TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE »
07 APRILY 2021

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    NOHAMAFISINA  IREO  FEPETRA  HIADIANA AMIN’NY VALANARETINA COVID-19 :

    Nohamafisina  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny fanatanterahana ireo fepetra rehetra nambaran’Atoa Filoha nandritra ny kabary nataony hoentina miatrika ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina COVID-19:

    - Ny Ampitomboina ireo CTC mandray marary eto Antananarivo, efa nisokatra ny etsy Alarobia nanomboka omaly, hisokatra tsy ho ela ny etsy Ankorondrano, ny etsy amin’ny By Pass noho ny fitombon’ny marary. Miampy ny etsy Mahamasina, Village Voara ary etsy Ivato (MMBC ex CCO) izay efa niasa  andro  vitsivitsy  izao.  Ireo    CHU  hopitaly  lehibe  rehetra  eto  an- drenivohitra  dia itohy  ny  fandraisana mararin’ny  Covid  “formes  graves” arakaraky  ny  fisian’ny  toerana  satria  hampitomboina  ireo  “services” ho vahana  hahafahana  mandray  ireo  marary  tena  misy  fahasarotana.  Tsy azon’ny fianakaviana atao ny mamangy na manaraka ireo olona voan’ny covid any amin’ny CTC sy ny  toeram-pitsaboana. Ferana ho olona iray ihany no mahazo manatitra sakafo ho an’ny fianakaviana, izay tsy tokony hifanerasera amin’ireo marary mihitsy fa omena ny tompon’andraikitra ny sakafo ateriny ho an’ilay marary.
    - Hisy ny lamina manokana handrindrana ny fitantanana ireo fanafody fitsaboana ny covid ka hisy ny fanaraha-maso izany eny anivon’ny CTC, ny Hopitaly ary ireo CSB. Tsara marihana fa tsy tokony hividy ny fanafody natokana hitsaboana amin’ny covid ireo marary eny anivon’ireo toeram- pitsaboana ara-panjakana : toy ny azythromicine, magnésium, vitamine C, lovenox,  dexamethasone, CVO, CVO Plus.  Iharan’ny  fanasaziana  goavana ireo  izay tompon’andraikitra mivarotra izany. Ny fanafody fitsaboana aretina mitaiza sy ireo aretina hafa kosa dia ny marary ihany no miantoka izany

    - Mitohy ny fametrahana sy famatsiana oxygène ireo toerana mandray mararin’ny Covid.

    - Tsy andoavam-bola ny fanaovana fitiliana Covid etsy amin’ny HJRA sy etsy amin’ny Village Voara ary maimaim-poana ny fanomezana ny taratasy fanamarihana  ny  fitiliana.  Iharan’ny  fanasaziana  ireo  izay  mitaky  vola amin’ireo olona tonga manao fitiliana.

    - Hamafisina fa maimaim-poana ny fanaovana scanner mahakasika ny COVID eny amin’ireo hopitaly manarapenitra rehetra manerana ny Nosy.

    - Hisy ireo fiara manokana ahitana miaramila sy mpitsabo hitety ireo faritra ahitana marary betsaka, ka izy ireo no hizara fanafody sy hijery ifotony ireo marary sy ireo mitondra ny otrikaretina na ireo ahiana ho mitondra ny otrikaretina  manerana  an’Antananarivo  sy  ny  manodidina  (approche syndromique).

    - Manao  antso  avo  ny  fitondram-panjakana  ho an’ireo  mpitsabo  sy mpitsabo  mpanampy  tsara  sitrapo  izay  vonona  hanolo-tanana  amin’ny fitsaboana ireo mararin’ny aretina covid any amin’ny hopitaly sy ny CTC rehetra manerana ny Nosy. Afaka manatona ny ministeran’ny fahasalamana izy  ireo  manomboka  rahampitso ao  amin’ny  kabinetran’ny  Minisitry  ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fanaovana ny taratasy sy ny fifanaraham- piaraha-miasa amin’izany.

    - Hametraka  ireo  hotely/hopitaly  isika  hanampiana  ny  toerana handraisana  ireo  mararin’ny  Covid.  Hametrahana  mpitsabo  miisa  02, mpitsabo mpanampy miisa 8, sy fanafody fitsaboana momba ny covid ary “concentrateurs  d’oxygène” ireo  toerana  ireo.  Handoavam-bola  kosa  io toeram-pandraisana marary vaovao io, fa ny fanjakana no hamaritra ny sandan’izany miaraka amin’ny tompon’ny hotely fandraisam-bahiny.

    - Ho an’ireo sidina anatiny izay mbola afaka miodina ankehitriny dia manao fitiliana eny amin’ny seranam-piaramanidina avokoa, ireo mpandeha rehetra ka adin’ny 03 mialoha ny fiaingana no ahatongavan’izy ireo eny amin’ny seranana mba hanamorana ny fanatanterahana izany.

    FAMATSIAN-DRANO FISOTRO MADIO ANY ATSIMO:

    Maroalimainty,  Andranobory,  Tsihombe  no  hisitraka  ireo  fitaovana fanadiovan-drano  masira  ho  lasa  rano  fisotro  madio  (machine  de désalinisation)  izay  novidiana.    Noraisin’ny  fanjakana  an-tanana  ny fandoavana ny tomban’ny sandam-bola nividianana ireo milina ireo araka ny fankatoavana nataon’ny Filankevitry ny Minisitra androany.

    FANANGANANA NY « TASK FORCES » BAS MANGOKY:

    Nomen’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  alalana  ny  fananganana «task forces» handrindra sy handamina ny fanatanterahana ny tetikasa fanajariana ny lemak’i Bas Mangoky mirefy 60.000ha iarahana amin’ny orinasa Elite Agro LLC.  Ity  tetikasa  ity  dia  hatao  hampitomboana  ny  vokatra ara-tsakafo vokarina eto Madagasikara mba hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ao anatin’ny fotoana fohy. Manana ny fahaiza-manao manokana io orinasa io, ka izy no hampita izany sy hampiroborobo izany eto amintsika, ary ny vokatra vokarin’izy ireo dia amidy amin’ny vidiny mirary eto amin’ny tsena anatiny avokoa ny 70% ary ny 30% kosa dia omen’izy ireo ny fanjakana malagasy maimaim-poana.

    Ministera sy tompon’andraikitra maro no ifandrimbona ao anatin’izany « task forces » izany ka ahitana ny ministeran’ny fambolena, ny fiompiana ary ny  jono,  ny  ministeran’ny  fanajariana  ny  tany  sy  ny  asa  vaventy,  ny ministeran’ny  rano,  ny  fidiovana  ary  ny  fanadiovana,  ny  ministeran’ny fitaterana  sy  ny  fizahantany  ary  ny  famantarana  ny  toetrandro,  ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana, ny orinasa SPM, ireo olom-boafidy any amin’ny faritr’i Menabe, ireo tompon’andraikitry ny faritra any Menabe izay voakasiky ny tetikasa

  • II - FANENDRENA :

    Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manendry ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto :

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny    Minisitry  ny  ati-tany  sy  ny  fitsinjaram- pahefana :

    • Atoa  SOLONANTENAINA  Therass  Jacquard,  dia  voatendry  hoe lehiben’ny distrikan’i Miandrivazo.

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy :

    • Ramatoa ANDRIANTSITOHARA Attianna Fara, dia voatendry ho Tale misahana ny « Etudes et des Normes ». 
    • Ramatoa RABARY Niry Sariaka, dia voatendry ho Talem-paritra ao Itasy.
    • Ramatoa  ANDRIAMISANDRATSOA  née  ANDRIANARISOA  Nancy Rambao, dia voatendry ho Tale mpandrindra ny fitantana ara-bola ao amin’ny « Fonds National Foncier (FNF) ».
    • Ramatoa  MAMINIAINA  Lié,  dia  voatendry  ho  Tale  misahana  ny « Recherches et Développement » ao amin’ny  Fonds National Foncier (FNF).

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Fahasalamam-Bahoaka :

    • Atoa  ANDRIANARIVELO  Andry  Maharo,  dia  voatendry  hoe  Tale mitantana ny « Laboratoire d’Analyse Médicale Malagasy ».
    • Ramatoa RAVAOARISOA Lantonirina, dia voatendry ho Tale Jeneraly misahana ny « Institut National de Santé Publique et Communautaire ».

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy :

    • Ramatoa SOAZANDRY Josuette, dia voatendry ho Talem-paritra ao Diana.
  • III - FANAFOANANA :

    Tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ireto fanafoanana manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Governemanta :

    • Foana ny didim-pitondrana laharana faha-2019-254 tamin’ny 07 mars 2019 nanendrena ny « Directeur de la Législation et du Contentieux ».
    • Foana ny didim-pitondrana laharana faha-2018-562 tamin’ny 20 jona 2018 nanendrena ny Sekretera Jeneralin’ny Governemanta. 

                                 

Natao androany faha 07 Aprily 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika