TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA MANOKANA

ZOMA 03 SEPTAMBRA 2021

NOTANTERAHINA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA MANOKANA IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY MINISITRA VOAKASIKY NY SEHATRA HODINIHINA

  • I- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA :

    Nankatoavina ny didim-panjakana izay manambara ny fahataperan’ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblika

    Manoloana ny fivoaran’ny valanaretina Covid-19 eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara izay nahitana fa efa latsaka faran’izay ambany ny tahan’ny isan’ny olona voan’ny « Covid 19 » dia nampiantso Filankevitry ny Minisitra manokana ny Filoham-pirenena anio faha 3 septambra 2021, izay nanapahana fa hatsahatra ny hamehana ara-pahasalamana (état d’urgence sanitaire) eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

    Entanina hatrany anefa isika rehetra mba hanaja ny fepetra arapahasalamana hisorohana ny mety ho fiverenan’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid 19 indray, ka anisan’izany ny fanaovana hatrany ny arovava-orona, ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy ny savony ary ireo fepetra sakana (gestes barrières) efa nohajaina hatramin’izay.

                                 

Natao androany faha alarobia 3 septambra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika