TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 01 SEPTAMBRA 2021

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA :

    FAMPAHAFANTARANA MIFANDRAIKA AMIN'NY FAHAZOANA VAKSINY JOHNSON & JOHNSON MIISA MANODIDINA NY 8.000.000 FATRA na 8 millions de DOSES

    Ao anatin'ny fampiharana ny drafitra Nasionaly momba ny fanapariahana sy fanaovana vaksiny hiadiana amin'ny Covid-19 dia hanafatra vaksiny miisa 8.000.000 fatra Johnson & Johnson ny fanjakana Malagasy. Marihina fa vokatry ny fifandresen-dahatra teo amin’ny fitondram-panjakana sy ny Banky Iraisam-pirenena dia nahazo famatsiam-bola tsy haverina mitentina 100.000.000 dolara hividianana vaksiny sy hanohanana ny sehatry ny fahasalamana mba hiatrehana ny valanaretina Covid-19 i Madagasikara. Io famatsiam-bola io no hanafarana ny vaksiny Johnson & Johnson izay anisan’ny vaksiny nankatoavin’ny « Académie Nationale de Médecine de Madagascar »

    Misy koa ny ampahany amin’io famatsiam-bola io natokana hividianana « scanners », « radiographies numériques », ary « ambulances », ary hanofana drônes itondrana ny vaksiny sy ny fanafody amin’ny faritra saro-dalana. 

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny didim-panjakana na décret d’avance hahafahana mampiditra ao anatin’ny tetibolan’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny fanampiana izay mitentina 375.333.000.000ariary, mifandraika amin’ny fanomezana IDA n°D893-MG ho amin’ny tetikasa fanampiana amin’ny fahazoana vaksiny fanefitry ny Covid-19 sy ho fanamafisana ny rafipahasalamana izay ao anatin’ny programa stratejika momba ny fiomanana sy fiadiana ny Covid-19. Ity didim-panjakana ity dia hohamafisin’ny lalàna mifehy ny tetibola ho avy. Ao anatin’ny efatra taona (2021 – 2024) no hampiasana io vola io. 

  • III- FANENDRENA

     MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA:

       
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-387 tamin’ny 04 aprily 2020, ary manendry ny Général de Brigade RAMBININTSAOTRA Lanto Ny-Aina ho « Sous-Chef d’EtatMajor en charge de la Chaîne Organique de l’Etat-Major des Armées ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-635 tamin’ny 24 jona 2020, ary manendry ny Colonel RAZAFIMAHATRATRA Hery, ho « Directeur du Bureau Contrôle et Audit des Armées de l’Etat-Major des Armées »
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-392 tamin’ny 04 aprily 2020, ary manendry ny Colonel RAVELONARIVO Guilliano Gaston, ho « Directeur Interarmées de la Logistique et du Soutien de l’Etat-Major des Armées ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-376 tamin’ny 04 aprily 2020, ary manendry ny Colonel RANDRIAMAMPITA Nainaharinjatovo ho « Sous-Chef d’Etat-Major Administration » eo anivon’ny « Etat-Major de l’Armée de l’Air ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-386 tamin’ny 04 aprily 2020, ary manendry ny Général de Brigade ANDRIANAIVOHERY Bearison Philippe ho « Directeur Interarmées du Renseignement Militaire de l’Etat-Major des Armées ».
    •  

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

       
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa RABENANDRASANA Téophil ho Tale Jeneraly misahana ireo Sekoly eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena
    •  

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

       
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016-0281 tamin’ny 20 aprily 2016, ary manendry an’Atoa RAHARISON Tsihory Ravakiniaina ho « Directeur des Affaires Administratives et Financières du Ministère de la Santé Publique ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ireo didim-panjakana laharana faha 2020-0484 tamin’ny 16 may 2020 sy laharana faha 2019-0690 tamin’ny 10 aprily 2019, ary manendry an’Atoa RAZAFIMAHATRATRA Rado ho « Directeur Général de la Fourniture des Soins du Ministère de la Santé Publique ».
    •  

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

       
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-299 tamin’ny 07 martsa 2019, ary manendry ny Général de Brigade RABEARIMAHEFA Andrianjanaka ho « Directeur des Ressources Humaines du Secrétariat d’Etat » eo anivon’ny Fiarovampirenena miadidy ny Zandarimaria.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-339 tamin’ny 11 aprily 2018, ary manendry ny Colonel RANDRIANTSARA Ihajaniaina Eric ho « Directeur de la Planification, du Suivi et de l’Evaluation du Secrétariat d’Etat » eo anivon’ny Fiarovampirenena miadidy ny Zandarimaria.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-297 tamin’ny 07 martsa 2019, ary manendry ny Général de division KASSIMO Arona Besony ho « Directeur Général de la Sécurité Routière ».
    •  
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

       
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-090 tamin’ny 27 janoary 2021 nanendry ny « Chef d’Unité de Communication » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena
    •  

                                 

Natao androany faha alarobia 1 septambra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika