TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

- ALAROBIA 20 JANOARY 2021 -

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    MILA HARINDRA HIFANARAKA AMIN’NY FAHEFA-MIVIDY ETO MADAGASIKARA NY VIDIN-JIRO SY RANO:

    Mila harindra haingana mba hifanaraka amin’ny fahefa-mividy sy ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara izay vao avy nisedra ny olan’ny valan’aretina ny vidin-jiro sy rano hampiharin’ny orinasa JIRAMA, araka ny fanapahan’ny  Filankevitry  ny  Minisitra.  Tokony tsy  mbola  hihatra  ny fampiakarana ny saran’ny jiro sy rano mba ho entina mitsinjo ny fiainam- bahoaka sy ny fiainan’ny isan-tokantrano. Ao anatin’ny 48 ora no ilaina hahavitan’izany mba hahafahana mitsinjo ny mety ho olana ara-tsosialy ateraky ny fiakaran’ny vidin-jiro sy rano.

    Marihana fa ny orinasa JIRAMA dia mbola mandray ny « subvention » anarivo tapitrisa ariary avy amin’ny fitondram-panjakana foibe, noho izany ilaina  ny  fampidinan’ny  orinasa  JIRAMA  ny  saran’ny  jiro  sy  rano  izay mahakasika  mivantana  ny  fiainam-bahoaka.  Efa  napetraka  avokoa  ireo paikady rehetra mba hitanana ny vidin’ny jiro sy rano mba tsy hiakatra ary tokony hitohy ireo ezaka efa natomboka sy efa natao hatrizay.

    Omena 48 ora ny JIRAMA handamina ireo faktiora izay tsy takatry ny rehetra intsony  ny  fanefana ireo  sarany  vaovao izay nampiharina vao haingana, kanefa hita sy tsapa fa mihoampampana ka tsy takatry ny fahefa- mividy intsony. Ilaina ny fakana ny hevitry ny Minisitera mpiahy sy ny Governemanta manontolo amin’ny fampiakarana ny vidin-jiro sy rano izay misy fiantraikany be eo amin’ny fiainan’ny mponina saika manerana ny Nosy.

    IREO FAMATSIAN-DRANO ANY ATSIMO :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny “Droit et Taxe à l’Importation” (DTI), mikasika ireo fitaovana ara-teknika  hoentina manome  rano  fisotro  madio  amin’ny  alalan’ny famadihana  ny  ranomasina  ho  rano  madio  any  Atsimo  (les  matériels techniques  de  désalinisation), natao  hiadiana  amin’ny  Kere  sy  ny  tsy fahampian-drano any Atsimo.

    MIKASIKA ILAY VOLAMENA ANY AFRIKA ATSIMO :

    Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra fa eo an- dalam-piaraha-miasa  tanteraka  ny  fitondrana  Afrikana  Tatsimo  sy  ny Fitondrana Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ny Minisiteran’ny Fitsarana mikasika ilay raharaha volamena tratra tany Afrika atsimo. 

    Nalefa any am-pela-tanan’ny Departemanta Afrikana Tatsimo avokoa ireo antontan-taratasy rehetra manodidina ity raharaha ity. Efa nalefa ihany koa  ny  “mandat  d’arrêt  international” ho an’ireo  voarohirohy  amin’ity raharaha ity ary mitohy ny famotorana na eto an-toerana na any Afrika Atsimo. Efa nisy ny fangatahana ny famerenana ireo olona ireo sy ny entana eto Madagasikara (Demande d’extradition). Hisy fifanatonana bebe kokoa amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo hanamafisana ny fifampiraharahana ara-diplomatika amin’ny firenena Afrikana Tatsimo mba hanatanterahana ny raharaham-pitsarana eto Madagasikara ka hamerenana ny volamena eto Madagasikara satria dia voaporofo fa niainga avy eto an-toerana ireo ary teratany Malagasy ireo voarohirohy nitondra ny volamena an-tsokosoko tany an-toerana.  Ny  governemanta  dia  tsy  mitsahatra  ny  miady  amin’ny fanondranana  an-tsokosoko  ireo  harem-pirenena rehetra  indrindra  ny volamena sy ny vatosoa.

  • II- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • Atoa RABETAFIKA Harison Tsilavina, dia voatendry ho Tale misahana ny « Formation Initiale des Elèves Magistrats (DFIM) » ao amin’ny Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes.
    • Ratoa RAKOTOARISAONA Tahiana Lucette, dia voatendry ho Tale misahana ny « Formation Continue, de l’E-learning et du Partenariat ao amin’ny Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes.
    • Atoa RAMIANDRISOA  Freddy  Etienne,  dia voatendry  ho  Tale misahana ny « Formation Initiale des Greffes (DFIG) ao amin’ny Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes.
    • Ratoa  RAJAONA Andriamihaja, dia voatendry ho Tale misahanany Fitantanambola  sy ny Fandrindrana  ny fandaniambola ao amin’ny Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes.
  • III- FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • Foana ny didim-panjakana nanendrena ny Sekretera Jeneraly

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka:

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1071 tamin’ny 1 jolay 2015 nanendrena ny Tale mitantana ny « Centre Hospitalier Universitaire Antanambao-Toliara

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny loharanon-karena stratejika :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2020-300 tamin’ny 04 martsa 2020 nanendrena ny « Responsable de l’Unité de Coordination, de Suivi- Evaluation et d’Analyse » ao amin’ny Ministera

                                 

Natao androany faha 20 Janoary 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika