TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSIROHITRA

- ALAROBIA 04 NOVAMBRA 2020 -

 

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    Narindra ny fomba fampandehanana sy fandefasana ny tetibola ho an’ireo «organismes rattachés» rehetra. Tsy maintsy mitondra ny antony sy ny porofo mazava, entina manao ny fandaniana eny anivon’izy ireny ny « organisme rattachés » rehetra, vao afaka misitraka ny tetibola natokana ho azy ireo. Izany no natao, dia mba hialana amin’ny gaboraraka sy fandaniam-poana.

    Nofohanana ny CREAM na ny « Centre de Recherche d’Etudes et d’Appui à l’Analyse Economique » izay mitovy asa amin’ny “Direction Générale de l’Economie  et  du  Plan”,  araka  ny  rafitra  mipetraka  eo  anivon’ny ministeran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola.

    FANALEFAHAN-KETRA :

    Nomena fanalefahan-ketra ireo fitaovana isan-karazany natolotry ny tananan’i Oissel ho an’ny kaominina ambonivohitr’i Faradofay toy ny fiara fanadiovana tanàna, fandriana natokana ho an’ny marary ho an’ny CSB2, jiro  mandeha  amin’ny  herin’ny  masoandro,  sy  kojakoja    ho an’ny mpianatra sy ny tanora.

    Nahazo  fanalefahan-ketra  ihany  koa  ny  fanampiana  hoentina mametraka ny « Protection Civile” ao Faradofay vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny tafika  Malagasy sy  ny  orinasa Rio Tinto ary ny kaominina ambonivohitr’i Faradofay. Fanampiana izay ahitana ireo fampitaovana ny mpamonjy voina sy hain-trano any an-toerana.

    Noraisin’ny  fanjakana  an-tanana  ny  hetra  sy  haban-tseranana  ho an’ireo  fitaovana  entina  manatanteraka  ny  tetikasa  fanatsarana  ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara, izay iarahana amin’ny orinasa Huawei ary nahazoana fampindramam-bola avy amin’ny Exim Bank.

    FANORENANA TOERAM-PONENANA HOAN’NY REHETRA:

    Nanome toromarika ho an’ny ministera lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, ny Filoha mba hanafainganana ny tolo- bidy  sy  ny  asa  rehetra  tokony  atao, amin’ny  fanatanterahana  ireo fanorenana toeram-ponenana isam-paritra araka ny efa voafaritra  ao anatin’ny tetibolam-panjakana farany teo.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA:

    Nohamafisina ny fandaniana ny didim-panjakana nametraka ho filan’ny fanjakana ny tany sy toerana manemitra ny lalana miainga eo amin’ny carrefour Antanimena hatreo amin’ny carrefour Henri Fraise ato anatin’ny Kaominina ambonivohitra Antananarivo, Faritra Analamanga, izay nanaovana asa fanitarana ny làlana.

  • III- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana

    • M. RAJAOFERA Eugène, dia voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’i Belo sur Tsiribihina.
    • Atoa RAKOTOARIVELO Hasindaza Tovondriaka,  dia  voatendry  ho Lehiben’ny Distrikan’ i Vohibato.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena :

    • Ramatoa RAVOLAFENO Sylvie,   dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsinanana.
    • Atoa ANJARANIRINA Chrystoline  Lahasa,  dia voatendry ho Talem- paritra ao Vatovavy Fitovinany.
    • Atoa RAZANAKOTO Tiana Benjamina, dia voatendry ho Talem-paritra ao Itasy.
    • Atoa ZARANOMENJANAHARY Fiononana Barijaonina Léon Abel, dia voatendry ho Talem-paritra ao Ihorombe.
    • Atoa RAKOTOVAO Razafimadimby, dia voatendry ho Talem-paritra ao Sofia
    • Atoa TIANJAMA Chrijoé Dimasy, dia voatendry ho Talem-paritra ao Analanjirofo.
    • Atoa RAKOTONIRAINY Tefiarisoa Joseph, dia voatendry ho Talem- paritra ao Bongolava.
    • Atoa ETSIMIFALO, dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsimo Andrefana.
    • Atoa RAFIDISON Albert, dia voatendry ho Talem-paritra ao Melaky.
    • Atoa ANDRIANASOLO Andrianiaina Jean Patrick, dia voatendry ho Talem-paritra ao Alaotra Mangoro.
    • Atoa MOSA MANDIMBIHASY Florent, dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsimo Atsinanana .
    • Atoa RABESALIMANANA Nicolas, dia voatendry ho dia voatendry ho Talem-paritra ao Androy.
    • Ramatoa  MALAZA  NOMENARIVONY  Mbolameva,  dia  voatendry  ho Talem-paritra ao Analamanga.
    • Atoa ZAFY Jean Edmond, dia voatendry ho Talem-paritra ao Diana.
    • Ramatoa RATSIMISETRA SOARNAIVO Felamboahangy, dia voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny Ministera.

    Araka ny tolo-kevitry  ny  Minisitry ny Fampianarana  Teknika  sy  ny Fanofanana arak’asa:

    • Atoa RAMIHARIJAFY Rodolphe, dia voatendry ho Tale misahana ny « Institut de Formation et Promotion (INPF) » Ivato

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena, Fiompiana ary ny Jono:

    • Atoa ANDRIAMAROAHINA Tsitohaina Ravoninjatovo Zafimahery, dia voatendry ho Tale teknika misahana ny « Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagascar ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika :

    • Atoa VELONTAHINA Lamina Fototra Zafiry, dia voatendry ho Tale Jeneraly Lefitra Teknika ao amin’ny OMNIS.
    • Ramatoa RASOLONIRINA Nantenaina Andry, dia voatendry hoe Tale Jeneraly Lefitra « Manager » ao amin’ny OMNIS.

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny  Fampianarana  Ambony  sy  ny Fikarohana ara-tsiansa :

    • M. TOVONDRAFALE Tsimihole, dia voatendry ho Tale misahana ny « Développement et de la Coordination du Partenariat du Ministère de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique ».
    • Ratoa RAZAFINIRINA  Landisoa  Léontine,  dia  voatendry  ho  Tale misahana ny « Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana :

    • Ramatoa NAMBOHOE VENON Yolandine, dia voatendry ho Tale Teknika misahana ny « Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives Commerciales ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, izay misahana ny Zandarimaria:

    • Colonel  RANDRIAMAHARIVO  Hery  Lala,  voatendry  ho  lehiben’ny Kaomandy  ny  Farim-piadidian’ny  Zandarimariam-pirenena  ao Antsiranana.
  • IV – FANAFOANANA :

     Ny Filankevitry ny Minisitra dia nandray ny didy manafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :

    • Foana ireo  didim-panjakana rehetra nanendry ireo Talem-paritra teo anivon’ny  Ministeran’ny  Fanabeazam-pirenena  sy  ny  fampianarana teknika ary ny fanofanana arakasa .

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-188 tamin’ny 20 febroary 2019 nanendrena ny  tale misahana ny « Programmation du Suivi et Evaluation »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitra Lefitra misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana:

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneraly misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.

Natao androany faha 04 Novambra 2020
Ny sampan-draharaharan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika