TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 12 JANOARY 2022

 

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN'NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavina ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny haba sy hetra an’ireo « dons humanitaires », izay azon’ny Kaominina Ambonivohitr’i Fort Dauphin ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny tanànan’i OISSEL (Frantsa)

    Nankatoavina ny fandraisana ireo fanomezana (na dons) sy ny fandraisana an-tanana ireo “Droits et taxes” tamin’ny fanafarana ireo fitaovana informatika nomen’ny PNUD ho an’ny Minisiteran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana sy ho an’ireo rantsa-mangaikany. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fametrahana ny rafitra fitantanana informatika amin’ny fanaraha-maso ny omby, izay ao anatin’ny “Projet de renforcement des mécanismes institutionnels et inclusifs pour la consolidation de la paix dans le Sud”.

    Ny Fanjakana ampian’ireo mpiara-miombon’antoka dia manao ezaka iadiana amin’ny fanadiovana ireo omby halatra, any amin’ireo Faritra mena eto Madagasikara. Natao izany amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fitantanana informatika ny taratasin’omby ary koa ny rafitra fanaraha-maso ny omby.

    Ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana dia nanafatra fitaovana informatika ho an’ny Distrikan’i Betroka, lhosy, lakora, Midongy Atsimo, Amboasary Atsimo ary Bekily, sehatr’asa izay tafiditra amin’ny fanamafisana ny fandriam-pahalemana any Atsimo.

    Nankatoavina ny fangatahana fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ireo « Droits et Taxes » nanafarana an’ireo fiara miisa telo « marque TOYOTA » fanomezana avy amin’ny PNUD ho an’ny Fanjakana Malagasy. Ny Minisiteran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana no hampiasa ireo fiara ireo.

    Nankatoavina ny Fanàlana sy famindràna ny masomboly apemby na sorgho nafaran’ny FAO ao amin’ny SPAT (Seranan-tsambo Toamasina) sy ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ireo « droits et taxes » nanafarana » ireo masomboly izay ao anatin’ny « Projet d'urgence » izay tanterahina any Atsimo ary vatsian’ny Tetikasa Mionjo vola.

    Ireo masomboly apemby nafarana avy any ivelany ireo dia ahafahana miantoka ny fanentanana ara-pambolena any Atsimo.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fangatahana fanomezan-dalana manokana handraisan’ny Fanjakana an-tanana ireo « Droits et Taxes» nanafarana ny pasipaoro elektronika malagasy.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fampidirana vonjimaika fiara, fitaovana lehibe fanamboaran-dalana sy fahazoan-dalana hamoaka ireo fitaovana fanorenana sy ireo kojakoja fanolo mifandraika amin’ny fanatanterahana ny asa fanamboarana indray ny tetezana roa dia Mangoro sy Antsampazana, ao amin’ny lalam-pirenena faha-2.

    Ny Governemantan’ny Repoblikan’i Madagasikara dia nangataka fanampiana tamin’ny governemantan’i Japon ao anatin’ny drafitry ny tetikasa hanatsarana ny tetezana roa ao amin'ny lalam-pirenena faha-2 izay vatsiana famatsiam-bola tsy averina.

    - Tetezana Mangoro PK 94+200,

    - Tetezana Antsapazana (Antsirinala) PK 105+460

    Ny governemantan’i Japon, amin’ny alalan’ny « Agence Japonaise de Coopération Internationale » (JICA), dia nametraka ny fanatanterahana ny asa ho an’ny orinasa Japoney « Daiho Corporation » sy « Konoike Construction » ao anatin’ny fe-potoana 24 volana manomboka ny 18 Octobra 2021.

     

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavina ny fanafoanana ireo sampan-draharaha miisa 04 amin’ireo 09 miankina amin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga na “organisms rattachés”.

    Ireto avy izany :

     Centre d’Etude et de Développement de la Pêche (CEDP)

    - Unité de Recherche Langoustière (URL)

    - Unité de la Statistique Thonière d’Antsiranana (USTA)

    - Observatoire Economique de la Pêche et de l’Aquaculture (OEPA)

    Azo atao tsara tokoa mantsy ny mametraka « directions » hiandraikitra ny asan’ireo « organismes rattachés » ireo.

    Raha fehezina izany dia ireto dimy ireto sisa no « organismes rattachés » amin’ity minisitera ity dia ny :

    - Autorité Sanitaire Halieutique (ASH)

    - Centre de Surveillance de Pêche (CSP)

    - Agence Malgache de la Pêche et de l’Aquaculture (AMPA)

    - Centre de Développement de l’Aquaculture (CDA)

    - Centre de Distribution des Produits Halieutiques de Majunga (CDPHM)

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nankatoavina ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny « Droits et Taxes » na DTI hanafarana an’ireo karatra e-Poketra miisa 250 000

     

    Izany dia ao anatin’ny tetikasa fanovàna ara-nomerika ny fandoavam-bola eo anivon'ny fitantanana ary koa ny fametrahana ny famantarana ara-nomerika ireo mpiasam-panjakana. Nanafatra ireo karatra ireo araka izany ny minisitera vao haingana ary hozaraina ho an’ireo mpahazo tombontsoa amin’ny rafitra fandoavam-bola ara-nomerika andiany voalohany an’ny Fanjakana Malagasy.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manitsy sy mameno ireo fepetra sasany ao amin’ny didim-panjakana laharana faha-2017-014 tamin’ny 04 janoary 2017 mikasika ny famerenana ny fandaminana ny « Fonds de Développement Local ».
  • III- FANENDRENA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Division DERAMASINJAKA Rakotoarivelo Manantsoa, ho « Directeur Général des Organismes de Défense » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-044 tamin’ny 13 janoary 2021 ary manendry ny Général de Division RAMAHAVONJY Gérard José, ho « Inspecteur Général » eo anivon’ny « Inspection Générale des Armées ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-930 tamin’ny 03 may 2019 ary manendry ny Général de Brigade RAOILISON Robert, ho « Directeur des Affaires Militaires » eo anivon’ny « Secrétariat Permanent à la Défense et à la Sécurité Nationale du Haut Conseil de la Défense Nationale ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-363 tamin’ny 19 martsa 2019 ary manendry ny Vice-Amiral RANDRIANARISOA Marosoa Nonenana, ho « Secrétaire Permanent à la Défense et à la Sécurité Nationale » eo anivon’ny « Haut Conseil de la Défense Nationale ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-046 tamin’ny 13 janoary 2021 ary manendry ny Colonel RAMANOELINA Andrianantenaina Olivier, ho « Inspecteur auprès de l’Inspection Générale des Armées ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-977 tamin’ny 19 jona 2015 ary manendry ny Médecin Général de Brigade RATOVONDRAINY Willy, ho « Directeur Technique du Centre Hospitalier de Soavinandriana ».

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-015 tamin’ny 15 janoary 2020 ary manendry an’Andriamatoa IRAMANJAFINIMALO Rafaly Oméga, ho « Directeur Général de l’Administration Pénitentiaire » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFINTSALAMA Désiré, ho « Directeur Général de l’Ecole Nationale de l’Administration Pénitentiaire ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MAVINTA Foch Ferry, ho « Directeur Administratif et Financier » an’ny « Ecole Nationale de l’Administration Pénitentiaire ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAVELONJATOVO Tahina Kérèn Akasia, ho « Directeur des Études de l’École Nationale de l’Administration Pénitentiaire ».
    • Norasina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-606 tamin’ny 27 jona 2018 ary manendry an-dRamatoa FIGARO Adelaïde Francka, ho « Directeur Régional de l’Administration Pénitentiaire » ao amin’ny faritra Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-066 tamin’ny 4 martsa 2021, ary manendry an-dRamatoa RAMINOHARIMALALA Lisy Miadanirina ho « Directeur de la Formation Initiale des Elèves Magistrats » eo anivon’ny « Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1530 tamin’ny 18 novambra 2020, ary manendry an’Andriamatoa RAZANAKOTO Fanomezantsoa Danick ho « Directeur Régional de l’Administration Pénitentiaire » any Matsiatra Ambony.

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1116 tamin’ny 09 septambra 2020, ary manendry an’ Andriamatoa RAMAROSON Moïse ho Prefet an’i Farafangana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014-1522 tamin’ny 25 septambra 2014 ary manendry an’ Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA Hubert ho « Chef de District » an’i Mandoto.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-016 tamin’ny 15 janoary 2020, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANAIVOJAONA Navalona Rafanoharana ho « Chef de District » an’i Betroka.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-836 tamin’ny 24 aprily 2019, ary manendry an’Andriamatoa SOLONDRAZANA Jacquinot ho Préfet an’i Maintirano.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2009-1044 tamin’ny 04 aogositra 2009, ary manendry an-dRamatoa TOLONATREHANA Mahavità Ida, ho « Chef de District d’Antananarivo III ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MANAY Alison Fabrice ho « Chef de District » an’i Miandrivazo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1361 tamin’ny 21 oktobra 2020, ary manendry an’Andriamatoa HERINJAKATAHINA Hajanarivo Laza Fanantenana Charles ho « Chef de District » an’Ambohimahasoa.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1699 tamin’ny 04 septambra 2019, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANANDRASANA Liva Alain ho « Chef de District » an’i Vatomandry.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-170 tamin’ny 19 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMIARAMANANA Lalasoa, ho « Chef de District » an’i Soalala.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2014-1532 tamin’ny 25 septambra 2014, ary manendry an’Andriamatoa HERILAZA Jeannoni ho « Chef de District » an’Ankazobe.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-829 tamin’ny 24 aprily 2019, ary manendry an-dRamatoa RAHANTASOA Yolande ho « Directeur des Statistiques et de la Comptabilité Douanière » eo anivon’ny « Direction générale des douanes » / Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-642 tamin’ny 10 aprily 2019, ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMAHAZOSOA Headman Elia ho « Directeur des Affaires Juridiques et de la Lutte contre la Fraude » eo anivon’ny « Direction générale des Douanes »/ Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOARIMANANA Hery Njaka ho « Directeur des Opérations Financières » eo anivon’ny « Direction générale du Trésor »/ Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1009 tamin’ny 20 aogositra 2020, ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANARIVO Jafetra Ramanoara, ho « Directeur de la Solde et des Pensions » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-758 tamin’ny 17 aprily 2019, ary manendry an’Andriamatoa « HONG-WA Stephen », ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any amin’ny Faritra Sava.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTONIRINA Jeanson Daniel, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any amin’ny Faritra Fitovinany.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-237 tamin’ny 26 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANILANA Haja, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-242 tamin’ny 26 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANAMBININA Solo Aimé, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any amin’ny Faritra Androy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-226 tamin’ny 26 febroary 2020, ary manendry an-dRamatoa RAZANATSAHONY Anna Marie Claire, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any amin’ny Faritra Anosy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-243 tamin’ny 26 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa MARA Edena, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-231 tamin’ny 26 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMAMAHATRA Solofonirina Mamy, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any amin’ny Faritra Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-240 tamin’ny 26 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa VIVANT Roger Akoné, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any amin’ny Faritra Menabe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-233 tamin’ny 26 fabroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa RAMILA Elysé Totozandrimandimby, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any amin’ny Faritra Vatovavy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-235 tamin’ny 26 febroary 2020, ary manendry an-dRamatoa RATSIMBAZAFITAHIANA Alida, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any amin’ny Faritra Ihorombe.

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABESON Christian, ho « Directeur de la Réforme de la Fonction Publique » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1183 tamin’ny 06 jona 2019, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANANDRASANA Denis Pierre, ho « Directeur Régional du Travail, de l’Emploi, de la Fonction Publique et des Lois Sociales » an’ny Faritra Analamanga.

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa KOTOSON Louise Miranda, ho « Directeur Régional du Tourisme » any Analanjirofo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1366 tamin’ny 03 jolay 2019, ary manendry an-dRamatoa RASANJISON Lalà, ho « Directeur Interrégional du Tourisme » Vakinankaratra - Amoron’i Mania.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ABDOU Soamadou Bine Morchid, ho « Directeur Régional du Tourisme » Atsimo Andrefana.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAMAHALEOMIARANTSOA Fanjason Jacques, ho « Directeur de l’Ecole du Génie Civil et du Génie Naval » an’ny « Institut Supérieur de Technologie d’Antsiranana » (IST-D).

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-185 tamin’ny 17 febroary 2021, ary manendry an’Andriamatoa RAKOTORAHALAHY Jean René, ho « Directeur Régional de la Santé Publique de la Région Betsiboka » an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMIRA Ranoason, ho « Directeur Régional de la Communication et de la Culture » ao amin’ny Faritra Analamanga.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-230 tamin’ny 26 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa ZAFILEBA Ferrier Odilon, ho « Directeur Régional » an’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-233 tamin’ny 26 fabroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa MAHITAVELO Zafindro Andréas Delphin, ho « Directeur Régional » an’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy any amin’ny Faritra Fitovinany.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-227 tamin’ny 26 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa RAHERINIRINA Petera Bien-Aimé, ho « Directeur Régional » an’ny Ministeran’ny Asa Vaventy any amin’ny Faritra Boeny.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RIJAMALALA Dera Jimmy, ho « Directeur Régional » an’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy any amin’ny Faritra Betsiboka.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-773 tamin’ny 16 jolay 2020, ary manendry an’Andriamatoa TOMBO Ghislain, ho « Directeur Régional de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène » an’ny Faritra Diana
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-555 tamin’ny 27 mey 2020, ary manendry an’Andriamatoa RALAMBOSAMIMANANA Mamy Nirina, ho « Directeur de l’Alimentation en Eau » eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy Fidiovana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-809 tamin’ny 23 jolay 2020, ary manendry an-dRamatoa RANAIVO Voninala, ho « Directeur de la Cellule de la Recherche et du Développement » eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy Fidiovana

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-774 tamin’ny 17 aprily 2019, ary manendry an’Andriamatoa FENOZANDRY Etienne, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » (DRAE) any Diana.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABARISOLOARITEFY Zoniavotra, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny faritra Matsiatra Ambony.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ISAIA ISSAH Aleph, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIAMANANTSOA Jasper, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Anosy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RATSITOHAINA Lala Mihaja, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Boeny.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa M. BEANJARA Nomé, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Sofia.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRABE Georges, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Ihorombe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAHARIMANDIMBY Simon, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa LEBENY Tsihay Marcelline, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Bongolava.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa KAZY Hantasoa Rosine, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Androy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRENJARIVELO Tsiry Niaina, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Menabe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARIMALALA Sylvie, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Diana.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Brigade MIASA Manohizara Toussaint, ho « Inspecteur » ao amin’ny « Inspection Générale de la Gendarmerie nationale »
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY ATI-TANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2014-695 tamin’ny 04 jona 2014 nanendry ny « Directeur Général de l’Administration du Territoire » an’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana

    MINISITERAN’NY SERASERA sy ny KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1247 tamin’ny 06 jona 2019 nanendry ny « Directeur Régional de la Communication et de la Culture » any amin’ny Faritra Analanjirofo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-673 tamin’ny 24 jona 2020 nanendry ny « Directeur de la Promotion de la Langue Malagasy » an’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Natao androany faha 12 janoary 2022

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika