TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA MANOKANA NATAO TAO AMIN’NY MAISON DES ELUS ANTSOHIHY

ANDROANY ALAROBIA 15 OKTOBRA 2020

Ny Maison des élus eto Antsohihy no nandray ny Filankevitry ny Minisitra manokana  (Conseil  des  Ministres  restreint)  androany  15  Oktobra  2020 taorian’ny fankalazana ny faha 14 Oktobra 1958, nanaovana sonia ny maha Repoblika  an’i  Madagasikara.  Filankevitry  ny  Minisitra  izay  nialoha  ny Filankevitry ny Governoram-paritra voalohany, izay notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina, natrehin’ny Praiminisitra sy ireo Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta tany antoerana. 

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    FAMETRAHANA  SY  FAMPANDEHANANA  NY  CENTRE  DE REHABILITATION NUTRITIONNELLE INTENSIVE ET MEDICALE ATAO ANY ATSIMO HIADIANA AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO:
    Ny  Filankevitry  ny  Minisitra  no  hanapaka  ireo  fandaniam-bola  sy fampiasana rehetra entina miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Atsimo amin’ny alalan’ny fametrahana ilay « Centre de Réhabilitation Nutritionnelle Intensive et Médicale » hajoro any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Nampahafantarin’ny Praiminisitra androany fa misy ny vola azo avy tamin’ny  Africain  Risk  Capacity,  izay  nandoavantsika  saram-piantohana isan-taona ka nanefan’izy ireo ny saram-piantohana vokatry ny haintany mitranga any Atsimo ankehitriny. Mitentina 8,2 miliara ariary izany ary natokana  tanteraka  amin’ny  fanafoanana  ny  tsy  fanjarian-tsakafo  any Atsimo. Voakasik’izany ny fanomezan-drano fisotro madio ny mponina, ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana, ny fanampiana sy fitsinjovana ireo tena marefo, ny fikarakarana ireo iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo.

    Ireo minisitra isan-tokony, araka ny sehatra iadidiany avy no hitondra ny volavolan’asa sy tetikasa ary volavolam-pandaniam-bola eo anatrehan’ny Filankevitry ny Minisitra amin’ny herinandro ambony, mba ho tena zavatra mivaingana  sy  maharitra  ary  misy  fiantraikany  mivantana  amin’ireo iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo no entin’izy ireo amin’izany ary handraisana ny fanapahan-kevitra sy ny fampiasam-bola.

    FAMPANDEHANANA SY FANDRINDRANA NY PMDU (Plan Multisectoriel d’Urgence):

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  fametrahana  ny  komity mandrindra ny PMDU izay tarihin’ny Praminisitra lehiben’ny Governemanta araka  ny  fanapahan’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  01  Jolay  2020. Ny fanaraha-maso  ny  asa  efa  natao  sy  an-dalam-panatanterahana  no andraikitr’ity Komity mpandrindra ity fa ny fanatontosana ireo vinan’asa sy drafitra  voasoritra  ao  anatin’ny  PMDU  kosa  dia  anjaran’ireo  ministera voakasik’izany.

  • II – FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny volavolan-dalàna mamaritra ny fampindramam-bola nomen’ny Banky Afrikana mikasika ny Fampandrosoana (BAD) entina miady amin’ny valan’aretina COVID-19, natao sonia ny 07 aogositra 2020.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra toy izany koa ny volavolan-dalàna mamaritra ny fampindramam-bola mikasika « Opération d’appui budgétaire en gestion des risques de catastrophes avec option de tirage différé (CAT DDO) », izay natao sonia ny  06 aogositra 2020 teo amin’ny  Repoblikan’i Madagasikara sy ny AFD.

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  toy  izany  ihany  koa  ny fampindramam-bola natao ho an’ny « Programme d’Appui des politiques de développement pour la riposte à la pandémie de COVID-19 eto Madagasikara, izay natao sonia ny 08 septembra 2020 teo amintsika sy ny IDA.

    Marihana  fa aroso eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ireo volavolan- dalàna ireo amin’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimiera ho avy izao.

  • II – FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam- panjakana ambony ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • Ramatoa RAKOTOVAO Nina Adèle, dia vaotendry ho Talem-paritra misahana ny fonja any Itasy.
    • Atoa RANDRIANASANDRATRA Franco Liva Gabriel, dia vaotendry ho Talem-paritra misahana ny fonja any Androy.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa:

    • Atoa RANDRIAHERISOLO Maminirina Denis, dia voatendry ho Tale jeneralin’ny Fanofanana arak’asa.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka :

    • Atoa RAHARISON Tolojanahary Andry Rakotonaivo, dia voatendry ho Tale misahana ny serasera.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono :

    • Atoa RABEARISOA Rado Lalao, dia vaotendry ho Tale misahana ny « Centre  d’Appui  à  la  Formation  Professionnelle  et  Agricole »  ao Ambohitsilaozana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitaterana, Fizahantany ary ny Famatarana ny Toetrandro :

    • Mme.  RAKOTOMALALA  Dina  Hariniry,  doa  voatendry  ho  Tale Jeneralin’ny Fitanterana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Asa, ny Fampanana asa, ny asam- panjakana ary ny Lalàna sosialy :

    • Atoa  MALO  Orlando  Delphin,  dia  voatendry  ho  Talem-paritra  ao Androy.

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny  Tontolo  Iainana  ary  ny Fampandrosoana lovain-jafy:

    • Atoa  M.  RAKOTOARISOA  Julien  Noêl,  dia  voatendry  ho  tale Jeneralin’ny « Gouvernance Environnementale ».

Natao androany faha 15 Oktobra 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika