TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 22 febroary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Niatrika ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany ireo valo mianadahy mpikambana vaovaon’ny Governemanta vao avy notendrena, ny alatsinainy 20 febroary 2023, niaraka tamin’ireo mpikambana hafa voatazona amin’ny toerany.

    Nanararaotra ny fotoana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nisaorana ireo mpikambana teo aloha tamin’ny asa vitan’izy ireo nandritra ny fotoana izay nitantanan’izy ireo ny minisitera niandraiketany avy, sy niarahabana ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta amin’ny endriny ankehitriny fa indrindra nanomezana tsodrano ireo minisitra vaovao, mba hahaleo hahalasana ka hahavita soa aman-tsara ireo andraikitra ankinina amin’izy ireo.

    Nitondra fanazavana ny Filohan’ny Repoblika fa matoa nasiana ny fanovana dia mba hitondrana fanatsarana bebe kokoa sy hanafainganana ihany koa ny asa, ny tetikasa sy ny fandaharanasa izay ho tanterahina eo anivon’ny sampandraharahan’ny minisitera tsirairay avy, ho fanasoavana ny vahoaka malagasy. Lehibe dia lehibe ny ezaka sy ny fanamby andrasana amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta satria takiana amin’izy ireo ny fanomezana vokatra azo tsapain-tanana ao anaty ny fohy ezaka mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy

    Nisy ny fampahatsiahivana nataon’ny Filohan’ny Repoblika mahakasika ny maha adidy masina ny asan’ny minisitra ka nilazany fa tsy ny fanendrena ho minisitra no zava-dehibe. Tsy fiafarana na « finalité » ny maha minisitra fa fanombohana ny fanatanterahana ireo adidy aman’andraikitra sy fanamby rehetra izay ankinin’ny fitondram-panjakana amin’izy ireo tsirairay avy. Notsipihan’ny Filoham-pirenena mazava tsara fa « ny fahatanterahana sy ny fahombiazan’ny iraka nampanaovina no tena zava-dehibe fa tsy ny fandehanana hanao ilay iraka fotsiny ».

    Mifanindran-dalana amin’ny fanovàna ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ny governemanta, dia tsy maintsy hirosoana ihany koa ny fanovana ny fomba fiasa manomboka izao, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika.

    - Tafiditra ao anatin’izany fomba fiasa vaovao izany ny tsy maintsy hametrahan’ny minisitra tsirairay avy tetiandro mifandraika amin’ny fanatanterahana ireo asa, tetikasa sy fandaharanasa tanterahin’ny minisiterany avy, ka mila havoitra anatin’izany ny zavatra ho tsapa sy ho hita ao anaty ny 03 volana sy 06 volana. Isaky ny minisitera, noho izany dia tsy maintsy misy ny fampahafantarana ao anaty ny fitantanana mangarahara eo anatrehan’ny vahoaka malagasy ny asa rehetra izay hatao, miaraka amin’ny fe-potoana hanatanterahana azy.

    - Noantitranterin’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny tsy maintsy hiasana ao anaty mangarahara. Noho izany dia hisy ny fandaharana manokana amin’ny haino aman-jerim-panjakana isan-kerinandro izay handraisan’ny minisitra tsirairay avy anjara, hampahafantaran’izy ireo ny asa izay hatao sy ny paikady sy vina hapetraka hanatrarana ny tanjona.

    - Nandritra io fotoana io ihany koa no nampatsiahivan’ny Filoham-pirenena tamin’ireo mpikambana rehetra mandrafitra ny governemanta, ireo toromarika samihafa mifandraika : amin’ny fitondran-tena mendrika tokony hananan’izy ireo eny amin’ny fiaraha-monina sy manoloana ny vahoaka, amin’ny maha tompon’andraikitra ambony azy ireo eto amin’ny Firenena. Nomarihiny tamin’izany ny fahaizana mandanjalanja ny fomba fiteny sy ny fihetsika, fa indrindra ny fitantanana mahitsy na « intégrité ».

    Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivodoza isika amin’izao fotoana izao, naneho ny fiaraha-miory amin’ireo mpiray tanindrazana namoy havana sy rava fananana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Freddy tamin’ny faritra maromaro eto Madagasikara ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Nisy ny fanentanana nataony ny amin’ny tokony hanamafisana ny firaisankina, ny fifanampiana sy ny fihavanana amin’ny maha Malagasy antsika. Nomeny toromarika, noho izany, ireo minisitra voakasika ny amin’ny tsy maintsy hametrahana fomba fiasa malaky sy haingana ahafahana manarina ireo simba sy hitondrana fanampiana ho an’ireo Malagasy traboina. Ny tenany manokana dia hidina ifotony any amin’ireo faritra izay tena voa mafy tamin’ny fandalovan’iny rivodoza iny.

    Rehefa vita ny lahateny nataon’ny Filoham-pirenena dia nomena fotoana ireo minisitra vaovao namelabelarana ireo laharam-pahamehana sy fanamby ho tanterahin’izy ireo ato anaty ny enim-bolana

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny fandraisana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny milina fanapotehana vy « McIntyre 500HD » miisa 02, izay fanomezana avy amin’ny « Fonds d'Affectation Volontaire du Traité sur le Commerce des Armes »

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa MIONJO dia nisy ny fifanarahana fampindramam-bola mitentina 200 tapitrisa dolara, izay nifanaovan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena, ny 17 desambra 2020.

    Ny tanjon’io tetikasa io dia ny hanatsarana ireo fotodrafitrasa fototra sy ireo asa fivelomana any amin’ireo faritra ambanivohitra any atsimon’ny Nosy, amin’ny alalan’ny fametrahana fampandrosoana andraisan’ny rehetra anjara izay manome lanja ireo vehivavy sy ankizy, sady hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tompon’andraikitra any an-toerana mba hampiroboroboana ny fandraisan’andraikitr’ireo mponina ho fanatsarana ny tanjona ara-toakaren’izy ireo.

    Ao anatin’izany dia misy ny fanomezan’ny Minisiteran’ny atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana fanampiana an’ny Sampam-pitantanana ny tetikasa MIONJO, amin’ny alalan’ny « Fonds de Développement Local » (FDL).

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, noho izany, ny fandefasana amin’ny alalan’ny FDL, ny fanampiana andiany voalohany mitentina 1.696.500.000 Ar ho an’ireo kaominina miisa 29, hanatanterahana ny andiany voalohany amin’ny fanarenana sy fanitarana biraon’ny kaominina ; sy ny fanampiana mitentina 9.160.948.492 Ar ho an’ireo kaominina miisa 26 ho fampandrosoana ireo fotodrafitrasa ara-tsosialy sy ara-toekarena maharitra, izay mifanaraka amin’ny tetiandron’ny drafitr’asa isan-taonan’ny tetikasa MIONJO.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola an-tanana ireo hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana entina hanatanterahina ny “Projet d’Appui au Développement du Menabe et du Melaky (AD2M) – Phase 2” izay vatsian’ny FIDA vola.

    MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA SOSIALY SY FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fa ny ivon’ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, 8 martsa 2023, dia hatao eto Antananarivo, Faritra Analamanga. Eo ambany fitarihan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina, ny lohahevitra entina hanamarihana izany manerana ireo Faritra 23 amin’ity taona ity dia “Fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy”.

    Nosafidiana manokana io lohahevitra io mba hanentanana ireo tompon’andraiki-panjakana, ireo mpisehatra rehetra ary ny vahoaka iray manontolo mba hihetsika amin’ny fanatsarana ny fahafahan’ireo ankizy vavy malagasy misitraka fanabezana sy fanomezana ireo vehivavy malagasy fahafahana hahaleo tena.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 052 tamin'ny 12 janoary 2022 manendry an'Atoa. FANOLANA REFONIRA Augustin, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy fananan-tany ao Androy

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa NDREMITSARA Jean Baptiste Tarzan, ho Tale Jeneralin'ny "Institut National de la Statistique"
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RANDRIANOELY Herilala Augustin, ho "Directeur de la Surveillance Douanière"

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RABEMANANTENA Herschel Faguet, ho " Directeur d’Appui Technique, de la Logistique et du Patrimoine"

    Noraisina ny didim-panjakana, manafoana ireo fanendrena sasantsany ary manendry ireto Governora manaraka ireto :

    • Governoran'ny Faritra Diana : Atoa. RAKOTOMANGA Taciano
    • Governoran'ny Faritra Amoron’i Mania: Ramatoa FOMENDRAZA Haingo Elisette
    • Governoran'ny Faritra Ihorombe: Docteur Clarisse Eugénie RAMANANJARASOA
    • Governoran'ny Faritra Alaotra Mangoro: Docteur RAMAROSANDRATANA Guy

 

Natao ny 22 febroary 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO