FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA- ALAROBIA 16 OKTOBRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    FITANTANAN-DRAHARAHAM-PANJAKANA :

    Nandray fanapahan-kevitra hentitra ny filankevitry ny minisitra araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena fa atomboka ny faha 21 ny volana Oktobra ny fanaovana ireo « Audience Foraine » eto Antananarivo, ary hitarina any amin’ny faritra isan-tokony ka hamerenana amin’ny laoniny ny raharaham-pitsarana amin’ny alalan’ny fitsarana faobe ireo adi-heloka tsotra izay miandry ny fitsarana azy ireo any am-ponja. Ezaka tsy maintsy atao io manerana ny Nosy indrindra any amin’ireo fonja izay efa feno olona miandry ny fitsarana azy ireo izay mahatratra 60% mameno ny fonja noho ny resaka adi-heloka tsotra sy ny ady madio, hoy ny toromarika entitra nomen’ny Filohampirenena.

    Nohamafisin’ny Filoham-pirenena ny tokony hametrahana fitsarana ara-drariny ka tokony handinihan’ireo mpitsara sy hampiharan’izy ireo araka ny lalàna velona ny sazy tokony hihatra amin’ireo izay nanao heloka bevava, ary manavaka izany amin’ireo heloka tsotra sy ady madio, ary indrindra ny fanalefahan-tsazy sy fametrahana sazy mifandraika amin’izany mba hialana amin’ny fahafenoan’ny fonja sy fijalian’ireo miaritra ny fiandrasana ny didim-pitsarana mahakasika azy ireny.

    Entitra ny Filoha amin’ny fandraisana andraikitra tokony ataon’ireo minisitra isan-tokony sy ny mpiasam-panjakana isan-tsokajiny, manoloana ny fitantanana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Ilaina ny fanamafisana ny serasera sy ny fanazavana ny saim-bahoaka manoloana ny trangam-piarahamonina sy ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjarampahefana :

    Nolaniana ny didim-panjakana mametra sy mandamina ny fitantanana ny BNGRC ho fampanarahana azy hifanaraka amin’ny lalàna 2015-031 mikasika ny politikam-pirenena mikasika ny fitantanana sy fandrindrana ny seho sy ny voina (Politique nationale de Gestion des Risques et des Catastrophes) ka niova ny fitantanana tsy ho Secrétariat Exécutif intsony fa ho lasa Etablissement Public à caractère Administratif, ka hanana ny Tale jeneraliny sy ny filakevimpitondrany manomboka izao

  • III- FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Filohan’ny Repoblika :

    • Atoa RABENALA ZAFITOMBO Toussaint Marie Xavier, dia voatendry ho Tale Iraisamparitry ny IGE any Antsiranana.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola :

    • Ramatoa RANDRIANJANAKA Mamonjiarisoa Volatantely, dia voatendry ho Tale misahana ny « Dette Publique »

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana :

    • Atoa PIERRE Djaosera, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan’i Vavatenina.
    • Atoa ANDRIAMARO Jovin Thomas, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan’i Beroroha.
    • Atoa RABOTOHAVANA Florent Cilli De Rinal, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan’Andilamena.
    • Atoa RAMAHA Rakotoniaina Ando Tantelinirina, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Morombe.
    • Atoa RAVOZANAKA Arilala José, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’Ifanadiana.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, fampianarana teknika ary ny fanofanana ara-kasa :

    • Atoa ANDRIANIRIANA Feno Soja Richard, dia vaotendry ho Tale misahana ny teknolojia ny fampahafantarana sy ny serasera.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika:

    • Ramatoa RAJAOARISOA Nirisoa Fanjaniaina, dia voatendry ho Tale Jeneraly mpisolotoerana vonjy maika mitantana ny Institut de Gemmologie de Madagascar.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy :

    • Atoa SOLOFOMALALA Andriantiana Duval, dia voatendry ho Talem-paritra ao amin’ny faritr’Alaotra Mangoro.
    • Atoa RAKOTONANAHARY Andrianavomanana Tsitohaina Stéphan, dia voatendry ho Talem-paritra ao amin’ny faritr’i Bongolava.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampiboroboana ny haikajy mirindra :

    • Atoa RANDRIATSARAFARA Solofo Dera Fanantenana, dia voatendry ho tale Jeneraly misahana ny « Opérations et du Développement Numérique ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboboana ny Vehivavy :

    • Ramatoa RABETALIANA Rova, dia voatendry ho Tale jeneraly misahana ny fampiroboroboana ny vehivavy.
    • Atoa RASOLOARINAIVO Lanto Andriamamonjy, dia voatendry ho tale misahana ny « Etudes, de la Planification et du Partenariat ».

    Araky ny tolo-kevitry ny Sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena :

    • Ny Général de Division MIHIA Jean Marcel, voatendry ho « Inspecteur Général Adjoint » eo anivon’ny « Inspection Générale de la Gendarmerie Nationale ».
    • Ny Colonel RAZAFINDRAKOTO Davidson Thierry, voatendry ho Tale misahana ny fandrindrana ny mpiasa eo anivon’ny Kaomadin’ny Zandarimariam-pirenena.
  • IV- FANAFOANANA

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    • Nofoanana ny didim-panjakana manendry ny lehiben’ny de Distrikan’Andapa.
    • Nofoanana ny didim-panjakana nanendry ny Prefet an’Ambatondrazaka

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny filaminam-bahoaka :

    • Nofoanana ny didim-panjakana nanendry ny Coordonnateur Général chargé des Ressources, de la Planification et de la Formation.

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo :

    • Nofoanana ny didim-panjakana nanendry ny Talem-paritra any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.