TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 2 novambra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    Nialohan’ny fandinihana ny laha-diniky ny Filan-kevitry ny Minisitra androany, dia nitondra ny teny fisaorana ho an’ny vahoaka Malagasy, ny mpandraharaha Malagasy sy vahiny, ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpampiasa vola namaly ny antso sy ny tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA, noho ny fahavitan’ny “Forum National des Investissements pour l’Emergence de Madagascar” ny herinandro lasa teo

    Fahombiazana no hita, satria mazava amin’ny vahoaka Malagasy ny dingan-dava efa vita sy ny mbola hotanterahina amin’ny fanatrarana ny fahataran’ny fampandrosoana an’i Madagasikara araka ny vinan’ny Filoha sy ny velirano nataony tamin’ny vahoaka, izay voarakitra ao anatin’ny PEM na ny “Planina Entina Mampandroso an’i Madagasikara”. Tsapa ihany koa ny fiverenan’ny fahatokisan’ny mpampiasa vola sy ny mpandraharaha Malagasy efa misehatra eto an-toerana, ary ny faharisin’ireo mpandraharaha vaovao te hampiasa vola eto Madagasikara, ary nankasitrahan’izy ireo ny fisian’ny fahavononana sy ny ezaka ataon’ny Fanjakana hametraka tontolo mahasarika ny mpampiasa vola. Nahavelom-bolo koa satria efa hita mivaingana sahady ny vokatra raha ireo fifanarahampiaraha-miasa efa nosoniavina tao anatin’ny 2 andro nanaovana ny fikaonan-doha. Hanomboka tsy ho ela moa ny ankamaroan’ireo tetikasa goavana izay vita sonia nandritra ity fikaonan-doha natao teny amin’ny CCI Ivato ity.

    Araka ny fanazavana efa nentina moa dia hitohy amin’ny volana Martsa 2023 indray ny fihaonana amin’ireo mpampiasa vola sy mpiara-miombon’antoka vahiny (Forum International des Investissements pour l’Emergence de Madagascar) izay dingana manaraka hatao. Tsiahivina hatrany fa efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny PEM avokoa ny firenena Malagasy ankehitriny, ny fikaonan-doha indroa miantoana izay natao sy mbola hatao dia fanohizana ny ezaka rehetra efa natomboka ny taona 2019.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny tany mampiasa sy miteny frantsay (OIF) andiany faha-18. Ny 19 sy ny 20 novambra 2022 no hanatontosana izany any Djerba, Tunisie.

    « La connectivité dans la diversité: le numérique, vecteur de développement et de solidarité dans l’espace francophone » no lohahevitra amin’ity fihaonana an-tampony ity, izay ialohavan’ny fivorian’ny Minisitra avy amin’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny OIF andiany faha-43. Ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA no hitarika ny delegasiona Malagasy, ary handray anjara fitenenana izy hampahafantatra ny ezaka nataon’ny firenena malagasy amin’ny fiarahamiasa miaraka amin’ny OIF.

    Marihina fa mandritra ity fihaonana an-tampony ity dia hisy koa ny “Village francophone” sy ny “Forum Economique Francophone”.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana tetibola ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ao anatin’ny « Nouveaux Projets Emergents » (NPE) ho an’ny taona 2022.

    Ho tafiditra ao anatin’ireo tetikasa NPE ireo ny fividianana “motos” miisa 80 ho an’ireo CIRFIN (Circonscription financière) any amin’ny toerana lavitra sy saro-dalana, ny fananganana biraon’ny CIRFIN any Antanambao Manampotsy Atsinanana, Ambatomainty Melaky, Mananara Avaratra Analanjirofo, fananganana biraon’ny hetra (centres fiscaux) any Ampanihy Atsimo Andrefana sy Bealanana Sofia, fananganana ny « brigade cynophile » any Nosy Be, fanarenana ny biraon’ny « perception principale » Ifanadiana Vatovavy, « trésorerie générale » Ambovombe Androy, fanarenana ny fefin’ny birao any Farafangana Atsimo Atsinanana, ny fividianana milina « distributeurs automatiques de billets » sy « Terminal de paiement électronique » miisa 82 hampiasaina amin’ireo sampandraharaha fandraisana na fandoavam-bola eo anivon’ny Minisiteran’ny fitantanam-bola miparitaka manerana ny Nosy, famitana ny fanamboarana ny biraon’ny Fitaleavamparitry ny Minisitera any Ambatondrazaka Alaotra Mangoro, Morondava Menabe ary Sambava SAVA, fividianana fitaovana ara-informatika ho an’ny Vaomieran’ny Tsenan’asam-panjakana (CNM) izay hotsinjaraina amin’ny faritra 23. Ho an’ny sampandraharaha AMD (Agence de Micro-Réalisation pour le Développement) ihany koa izay eo ambany fiadidian’ny Minisiteran’ny Toekarena sy Fitantanam-bola dia nekena ny famatsiam-bola ny tetikasa fampidirana rano any Toliara II ary ny fananganana kianja filalaovana baolina kitra ho ana sekoly miisa 23 any Betroka Ihorombe. Farany dia nekena ihany koa ny fanomezana famatsiam-bola an’ireo tetikasampampandrosoana hiandraiketan’ny CCPREAS izay mbola sampan-draharaha eo ambany fiadidian’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola koa. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny fanamboarana ny Sekoly Lycée Saint Jean Paul II sy ny trano fandraisana « Résidence des Pères » ao Soavinandriana Itasy. Ao koa ny fanampiana ny fiangonana any Sahavola Fenoarivo Atsinanana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana finday avo lenta « smartphones » miisa 149 mitentina 26.820 USD izay fanampiana azon’ny Vaomiera Mahaleo Tena Misahana ny Fifidianana (CENI) avy amin’ny Governemanta Norveziana, tafiditra ao anatin’ny fanohanana ataon’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD).

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    Mitohy amin’ny fanaovana ny fanatsarana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana lavanila ny fitondram-panjakana ankehitriny. Araka ny tolo-kevitra avy amin’ny Filan-kevim-pirenen’ny Lavanila (CNV) dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fisokafan’ny taom-panondranana ny lavanila efa voaomana (vanille préparée) ho an’ny 2022-2023, ny 15 novambra 2022 sy ny famaranana izany ny 31 may 2023. Ankoatra izay dia nankatoavina koa ny hamoahana boky tari-dalana (manuel de procédure) mampahafantatra ny dingana samihafa arahina amin’ny fomba fanondranana lavanila efa voaomana.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana manokana hanalefahana ny dingana ara-panjakana amin’ny fanaovana tsenan’asam-panjakana ho fanatanterahana ny tetikasa « Nouveaux Projets Emergents » (NPE) ho an’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Izany dia ahafahana mampihena araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery ny faharetan’ny tolo-bidy ho 15 andro, noho ny hamehana. Io fepetra io dia mahakasika tsenan’asam-panjakana ho fampitaovana sy ho fanajariana ny tokotany sy fefy ho an’ireo « Campus » vaovao miisa 4 (Antalaha, Soavinandriana, Fenoarivo Atsinanana, Antsirabe) sy ny toeram-patorian’ny mpianatra miisa 6 (Antsirabe, Fenoarivo Be, Soavinandriana, Ankatso I, Ankatso II, Antsiranana) izay efa nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra herinandro vitsivitsy lasa izay.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Ho fanohanan’ny Fitondram-panjakana manokana ny sehatry ny fanabeazana, dia nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana fanampina teti-bola manokana ho an’ny Sampan-draharaha ONEP (Office National de l’Enseignement Privé) hanampiana ny Sekoly tsy Miankina, ho an’ny taom-pianarana 2 mifanesy, ampahany ho an’ny fanampiana mbola tsy voaloa tamin’ny taom-pianarana 2021- 2022 sy ampahany ho an’ny taom-pianarana vaovao 2022-2023. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana tohana ho an’ireo mpampianatra amin’ny Sekoly tsy Miankina, izay raha 24.000 Ar izany teo aloha dia nakarina ho 50.000 Ar izay hampiharina nanomboka tamin’ny taom-pianarana 2021-2022. Mpampianatra amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa (primaire- collège) miisa 10.119 mitsinjara amin’ny Sekoly miisa 5.950 manerana ny Nosy, ary mpampianatra eny amin’ny « Lycée » miisa 682 miparitaka amin’ny Sekoly miisa 974 no hisitraka izany tohana avy amin’ny Fanjakana izany. Hisy koa ny fanohanana ireo Sekoly ambaratonga voalohany tsy miankina mba hanalefahana ny vesatra iantsorohan’ny raiamandrenin’ny mpianatra, ka sekoly miisa 744 manerana ny Nosy no hisitraka izany. Ary farany dia hisy koa ny fanampiana amin’ny fampandehanan-draharaha amin’ireo Vondrona Sekoly tsy Miankina, dia ireto avy izany : Sekoly Advantista, CEEC (Commission Episcopale Pour l’Education et l’Enseignement Catholique), FFSM (Fitalevana Nasionalin’ny Sekoly tsy Miankina Rainisoalambo – Fiangonana fifohazam-panahy Soatanana eto Madagasikara) ary ny SMT (Fitaleavana Nasionalin’ny Sekoly Miahy Tena) ka Sekoly miisa 4.259 avy amin’ireo Vondrommpampianarana tsy miankina ireo no hisitraka ny tohana.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Ho tohin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra herinandro vitsivitsy lasa izay, mba hanampiana ireo tantsaha misedra olana noho ny fiakaran’ny vidin’ny zezika sy ny masomboly ankehitriny, dia nankatoavina androany ny fampiasana ilay 4 lavitrisa Ariary natokan’ny Fanjakana hividianana maika zezika sy masomboly hitsinjovana ny taom-pambolena 2022-2023 izay manomboka amin’ity volana novambra 2022 ka hatramin’ny jona 2023. Tantsaha mpamokatra miisa 42.906 no hisitraka izany zezika sy masomboly izany, ka ny 45% amin’izy ireo dia vehivavy na fikambanam-behivavy tantsaha, hiparitaka amin’ny faritra miisa 20. Nomena alalana ny Minisitera mba hahazo fanalefahana amin’ny dingana arahina amin’ny tsenan’asam-panjakana eo amin’ny fividianana sy fitsinjarana ireo zezika sy masomboly ireo.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fitaovana natolotry ny Governemanta Japoney ho an’i Madagasikara, ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa REEFFISH, GCP/RAF/520/JPN.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny saram-pitahirizana sy ny “surestaries » eo anivon’ny fadin-tseranana, mikasika ny fitaovana ilaina amin’ny tetikasa angovo azo avaozina sy fanomezana herinaratra ny any ambanivohitra, any amin’ny Kaominina maromaro ao amin’ny Distrikan’i Bealanana Faritra Sofia. Nanome toromarika hentitra kosa ny Filohan’ny Repoblika mba hisy ny fifampiraharahana amin’ny orinasa misahana ireo fitahirizan’entana ireo satria midangana dia midangana ny sarany tokony aloa.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny saram-pitahirizana sy ny “surestaries » eo anivon’ny fadin-tseranana, mikasika ny fitaovana ilaina amin’ny tetikasa angovo azo avaozina sy fanomezana herinaratra ny any ambanivohitra, any amin’ny Kaominina Tsarazaza, Distrikan’i Fandriana Faritra Amoron’i Mania. Nanome toromarika hentitra kosa ny Filohan’ny Repoblika mba hisy ny fifampiraharahana amin’ny orinasa misahana ireo fitahirizan’entana ireo satria midangana dia midangana ny sarany tokony aloa.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny saram-pitahirizana sy ny “surestaries » eo anivon’ny fadin-tseranana, mikasika ny fitaovana ilaina amin’ny tetikasa angovo azo avaozina sy fanomezana herinaratra ny any ambanivohitra, any amin’ny Kaominina Ambanizana – Tsiafajavona sy Masoarivo - Tongobory, any amin’ny Distrikan’i Ambatolampy – Antsalova. Nanome toromarika hentitra kosa ny Filohan’ny Repoblika mba hisy ny fifampiraharahana amin’ny orinasa misahana ireo fitahirizan’entana ireo satria midangana dia midangana ny sarany tokony aloa.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA+ MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny saran-dalana sy ny fanomanana ny fahatongavan’ireo mpianatra nahazo vatsim-pianarana handeha any Maroc. Izany dia vokatry ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny OFPPT (Office de la Formation Professionnelle et de la Promotion du Travail) avy amin’ny Fanjakana Marokana sy ny AMCI (Agence Marocaine de Coopération Internationale) andaniny, ary ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofana Arak’asa Malagasy ankilany. Araka io fifanarahana io dia mpianatra Malagasy 20 isan-taona no hisitraka ny vatsim-pianarana ka halefa hanovo fiofanana ara-teknika any Maroc, anjaran’ny Fanjakana Malagasy kosa no miantoka ny saran-dalana sy ny tambin-karama fiorenana rehefa tonga any an-toerana ireo mpianatra.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1114 tamin'ny 09 septambra 2020 ary manendry an'Atoa. RABEFENARA Louis Velombita, ho Lehiben'ny Distrikan'i Maroantsetra.

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015- 1427 tamin'ny 24 oktobra 2015 ary manendry an'Atoa. RAMANJATO Richard Paulin, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Prefektioran'i Morondava.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo "Directeurs d’Ecoles Doctorales à l’Université de Fianarantsoa"

    MINISITERAN'NY FAHASALAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAJAOBARY Herizo Haritiana, ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Alaotra Mangoro

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1058 tamin'ny 26 aogositra 2020 ary manendry an'Atoa. ANDRIANANTENAINA Jimmi Christian, ho Tale iraisam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao Boeny sy Betsiboka.

Natao ny 2 novambra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO