TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 28 novambra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany alarobia 28 novambra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, ary natrehin’ireo minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISTERAN’NY FITSARANA + MINISTERAN’NY NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA + MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fandoavana ireo latsakemboka izay anjaran’i Madagasikara amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ireto Fikambanana iraisam-pirenena manaraka ireto : Vondrona Afrikana (Union Africaine), Organisation des Etats Africains, Caraïbes et Pacifiques (OEACP), SADC ary COMESA.

    Nisy ny fahataràna teo amin’ny fandoavana ny latsak’emboka ka tapaka ary araka izany fa izay mbola tsy voaloa tamin’ny taona 2022 sy ny amin’ity taona 2023 dia aloa avy hatrany. Tombony ho antsika rahateo ny fandoavana io latsakemboka io mba ahafahana misitraka ireo tombon-tsoa maro azo amin’ny maha-mpikambana feno ao anatin’ireo Fikambanana iraisam-pirenena ireo.

    MINISTERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara izay aloa isan-taona amin’ny Maha-mpikambana azy ao amin’ny Fitsarana Ady Heloka Iraisam-pirenena (Cour Pénale Internationale) sy ny Fikambanan’ireo Fitsarana Avo Afrikana miteny Frantsay (Association Africaine des Hautes Juridictions Francophones (AA-HJF).

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola amin’ny fividianana ireo fitaovana ara-informatika ho an’ny Vaomieram-pirenena misahana ny Tsenam-baro-panjakana na ny « Commission Nationale des Marchés Publics (CNM) »

    Nanomboka tamin’ny volana oktobra 2022 dia mampiasa ny rindram-baiko antsoina hoe Procurement System Review (PRS) ny Vaomieram-pirenena misahana ny Tsenam-baro-panjakana na ny « CNM ». Io fitaovana io moa dia ahafahana mitondra fanatsarana fa indrindra ny mangarahara eo amin’ny fanaraha-maso ireo Tsenam-baro-panjakana. Mba ahafahana mampiasa an’io fitaovana io eo anivon’ireo Vaomieram-paritra misahana ny Tsenam-baro-panjakana rehetra anefa dia ilaina ny fividianana fitaovana ara-informatika. Izany indrindra no nahatonga izao fankatoavana izao mba hipàka manerana ny Nosy ny fanatsarana ny fanaraha-maso ireo Tsenam-baro-panjakana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiakarana ho 15 489 708 565 Ariary ny vola miditra sy ny fandaniana ao anatin’ny antsoina hoe “compte d’affectation spéciale” momba ny Famatsiana iombonan’ny Fanabeazana (Fonds Commun de l’Education) eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa ary ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasan’ny Antenimieran-doholona ny sora-bola enti-mamokatra na “crédit d’investissement” ao anatin’ny tetibolany mba ahafahany manao ireo asa fanarenana sy fampitaovana ny Lapan’ny Antenimieran-doholona ao Anosy.

    MINISTERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fandoavana ny ampahany faharoa amin’ny vola fanampiana na “subvention” ho an’ny fampandehanan-draharaha ho an’ireo Oniversite enina (06) ho an’ny taom-pianarana 2023-2024.

    Izany fanampiana izany moa dia natao indrindra mba ahafahan’ireo Oniversite miatrika ny fidiran’ny mpianatra manaraka. Satria moa tsy ampy ny sora-bola eo anivon’ny Ministera hiantohana manontolo ny fandoavana an’io fanampiana io, dia horaisin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny ampahany tsy ampy.

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasan’ny Ministera ny sora-bola entina hanatanterahana ny asa fanarenana ny Baka (bac) ao Befasy ao amin’ny lalam-pirenena RNT12, PK 142+000, mampitohy an’i Vangaindrano sy Taolagnaro.

    Efa hatramin’ny taona 2022 no tsy niasa intsony io Baka io noho ny fahasimbàna ka voatery nosoloina Baka vonjimaika (bac de déviation provisoire). Tsy mifanaraka amin’ny lamina fiarovana ny mpandeha anefa ity baka vonjimaika ity ka izany no antony mahamaika ny fanamboarana ilay baka izay misy fahasimbàna. Tanjona ihany koa amin’ity asa ity ny fisorohana ny mety hampitoka-monina ireo kaominina Ambanivohitra ao anatin’ny Distrikan’i Vangaindrano.

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY + MINISTERAN’ NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handoavan’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny onitra omena ireo olona izay manana fananana voakitiky ny tetikasa fanamboarana ny Fefilohan’i Kiembe ao Toliara.

    Ity asa ity dia natao indrindra hiarovana ireo faritra iva ao Mahavatse sy Kiembe amin’ny mety ho fiakaran’ny ranomasina sy amin’ny tondra-drano mety ateraky ny rotsak’orana be loatra. Isan’ny tanjona amin’ity asa fanamboarana ity ihany koa ny fampifandraisana ny fefiloha amin’ny lalam-pirenena RN7. Ny “Banque Européenne d'Investissement” (BEI) no mamatsy ny tetikasa ary ny fandoavana ny fanonerana kosa no fandraisana anjaran’ny Fanjakana. 

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana ampiasaina amin’ny fametrahana ny Fitaterana an-tariby ho an’ny ampahan-dalana mampitohy an’i Soarano sy Ivandry, ho an’ny zotra Volomboasary mampifandray an’Anosy sy Ambatobe,

    Ity fankatoavana ity dia mahakasika ny fandefasana entana laharana faha 10, 11, 12, 14, 15 ary 18.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISTERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    Noraisina ny volavolan-drijan-tenin-dalàna momba ny fehezan-dalàna mifehy ny Asa na “code du travail ».

    Eo anatrehan’ny zava-misy iainan’ny mpiasa sy ny mpampiasa eny anivon’ny orinasa isan-karazany dia hita taratra fa misy tokoa ireo banga ao anatin’ny fehezan-dalàna mifehy ny Asa. Izany indrindra no nahatonga ny firosoana tamin’ny fanovàna izany fehezan-dalàna izany ka raha fehezina dia ireto avy ny teboka voakasika :

    - Ireo sehatra azo ampiharana ny fehezan-dalàna momba ny Asa ;

    - Ny asa tsy an-tsitrapo ;

    - Ny fandrafetana ny fifanarahana arak’asa ;

    - Ny fampiatoana ny fifanarahana arak’asa ;

    - Ny filaminana eny anivon’ny asa ;

    - Ny fepetra manokana mifehy ny mpiasa mifindra monina sy ny fomba andraisana azy ;

    - Ny fitantanana ny tontolon’ny asa sy ny fampananana asa ;

    - Ireo andraikitr’ireo mpiantsehatra ao anatin’ny fiofanana arak’asa ;

    - Ireo sazy eo amin’ny sehatry ny asa.

     

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    GOUVERNEMENTA/ FIADIDIANA NY PRIMATIORA

    Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny didim-panjakana laharana faha 2017-031 tamin’ny 11 janoary 2017 ary anendrena an’Andriamatoa OLAF Francis, Tale ara-bolan’ny Conseil de Discipline Budgétaire et Financière (CDBF).

 

Natao ny 28 novambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella