TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 22 martsa 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fikarakarana ny fikaonan-doha hanentanana ireo tompon’andraikitra ara-politika isan-tsokajiny amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna (prolifération illicite des armes) izay vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola. Ny 28 ka hatramin’ny 30 jona 2023 ho avy izao no hanatanterahana izany, ka hisy ireo manam-pahaizana manokana avy amin’ny « Expertise France » hiara-hiasa amin’ny fanentanana sy ny fikaonan-doha samihafa izay hatao. Raha tsiahivina dia nankatoa ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fivarotana fitaovam-piadiana na ny « Traité sur le Commerce des Armes » na TCA i Madagasikara, ka manana lalàna mifandraika amin’izany. Efa somary nilaozan’ny toetrandro io lalàna io ka misy, nanomboka ny taona 2018, ny tetikasa fanavaozana izany lalàna izany iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany. Tafiditra indrindra ao anatin’izany ny fikaonan-doha izay hotanterahina amin’ny volana jona 2023 ho avy io.

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanemorana ny datin’ny fifaninanana hidirana ao amin’ny Sekolim-pirenena ho an’ny mpandraharahan’ny Fonja, mikasika ny fandraisana ireo mpianatra ho « agents pénitentiaires » sy mpianatra « greffiers comptables d’administration pénitentiaire ». Raha tokony ny 24 ka hatramin’ny 26 martsa 2023 ho avy izao izany, dia hahemotra amin’ny 19 ka hatramin’ny 21 may 2023. Izany moa dia mba hiantohana ny fahatokisana an’ity fifaninanana ity, izay hiaraha-miasa amin’ny Minisitera misahana ny asam-panjakana sy ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly na BIANCO.

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    « Karatany tsotra, mora, manakaiky vahoaka » : nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandaminana ny fandrafetana sy ny fizarana ny karatany miisa roa tapitrisa na 2.000.000 manerana ny Nosy, mifanaraka amin’ny lasitra araka ny lalàna mifehy ny fananan-tany any anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Hisy ny hetsika antsoina hoe « herinandron’ny karatany ho an’ny Malagasy » isaky ny Faritra ka hiara-hisalahy amin’izany ny minisitera misahana ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, ireo minisitra mpiahy ny faritra tsirairay avy, ny governora ary ny lehiben’ny fileovana na préfet isaky ny faritra.

    Ny lafiny teknika ao anatin’ny fikarakarana ny karatany dia ny ekipa teknika ao amin’ny Minisitera ihany no miandraikitra azy. Ny fanentanana ny olompirenena hisoratra anarana hangataka karatany, ny fanisana ireo olompirenena afaka hisitraka ny karatany, ny fikarakarana ny « herinandron’ny karatany ho an’ny Malagasy » ary ny fanohanana amin’ny fikarakarana ny lanonam-pizarana izany kosa no andraikitra andrasana amin’ireo minisitra mpiahy, ny governora ary ny lehiben’ny fileovana isam-paritra. Tombanana ho karatany 10.000 isam-bolana isaky ny Faritra no ho vita sy voazara. Manomboka amin’ity volana martsa ity ny hetsika ary kendrena ho vita hatramin’ny desambra 2023 ny fandrafetana sy fizarana ireo karatany 2.000.000 ireo. Izany dia mba hanomezana antoka ny vahoaka amin’ny fiarovana ny taniny amin’ireo halatra tany izay ady laharam-pahamehana napetraky ny Filohan’ny Repoblika. 

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovana jery tombana an’ireo asa mialoha tokony hotanterahan’i Madagasikara ao anatin’ny fiarahamiasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Asa mialoha izay entina hanomanana ny fahazoantsika Malagasy ny fanampiana amin’ny tetibola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena mitentina 200 tapitrisa dolara amerikana. Efa misy ny asa mialoha maromaro izay efa tontosa ankehitriny, misy ny an-dalam-panatontosana amin’ny alalan’ny fandraisana didim-panjakana mifanaraka aminy, ary misy ny mbola andrasana ny fanombohana azy. Samy manana ny andraikiny araka ireo asa mialoha mbola hatao ireo avokoa ny Minisitera isan-tsokajiny, ka nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA ny hanafainganana ny fanatanterahana ireo asa mialoha ireo, hahafahantsika misitraka io fanampiana ara-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena io.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nandefa taratasy fangatahana fanampiana maika amin’ny maha-olona aty amin’ny Governemanta Malagasy ny Governemanta tiorka taorian’ny fisian’ilay horohoron-tany goavana (magnitude 7.7) izay nahazo an’i Turquie tamin’ny 6 febroary 2023 lasa teo. Ankehitriny dia vahoaka tiorka 7 tapitrisa no tsy manan-kialofana, any amin’ny ilany atsinanan’ny firenena. Fanafody, fitaovana ara-pitsaboana ary fitaovana manome hafanana mandeha amin’ny herinaratra no tena ilain’i Turquie ao anatin’ny hamehana. Koa satria ity firenena ity anisan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny firenena Malagasy eo amin’ny lafiny ara-bola, fiarovam-pirenena, fambolena, jono ary fizahan-tany, ary anisan’ny firenena mpandray anjara lehibe amin’ny fanampiana ho an’ny fampandrosoana (Aide Publique au Développement) any amin’ireo firenena mbola tsy mandroso (PMA), dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamalian’i Madagasikara ny fangatahana fanampiana ho an’i Turquie arakaraka ny fahafaha-manaony. Hiaraha-midinika amin’ny masoivohon’i Turquie eto Madagasikara ny endrik’io fanampiana azontsika Malagasy entina io.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana andiany faha-45 ho an’ny « Task Force » mikasika ny ady amin’ny fanadiovam-bola anatin’ny « Eastern and Southern Africa Anti-Money Laundering Group- ESAAMLG ». Ny 26 ka hatramin’ny 30 martsa 2023 ho avy izao no hatao io fivorian’ny vondrona io, any Arusha Tanzanie. Hisy ny fanaovana tombana ny firenena 3, dia i Madagasikara, Mozambique ary Seychelles amin’ny fivoarana vita mikasika izay ady atao amin’ny fanadiovam-bola izay, ka ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN no hitarika ny delegasiona Malagasy handray anjara amin’ny fivoriana.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Laharam-pahamehana ao anatin’ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana. Nanomboka ny taona 2020 dia tobim-pitsaboana CSB miisa 104 no voatsangana tany amin’ireo kaominina samihafa manerana an’i Madagasikara. Tamin’ny taona 2021 dia 59 tamin’izy ireo no efa afaka nisokatra sy mitsabo marary rehefa nahazo ny fampitaovana ilaina. Mbola misy araka izany CSB miisa 45 mila fampitaovana, koa nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famindrana tetibola ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka taona 2023 hahafahana mamatsy fitaovana ireo CSB 45 mba ho afaka hisokatra sy handray marary ihany koa. 

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Andalam-pahavitana ary hanomboka hiasa afaka volana vitsy ny lalamby mivezivezy eto an-drenivohitra na « train urbain » izay tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, amin’ireo fitaovana ilaina amin’io tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika dia ny « train urbain » hiodina eto Antananarivo io. Efa tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny andiany voalohany amin’ireo fitaovana ireo, tahaka ny lohamasinina na « locomotives », ny « wagons », ny kojakoja hampiodinana ny fiaran-dalamby, ny lalam-by sy ny « groupes électrogènes » miaraka aminy. Mbola hisy fitaovana andiany faharoa koa andrasana tsy ho ela ny fahatongavany eto Madagasikara.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Ny 27 oktobra 2021 dia nisy ny fampitana am-bava nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Governemanta, mikasika ny antso ho an’ny mpandraharaha tsy miankina avy eto an-toerana sy avy any ivelany, hanao fampiasam-bola amin’ny famokarana eo amin’ny fiompiana eto Madagasikara. Niroso tamin’ny asa ny Minisitera tompon’andraikitra taorian’izay ka nampahafantarina sy nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra androany ny vokatry ny antso ho an’izay fampiasam-bola izay.

    Orinasa 3 lehibe no nosafidiana tao anatin’izay, araka ny mason-tsivana nofaritana mialoha: fananana tetikasa azo tanterahina tsara na ny lafiny ara-teknika na ny lafiny ara-bola, tetikasa misy paikady fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena eny ifotony, manaja ny fenitra ara-tontolo iainana ary ny fomba amam-panao isam-paritra.

    Ireto avy ary ireo orinasa ireo :

    - HABIBO GROUP : hanao fiompiana omby vavy be ronono sy hamokatra ronono UHT, amin’ny faritra Atsinanana, Vakinankaratra ary Analamanga.

    - SINO-MALAGASY ANIMAL HUSBANDRY Co.Ltd : hanao fiompiana omby sy osy, hanome torohevitra amin’ny fampiroboroboana ny teknolojian’ny fiompiana, hanao fanafarana sy fivarotana fitaovana ara-indostrialy sy mekanika amin’ny fiompiana, any amin’ny Faritra Menabe.

    - SAVA FARM : hanao fiompiana akoho, hamokatra atody sy henan’akoho ary ronono velona, any amin’ny faritra SAVA, DIANA ary distrikan’i Antsiranana I.

    Hanampy ny fanatanterahana ireo tetikasa voafantina ireo ny Fanjakana Malagasy, amin’ny fametrahana fepetra tahaka ny fanamorana ny fitsanganan’ireo orinasa any amin’ireo faritra samihafa, ny fanomezana ireo torohay ilain’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fiompiana, ny fanamorana ny fampifandraisana ireo mpandraharaha amin’ny tantsaha mpamboly sy mpiompy any ifotony.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hanafatra “lubrifiants” ho an’ny orinasa GALANA DISTRIBUTION PETROLIERE. Araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery dia 5 taona no faharetan’ny fahazoan-dalana tahaka ITONY. Tamin’ny taona 2018 no nahazo izany ny orinasa izay tapitra tamin’ny 01 martsa 2023. Mazava ho azy fa tsy maintsy ialohavan’ny fandoavana ny sarany ara-panjakana takian’ny didim-panjakana lf : 2022-297 tamin’ny 09 marsa 2022 ny fahazoan’ny orinasa eo am-pelatanany ny fahazoan-dalana vaovao.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manamarina ny fahataperan’ny fepotoam-piasan’ny mpikambana teo anivon’ny Filan-kevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (Haut Conseil pour la Défense de la Démocratie et de l’Etat de Droit - HCDDED). Izany dia manaraka ny andininy faha-5 amin’ny lalàna lf : 2015-001 tamin’ny 12 Febroary 2015 izay mamaritra ny fepotoam-piasan’ny HCDDED ho 5 taona. Koa satria ny didim-panjakana lf : 2018-256 tamin’ny 23 martsa 2018 no nanendry tamin’ny fomba ofisialy ireo mpikambana ao anatiny, dia mifarana rahampitso 23 martsa 2023 araka izany ny fotoana hiasan’izy ireo araka ny lalàna manan-kery.

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana grady ho Jeneraly ny eo anivon’ny Foloalindahy Malagasy, dia ny tafika Malagasy an-tanety, an’habakabaka ary ny an-dranomasina, sy ny Zandarimariam-pirenena. Nampiandraiketana ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny famoahana ny lisitr’ireo nisitraka izany fanomezana grady Jeneraly izany, izay nahazo ny fankatoavan’ny Filan-kevitry ny Minisitra araka ny tolo-kevitra avy amin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 216 tamin'ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Colonel RAZAFY Andrianavoany Ratsisetrainarivo, ho "Commandant de Zone de Défense et de Sécurité d’Ikopa (Centre)" Antananarivo eo anivon’ny Etamazaorin'ireo Tafika
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 220 tamin'ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Général de Brigade ELIASY Andrianandrasanomenjanahary Jules, ho "Commandant de Zone de Défense et de Sécurité d’Andringitra" (Centre-Est) Fianarantsoa eo anivon’ny Etamazaorin'ireo Tafika.

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1359 tamin'ny 21 oktobra 2020 ary manendry an-dRamatoa ZARANIVO Ernestine, ho Lehiben'ny Distrikan'Ifanadiana.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1293 tamin'ny 08 septambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRAJOHA Fatimanirina Théodile, ho "Directeur des Affaires Administratives et Financières" (DAAF) an’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2009- 1088 tamin'ny 19 aogositra 2009 ary manendry an'Andriamatoa RAMANANTSOA Harriman, ho "Directeur des Affaires Administratives et Financières (DAAF) de l’Institut Supérieur de Technologie" Antsiranana.

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1571 tamin'ny 25 novambra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RAFANOMEZANTSOA Nirina Adrien, ho Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena ao Matsiatra Ambony

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015- 1495 tamin'ny 04 novambra 2015 ary manendry an'Andriamatoa RATSIMAMANGA Albert Sylla, ho Talen’ny "Centre Hospitalier Universitaire Fenoarivo"

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 118 tamin'ny 21 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RABEHARISOA Hajanirina, ho "Directeur du Génie Rural"(DGR)

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN’AFO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 824 tamin'ny 01 jona 2022 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANTSOA Ny Solofo Thierry, ho Sekretera Jeneralin'ny ministeran’ny angovo sy akoran’afo
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1300 tamin'ny 07 oktobra 2020 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIANIRINA Charles Mamityanah Erised, ho "Directeur des Systèmes d’Information"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 327 tamin'ny 11 martsa 2020 ary manendry an'Andriamatoa RASAMIMANANTSOA Olivier Rija, ho "Directeur des Affaires Juridiques"

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFINJATO Riana Vatosoa, ho "Directeur de l’Unité de Coordination des Organismes Rattachés"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 705 tamin'ny 01 jolay 2020 manendry an'Andriamatoa MARA Edena, ho Talem-paritry tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao Atsimo Andrefana
  • V- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 979 tamin'ny 29 septambra 2021 nanendry ny "Directeur des Partenariats et des Projets"

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 0997 tamin'ny 29 septambra 2021 nanendry ny Talen'ny seraseran'ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 916 tamin'ny 15 jona 2022 nanendry ny Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ao Atsimo Andrefana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 552 tamin'ny 27 may 2020 nanendry ny Directeur des Affaires Juridiques.

    MINISITERAN'NY ASA TANANA SY NY HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1066 tamin'ny 06 oktobra 2021 nanendry ny Talem-paritry ny asa tanana sy ny haitao ao Atsinanana

 

Natao ny 22 martsa 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO