fanokafana ny toeram-pisakafoana antsoina hoe "Montana" eo anivon’ity seranam-piaramanidina Ivato ity.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN'AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ilaina amin’ny tsenan’asam-panjakana entina hamatsiana toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro manana tanjaka 50 megawatts, ao anatin ‘ny tetikasa « projets parcs solaires » hiarahana amin’ny JIRAMA amin’ireo toerana efa nofaritana hametrahana izany. Fahatongavana entana faha 18 hatramin’ny faha 19 izao.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hametrahana rafitra fampidirina rano fisotro madio (AEP) ao amin’ny oniversite manara-penitra Analanjirofo, kaominina Ambonivohitry Fenoarivo Atsinanana, Distrikan'i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo. Noho ny haavon'ny toerana misy izany oniversite izany dia tsy voasahan'ny orinasa JIRAMA iray manontolo ny famatsiana rano ao an-toerana ka ilana ny fametrahana izany rafitra izany. Noho ny hamehana dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana tolo-bidy misokatra ao anatin'ny 15 andro.

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Iaraha-mahalala ny fankafizan’ny Malagasy ny baolina kitra, ka ho fanomezana fahafaham-po ny vahoaka tsy an-kanavaka ary ahafahan’ny rehetra misitraka izany amin’ny alalan’ny haino aman-jerim-panjakana dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny fandoavana ny sarany fandefasana ireo lalao mandritra ny fifaninana Confédération Africaine de Football 2024 sy ireo lalaon'ny UEFA EURO 2024.

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA + MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan'ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana entana avy any ivelany momba ireo fitaovana ho an'ny Televiziona Malagasy, fanomezana avy amin'ny Governemanta japoney. Izany dia vokatry ny fifanarahana izay vita sonia tamin’ny taona 2019 ary hirosoana amin'ny fanatanterahana ankehitriny. Dingana telo no voafaritra ao anatin’ny fifanarahana dia ny fahatongavan’ny teknisianina japoney eto Madagasikara, ny fampiofanana sy fizarana traikefa hataon’izy ireo amin’ny teknisianina Malagasy ary farany ny fahatongavan’ireo fitaovana ka handraisana azy ireo amin’ny fomba ofisialy eo anivon’ny Ofisy Malagasy misahana ny haino aman-jerim-panjakana na ORTM.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana malagasy an-tanana ireo hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana entana avy ivelany momba ireo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny fitaterana an-tariby, zotra volomboasary Antananarivo mampitohy an'i Soarano sy Ambatobe (fandefasana laharana faha 26, 27, 29, 41, 44, 45, 46, 47, 48, 49, 50, 51, 52, 53, 54, 55, 56, 57, 59, et 61)

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nolanian’ny Filan-kevitry Minisitra ny volavolan-dalana fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Vondrona Eoropeana sy ny firenena mpikambana ao aminy etsy ankilany, sy ny Vondron'ny firenena Afrikanina, Pacifique sy Caraïbes etsy andaniny (OEACP), na Accord Samoa. Ity fifanarahana ity no solon’ny fifanarahana COTONOU teo aloha. Izy ity dia mandrindra ny fiaraha miasan’i madagasikara amin’ny vondrona eoropeana ary ny firenena eo amin’ny vondrona ACP dia mila miroso amin’ny “ratification” na fankatoavana izany fifanarahana izany avokoa.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA+MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-dalana manome alalana ny fanaovan-tsonia fampindramam-bola famatsiana ny "Projet de Productivité et de Résilience des moyens de Subsistance en Milieu Rural (RIZ PLUS)" natao ny 01 marsa 2024 teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Agence Française de Développement (AFD). Ny tetikasa dia ho tanterahina eo amin’ny Faritra Alaotra mangoro sy Sofia ary manana tanjona hampitombo fara-faharatsiny 30% ny taham-pamokarana vary eny amin’ireo faritra roa izay sompitr’i Madagasikara ireo. Aman’aliny ny tantsaha izay hisitraka ny vokatsoan’ny tetikasa.

  • III - FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FOLOALINDAHY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-555 tamin'ny 20 avrily 2022 ary manendry ny Général de Brigade RANDRIANANTENAINA Emilson, ho "Directeur des Combattants Nationalistes".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-525 tamin'ny 27 mey 2020 ary manendry ny Colonel RASEHENOSON Raymond Patricia, ho "Directeur du Système d’Information".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-566 tamin'ny 17 mey 2023 ary manendry an-dRamatoa RAHELISOA Adèle Virginie, ho Talen’ny Serasera.

    MINISITERAN'NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRAMOSA Jean Nicaise, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany Atsinanana
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRAPARANY Mahasoa Jean, ho Talem-paritry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany Atsimo Andrefana
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMAMONJISOA Haja Hantenaina Placide, ho Governora mpisolo toerana Bongolava.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAMANANA Gilbert, ho Governora mpisolo toerana Vatovavy.

    Marihina fa ireo Governora mpisolo toerana izay voatendry anio dia natao hisahana ny fampandehanan-draharaha andavanandro eo anivon'ny Faritra fotsiny na koa hoe "affaires courantes".

    MINISITERAN'NY ATITANY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-087 tamin'ny 01 febroary 2023 ary manendry an'Andriamatoa RODELIN Félix, ho "Directeur du Système d’Information et de la Numérisation du Centre National de l’Etat Civil".

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RABENANDRASANA Téophil, ho "Directeur Général de l’Institut National de Formation Pédagogique" (INFP)

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1089 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa Ron Weiss, ho Tale Jeneralin’ny Orinasa Jiro sy Rano Malagasy (JIRAMA)

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA ARY NY ASAM-PANJAKANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1292 tamin'ny 17 novambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RABENARIVO Lanto Lauréat, ho Sekretera Jeneraly.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1493 tamin'ny 14 aogositra 2019 ary manendry an-dRamatoa RANAIVO Andoniaina Harimbolasoa, ho "Directeur de la Promotion du Travail Décent".

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMILIARIJAONA Miora Henintsoa, ho "Directeur des Etudes et de la Formation en Multimédia".
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1254 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an-dRamatoa RASOANIRINA Marie Lydia, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Ihorombe.

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-563 tamin'ny 19 mai 2021 ary manendry an-dRamatoa RALIVELO Lynah Fenohasambarana, ho "Directeur de la Programmation et du Suivi-Evaluation"

    MINISITERA DELEGE MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-984 tamin'ny 03 mai 2019 ary manendry ny Colonel RAJAONA ANDRIAMAHASOANAVALONA Tiana, ho Directeur du quartier général auprès du Commandement de la Gendarmerie nationale.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-285 tamin'ny 10 marsa 2021 ary manendry ny Général de brigade RATSIMBAZAFY Rinah Harivelo Erick, Commandant de la Circonscription de la Gendarmerie nationale de Toliara.
  • III - FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1431 tamin'ny 15 desambra 2021 nanendry ny Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana Matsiatra Ambony.
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1337 tamin'ny 24 novambra 2021 nanendry ny Talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana Atsimo Andrefana

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-569 tamin'ny 20 avrily 2022 nanendry ny Tale Jeneralin'ny Rano
    • Nolaniana ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-688 tamin'ny 11 mai 2022 ary nanendry ny Talen’ny fanadiovana.
  •  

 

Natao ny faha 02 mey 2024

Ny Fitaleavan’ny Serasera eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika