TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY
«VISIOCONFERENCE » NY 31 MARTSA 2021

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANIO NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    NOHAMAFISINA  IREO  FEPETRA  HIADIANA  AMIN’NY  VALANARETINA COVID 19

    Nohamafisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny fepetra rehetra noraisina ary ny paika sy ny drafitra hoentina miatrika ny ady amin’ny fihanaky ny valanaretina COVID-19:

    IRETO   NY   FEPETRA   VAOVAO   HAPETRAKA   MANOMBOKA   IZAO HANAMPY IREO EFA MIPETRAKA :

    - Ny CSB no mandray ny « formes légères » ireo izay mahatsiaro ho mikohaka  sy  reraka  ary  tsy  dia  tomombana  tsara  ny fahasalamany  ka mitondra ireo soritr’aretina. Ireo CTC 19 kosa indray, dia mandray ireo « formes modérées » izany hoe ireo manomboka mihasempotra ka heverin’ny mpitsabo fa afaka mbola ampiasana ireo “concentrateurs d’oxygène”. Ireo hopitaly  kosa  no  mandray  ny  « formes graves »  izany  hoe  ireo  efa  tena sempotra be sy mila fanarahana manokana mihitsy ny toe-pahasalamany. Raha Antananarivo manokana dia etsy Mahamasina, Village Voara ary etsy Ivato (MBC ex CCO) no misy ireo Centre de Traitement du COVID 19 na CTC-19 ary miisa 28 ireo CSB afaka mandray ireo marary. Ireo  CHU hopitaly lehibe rehetra eto an-drenivohitra dia mandray ny mararin’ny Covid formes graves avokoa ary efa nisy ireo services novahana ahafahana mandray ireo marary tena misy fahasarotana.
    - Hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina dia haharitra 15 andro ny fialan-tsasatry ny mpianatra mandritra ny Paska izay hanomboka ny zoma izao. Ny Oniversite ihany koa dia hisy fialan-tsasatra mandritra ny 15 andro manomboka ny zoma ho avy izao ihany koa.

    - Hividy ao anatin’ny fotoana fohy “générateurs d’oxygène” ny fanjakana hanampiana ireo efa misy any amin’ny hopitaly mandray ireo mararin’ny COVID  19. Ary  omena  fahafahana  manokana  ny  Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka  amin’ny  fikarohana  ny  tolo-bidy ara-dalàna mahakasika izany.

    - 914 no laharana an-tariby afaka hiantsoana ny BIS amin’ny fanarahana ireo mitondra ny otrikaretina coronavirus ary hampitomboina ny ambulances hoentin’izy ireo maka ireo marary mamonjy toeram-pitsaboana.

    - Hanao fanadiovana faobe ireo toerana rehetra mandray olona manerana ny faritra ny ministeran’ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana ary ilaina tohizan’ireo toerana mahazo izany ireo fanadiovana ary koa ny fametrahana ireo fitaovana fanadiovana tanana .

    - Omena fahazoan-dalana ireo toerana fivarotam-panafody  mba ho afaka mivarotra avy hatrany ireo « protocole de traitement COVID19 » ho an’ireo izay mividy izany any amin’izy ireo mivantana. Hamafisina ny fanomezana CVO plus ho an’ireo rehetra mitondra ny otrikaretina. Ary tokony hampiharian’ireo mpitsabo rehetra mandray ireo marary na any amin’ny sehatra tsy miankina na tsia ireo  « protocole de soins » mba hahafahana mandray an-tanana haingana  ireo  marary  mitondra  ny  soritr’aretina  mba  hisorohana  ny fahatongavana amin’ny formes graves.

    - Haverina hatsangana ao anatin’ny fotoana fohy ny PNGM  (Plate forme Nationale de Gestion Médicale) hatao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena etsy Mahamasina mba hahafahana mifehy ny fihanaky ny valanaretina.

    FIARAHAMIASA AMIN’NY FMI

    Mipetraka  ny  fitokisan’ny  mpamatsy  vola  iraisam-pirenena an’i Madagasikara. Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny fankatoavan’ny filankevim-pitantanan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ny fanampiana amin’ny alalan’ny FEC na ny Facilité Elargie de Crédit mitentina 312,4 tapitrisa dolara. Fandaharanasa vaovao mandritra ny 40 volana no  nifanarahana  izay  mifandrindra  amin’ny  politikam-panarenana  entin’ny fanjakana indrindra ny Planina Entina Manarina an’i Madagasikara na ny PEM ary koa hanamafisana ny ady amin’ny valanaretina COVID 19 sy ireo fanatsarana  ary  fanamafisana  ara-toekarena  rehetra  entin’ny  fitondram- panjakana ankehitriny.

    FANANGANANA NY TANAMASOANDRO :

    Nomen’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  alalana  ny  fanafainganana ny fotoana ahafahana manao ny tolo-bidy  amin’ny fananganana « immeubles » miisa 20, ny fanaovana ny « réseau d’assainissement » ao Tanamasoandro, ny fanaovana ny lalana ao Tanamasoandro ary ny fandrindrana ny firafitry ny tanàna vaovao . Nekena ihany koa ny fanatanterahana ny tsenam-barotra manokana  amin’ny  fanaovana  ny  fanadihadiana  ara-tontolo  iainana ao anatin’ny fotoana voafetra.

    FANARAHA-MASO NY FIVEZIVEZEN’NY OMBY :

    Hanamafisana  ny  ady  amin’ny  halatr’omby  dia nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, ny fandraisana didim-pitondrana hanarahana ireo omby miisa 1 hetsy any amin’ireto faritra ireto : Anosy - Androy - Atsimo Andrefana - Ihorombe, araka ny teknolojia vaovao miisa 2 izay efa miasa ankehitriny ka hoentina hanoloana ny bokin’omby any aoriana. Hiitatra manerana ny Nosy ny fampiasana azy io ao aoriana. 

    HATSANGANA NY « MUSEE DE L’AUDIOVISUEL » ETSY AMIN’NY ORTM ANOSY :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hananganana “auditorium” lehibe afaka handray olona hatramin’ny 1500. Hisy ny fanangonana ireo vakoka rehetra nanomboka tamin’ny fijoroan’ny RNM tany amin’ny 90 taona lasa ary ireo tahirin-tsary sy tahirim-peo rehetra hatrizay sy ny fivoaran’ny fitaovana  ao  anatin’ny  haino  aman-jerim-panjakana,  ary  hapetraka  ao anatin’io  Mozea  ho an’ny  haino  aman-jery  etsy  Anosy  io.  Hisy  “studio d’enregistrement” manaraka ny toetrandro ihany koa ao anatin’io toerana vao harenina etsy Anosy io.

  • II – FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA SY DIDIM-PANJAKANA :

    Araka ny tolo_kevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy :

    • Noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra androany ny volavolan- dalàna  mikasika  ny    Fanajariana  ny  Tany iarahantsika  miasa  amin’ny Royaume de Maroc izay natao sonia ny taona 2006, mba hanamafy ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny tany roa tonta, araka ny fehezan-dalàna mifehy ny tany tsirairay avy.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fambolena fiompiana ary ny jono :

    • Noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra androany ny didim-panjakana hanatsarana ny fitantanana ny jono makamba an-dranomasina eto  Madagasikara.  Izany  dia  mifototra  amin’ny  famaritana  vaovao  ireo toerana ahafahana manao ny jono makamba ara-indostrialy, ny famerana ho 50 ny fahazoan-dalana mitrandraka izay hiparitaka manerana ireo faritra 06 ahafahana manao izany ary tsy hihoatra ny 05 taona ny fahazoan-dalana iray. Hisy ihany koa ny fanomezana « licence de pêche crevettière » izay tokony handoavana hetra isan-taona, hetra mifandraika amin’ny asa fitrandrahana, hetra miompana amin’ny hamaroan’ny jono makamba ataon’ilay sambo, ary ny hetra miompana amin’ny fanjonoana hazan-drano hafa voasarika anaty harato. Noraisina ao anatin’ny fepetra voarakitr’io didim-panjakana io ihany koa ny fahafahana manaisotra ny fahazoan-dalana rehetra mitrandraka ho an’ireo izay mandika ny fehezan-dalana apetraka.
  • III- FANENDRENA :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Governemanta

    • M. RAKOTO Elie Clément, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly Lefitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Governemanta.

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Fiarovam-pirenena :

    • Colonel RASEHENOSON Raymond Patricia, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanam-bola eo anivon’ny OTME
    • Colonel RATSIMBAZAFY Jean Damascène, dia voatendry ho Tale misahana ny fifandraisan-davitra sy ny « Système de Surveillance » ao amin’ny OTME.
    • Général de Brigade Aérienne RANDRIANASOLO Fils Hyppolite, dia voatendry ho Major Général ny tafika an’habakabaka ao anatin’ny Etamazaoron’ny Tafika an’habakabaka.

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny fitsarana :

    • Ramatoa   SAVATSARAH   RABY   Gabrielle   Ain’Harimanga,   dia voatendry ho Sekretera Jeneraly

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry  ny  fampianarana  teknika  sy  ny fanofanana arak’asa :

    • Atoa RAVELOMAHARAVO Jean Rufin, dia voatendry ho Talem-paritra ao Vakinakaratra.
    • Atoa BEMENA Albert, dia voatendry ho Talem-paritra ao Diana.
    • Atoa  MANDIMBILAZA  Noeriko  Sylvain,  dia  voatendry  ho  Talem- paritra ao Boeny.
    • Atoa RAVELONTSOA Edson, dia voatendry ho Talem-paritra ao Alaotra Mangoro.
    • Atoa  ELIHARISAONA  Jocelyn  Jacques,  dia  voatendry  ho  Talem- paritra ao Amoron’i Mania.
    • Atoa LIVA Florent Justin, dia voatendry ho Talem-paritra Menabe.

    Araka ny tolo-kevitry ny minisitry ny Fahasalamam-Bahoaka :

    • Ramatoa RAHARIMAMONJY Laliarisoa, dia voatendry ho Talem- paritra Analamanga

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny asa, ny asam-panjakana ary ny lalana sosialy :

    • Atoa ZOARIMANANA Chan Sew Wah Angelot, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanam-bola ao amin’ny INFA.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina :

    • Atoa RANDRIAMANANTENA Elie, dia voatendry ho « Conservateur de l’Office du Site d’Ambohimanga Rova » (OSCAR)

                                 

Natao androany faha 31 Martsa 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika