TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 08 novambra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany Alarobia 08 Novambra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, ary natrehin’ireo minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ny Sekretera Jeneraly Lefitra ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiharana ny fandoavana ny haba sy hetra manokana antsoina hoe “droits et taxes spéciaux sur les produits miniers” amin’ny fanondranana mankany ivelany ireo harena an-kibon’ny tany.

    Ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany (code minier) vaovao dia milaza ao amin’ny andininy faha 283 fa dimy isan-jaton’ny (5%) tombam-bidin’ny vokatra izay aondrana ny tahan’izany haba sy hetra manokana izany ka ny 2% dia arotsaka ho an’ireo Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ary ny 3% kosa dia ho an’ny Fanjakana foibe sy ireo sampandraharaha ao aminy, anisan’izany ny ao amin’ny Fadintseranana. Hisy moa ny Didim-panjakana izay horaisina hamaritana ny fitsinjarana ireo 3% ireo.

    MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana samihafa natolotry ny fikambanana “APIC de la Réunion” ho an’ny Kaominina Ambanivohitra Sambaina.

    Ireo Fitaovana ireo izay ahitana seza, latabatra, akanjo, kiraro ary fitaovana ara-informatika isan-karazany dia natokana mba hampiasain’ireo Sekoly miankina amin’ny Fanjakana ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Sambaina, mba ahafahana mampiroborobo ny fampianarana ao anatin’izany Kaominina izany.

    MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo ronono antsoina hoe “Thérapeutic Milk F100 sy F75” avy amin’ny Famatsiambolan’ny Firenena Mikambana misahana ny Ankizy na ny UNICEF ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny Foibe Fanarenana sy Fanabeazana Ara-tsakafo na ny « Centre de Réhabilitation et d’Education Nutritionnelle Intensive (CRENI) » no hitantana io fanomezana io izay natao indrindra hanohanana ara-tsakafo ireo zaza marefo sy mila izany.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana antsoina hoe “Anatomic Model” natolotry ny Famatsiambolan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Mponina na ny “UNFPA” ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ireto fitaovana vao nafarana ireto moa dia natokana ho an’ny Foibe fiofanana antsoina hoe “Institut de Formation Inter-régional des Paramédicaux (IFIRP)” mba hahafahan’ireo Mpiofana hanao fizaran-tena amin’ny asa maha Mpampivelona na Infirmiera azy.

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasan’ny Ministera ny sorabola ilaina amin’ny asa fikojakojana ireo lalana, ao an-tampon-tanànan’Ambositra, izay vatsian’ny Fonds routier vola.

    Izany asa fikojakojana lalana izany dia mahakasika indrindra ireto ampahan-dalana manaraka ireto:

    -  Asa fanamboarana ireo lavaka eny amin’ny RNP4, RNP6, RNP7, RNS34, RNS27, RNS18, RNS15, RNS25, RNS3 A, RNS3 B, RNT41, RNT20, RNT 12 sy ireo lalana mampitohy an’Ambatry -Fotradrevo- Bekily ;

    - RNP7: PK 258+000 ka hatramin’ny PK 262+000 ;

    - Lalana mampitohy an’ireto toerana ireto : Manarintsoa sy Ampiadiamby, Manarintsoa sy AFOMA, Manarintsoa sy Ambohibary ;

    - Lalana “Carrefour” RNP7 260+200 mankeny amin’ny CSB II Volafotsy ;

    - Lalana “Carrefour” RNP7 PK 260+200 mankeny Ambalamahasoa

    - Tafiditra anatin’ireo asa sokajiana ho maika ireto asa fanamboaran-dalana ireto indrindra fa entina hiatrehana ny fotoan’ny rotsak’orana, ary tombanana ho efa-bolana ny faharetan’ny asa rehetra.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasan’ny Ministera ny sorabola hanaovana ny asa fikojakojana ireo baka (bac) miisa efatra (4) ao amin’ny Faritra Atsinanana izay vatsian’ny Fonds routier vola, ka mitsinjara toy izao :

    - Baka (Bac) ao Manonilaza Masomeloka (PK 137+800) ;

    - Baka (Bac) ao Andranotsara (PK 115+100) ;

    - Baka (Bac) ao Salehy, (PK 173+200) ;

    - Baka (Bac) ao Managisy (PK 12+000).

    Tanjona amin’ny fanamboarana an’ireto baka (bac) ireto moa ny hisorohana ny fitokana-monin’ny tanànan’I Mananjary, Mahanoro ary Marolambo, ary koa hanamorana ny fivevivezen’ny Mponina sy ny vokatra amin’ireo toerana ireo, indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny orana.

    MINISTERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanolorana ny drafitra ara-barotra (Plan d’affaires) an’ny Orinasam-pitaterana Madagascar Airlines.

    Eo anatrehan’ny tsy fananan’ny orinasam-pitaterana Madagascar Airlines Fiaramanidina, dia voatery manofa izy mba ahafahany manatanteraka ireo sidina isan-karazany entina hamaliana ny filàn’ireo Mpanjifa. Ho an’ny sidina anatiny dia Fiaramanidina miisa telo no miasa ankehitriny, ary hita fa tsy ampy izany raha ampitahaina amin’ny tinady eto an-toerana. Mahakasika ny sidina mankany ivelany (Eropa) kosa dia manofa Fiaramanidina ny orinasa ka ofaina miaraka aminy ihany koa ny ekipa miasa ao anatiny (équipage), ny saram-piantohana ary ny fikojakojana rehetra. Ity endrika fanofàna ity, izay antsoina hoe “ACMI” dia lafo dia lafo tokoa, manampy trotraka izany ny vidin’ny solika, hany ka niteraka fatiantoka lehibe ho an’ny orinasam-pitaterana.

    Noho izany dia voatery nandray fanapahan-kevitra ny hanajanona an’io fifanarahana “ACMI” io ny orinasam-pitaterana Madagascar Airlines. Vokatr’izay dia mihantona aloha ny sidina iraisam-pirenena mandra-piverina amin’ny laoniny ny lafiny ara-toekaren’ny orinasam-pitaterana. Eo anatrehan’izany dia efa misy ireo fepetra manokana noraisina mba handraisana an-tanana manokana an’ireo Mpanjifa izay efa nanao famandrihan-toerana na koa efa nividy ireo tapakila.

    Raha fehezina, dia handeha amin’ny andiany ny fanatanterahana an’ity Drafitra na “Plan d’affaires” ity ka ny dingana voalohany dia ny fanapahan-kevitra fa hifantoka bebe kokoa amin’ny fampiroboroboana ny sidina anatiny aloha ny orinasa, ka vinavinaina hitombo ny isan’ny Fiaramanidina hampiasaina amin’ny volana aprily 2024, ahitàna ny ATR 72 sy ny “Embraer E1”. Ny fanatsaràna ny tolotra anatiny dia heverina hanamora ny hirosoan’ny Orinasam-pitaterana amin’ny dingana manaraka dia ny fiverenana amin’ny fanatanterahana ny sidina iraisam-pirenena.

    Marihana fa misy ireo mpiara-miombon’antoka sy Mpamatsy vola iraisam-pirenena efa vonona hanampy amin’ny fanatanterahana ity drafitra ara-barotry ny Orinasam-pitaterana Madagascar Airlines ity.

    MINISTERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanavaozana ny fifanarahana mikasika ny fanjonoana lamatra (thons) ataon’ny Orinasa ANABAC ao amin’ny fari-dranomasin’I Madagasikara

    Mikasa hampiasa sambo mpanjono miisa 07 lehibe ity orinasa ity sy sambo lehibe fanampiny 01 ary lamatra ny karazana trondro izay jonoiny any amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Marihina moa fa mampiasa tantsambo Malagasy miisa 23 ity orinasa ity ary ny fifanarahana izay ifanaovany amin’ny ministera dia ao anatin’ny fanajana tanteraka ny didim-pitondrana laharana faha 31793/2023 tamin’ny 29 desambra 2021 izay mamaritra ny vola aloa amin’ny jono an-dranomasina atao amin’ny fari-dranomasina eo ambany fiadidian’I Madagasikara.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanavaozana ny fifanarahana mikasika ny fanjonoana ataon’ny Orinasa DAE YOUNG FISHERIES ao amin’ny fari-dranomasin’I Madagasikara.

    Ny orinasa dia mikasa hampiasa sambo mpanjono miisa 20 ary ny fifanarahana dia manaraka ny fifanarahana lasitra izay mampiditra ny fanamafisana ny fanaraha-maso, ny fizohiana sy ny fampiasana ny marika vaovao araka ny didim-pitondrana laharana faha 31793/2023 tamin’ny 29 desambra 2021 izay mamaritra ny vola aloa amin’ny jono an-dranomasina atao amin’ny fari-dranomasina eo ambany fiadidian’I Madagasika

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Ministera amin’ny asa fanamboarana, sy fametrahana ny rafitra famatsian-drano (AEP) ao Ampefiloha Ambodirano, Kaominina Antananarivo Renivohitra.

    Tanjona amin’izany ny hamatsy rano fisotro madio ireo toerana izay efa nisitraka ny asa fandavahana lava-drano niarahana tamin’ny Fikambanana “Association FITIA”, ihany koa, noho ny tsy fisian’ny rano fisotro madio ao Ampefiloha Ambodirano sy ny manodidina. Vinavinaina ho miisa 8 964 ny isan’ny mponina hisitraka rano fisotro madio amin’ity tetikasa ity.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy nomen’ny orinasa naharaiki-barotra (entreprises adjudicataires) ho an’ny asa fandavahana lava-drano ho an’ireo Trano lehibe miisa sivy (09) eny Ivato.

    Izany dia natao hanangonana sy hampiakarana rano mba hiantohana ny famatsian-drano eny an-toerana. Afaka hisitraka an’izany rano izany ihany koa ny biraon’ny Polisim-pirenena eny an-toerana, izay vao notokanana tamin’ny volana Septambra

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hiroso amin’ny fandaniana sy ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fandoavana ny onitra ho an’ireo olona izay voakasiky ny asa fanamboarana ny fitanterana an-tariby ao anatin’ny zotra Volomboasary mampitohy an’Anosy sy Ambatobe.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny Didim-panjakana anendrena ny Mpikambana vaovao sasantsasany ao amin’ ny Vaomieran’ny Fanaraha-maso akaiky ny Banky sy ny Fitantanam-bola na ny Commission de Supervision Bancaire et Financière (CSBF)

    MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Noraisina ny Didim-panjakana anendrena ny Filoha sy ny Filoha lefitry ny Filan-kevi-pitantanan’ny Ofisy Malagasy momba ny Akoranafo na “Office Malagasy des Hydrocarbures” (OMH).

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISTERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023-295 tamin'ny 22 martsa 2023 ary anendrena ny Général de Brigade DERA Zafindravolamananarivelo Didier, ho Commandant de Zone de Défense et de Sécurité d’Ikopa (Centre) Antananarivo auprès de l’Etat-Major des Armées

    MINISTERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1576 tamin'ny 25 novambra 2020 ary anendrena an’Andriamatoa RAKOTONDRAJAONA Holy Nirina Jean Luc, ho Tale Jeneralin’ny Institut Supérieur de Technologie ao Antananarivo.

 

Natao ny 08 novambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella