Lapan’Ambohitsorohitra, faha 31 oktobra 2018

Télécharger PDF

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana amiko,

Faly miarahaba anareo ny tenako, mitsidika eran’ny tokonam-baravarana amin’izao fotoana izao. Lavitra sy sarotra ny lalana nodiavina, betsaka ny manahirana, tiantsika ho vita androany daholo ary voavaha sy ho tanteraka avokoa ny hetahetan’ny tsirairay. Izany no nandrandraintsika rehetra.

Dingana lehibe ny vitantsika tamin’ny taona 2013 nahatontosa ny fifidianana filoham-pirenena sy ireo solombavam-bahoaka. Tafaverina tao anatin’ny ara-dalana isika, ary natao ny ezaka rehetra hanarenana ny firenena teo amin’ny lafiny sosialy, ekonomika… mbola tsy tratra anefa ny tanjona.

Izany indrindra no hijoroako androany, tsy afaka hamela an’ity Tanindrazan-tsika ity hiverina indray any amin’ny tsy ara-dalàna sy ny tsy ara-drariny ny tenako amin’ny maha Filoham-panjakana ahy.

Amperiny mantsy ireo mpilatsaka ho fidiana, manatanteraka fampielezan-kevitra manerana ny nosy, saingy mampalahelo anefa fa miara-dàlana amin’izany koa ny fambolena korontana maro isan-karazany, toy ny fihantsiana, fanembatsembanana, hetraketraka sy fifanandrinana, eny, hatramin’ny fikasihan-tànana aza.

Toa hita taratra ny olona sasany, mitarika ny famakivakiana ny firenena, mitarika adi-poko, mamporisika na mamboly korontana eo amin’ny fiaraha-monina (fitsaram-bahoaka, vola sandoka, fiantsiana mpitandron’ny filaminana…). Tsy mahasoa ary tsy mahatsara ny firenentsika izany.

Ireny tranga rehetra ireny dia azo itarafana fa misy ny manao tsinontsinona ny soatoavina malagasy sy ny fenitra repoblikana ary ny fitsipiky ny demokrasia. Tsy toe-tsaintsika izany ary tena tsy mihevitra ny hetahetan’ny vahoaka maro an’isa izay miandrandra filaminana sy fitoniana.

Ny hevitra mety tsy hitovy. Ny lalàna anefa iray ihany ary mihatra amin’ny rehetra. Koa tsy aleo ve mifandresy lahatra ao anaty fifanajana hatrany mba tsy hananan-tsiny rahatrizay ?

Ny fanjakana dia mandray, ary handray ny fepetra rehetra hampirindra ny filaminana sy hanajana ny lalàna velona.

Manao ny asa nankinin’ny lalàna taminy ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana, na ny CENI, izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana sy ny fanantotosana ny fifidianana.

Miara-misalahy ihany koa izy amin’ny ratsamangaikan’ny Fitondrana isan-tokony, araka izay andraikitra voafaritry ny didy aman-dalàna tandrify azy avy. Tsy ambaka izany ny Fitsarana Avo momban’ny Lalam-panorenana, na ny HCC, sy ireo izay nomentsika ny fahefana sy fitokisana ka efa eo amperin’asa avokoa. Omeo fitokisana ireo mpiray tanindrazana amintsika

Entanina ny olom-pirenena tsirairay mba hahay hanavaka izay heveriny hahasoa azy, satria malalaka ny fanehoan-kevitra.

Ny fitondram-panjakana dia mitandro hatrany ihany koa ny hisian’ny fitovian-jo sy lenta ho an’ireo kandidà 36 mandray anjara amin’izany fifaninanana masina izany. Tsy misy tombo sy hala : izany hatrany no baiko sy toromarika efa nampitaina amin’ireo tompon’andraikitra rehetra isan’ambaratongany.

Malalaka hoy aho ny fanehoan-kevitra, rehefa atao ao anatin’ny ara-dalàna sy ny fifanajana. Izany indrindra no nandraisako sy nihainoako ireo rehetra manana fomba fijery hafa mikasika ny zotra efa atrehina. Anisan’ireny ny vondron’ny kandidà nanambara ahiahy sy fitakiana.

Ny fandaminana dia efa notanterahina an-taonany vitsivitsy izay. Nanaja ny dingana rehetra izany ka nahatonga ny firotsahan’izy 36 mianadahy. Hita ihany koa ny fanirian’ny vahoaka hisitraka ny zony araka ny tetiandro voafaritra. Tokony handrisika ny rehetra izany hiatrika ny fifidianana afaka herinandro.

Tsy lavina fa mety misy ny indrokelin’ny mpandrafitra. Re avokoa ny antso momba izany. Maro amin’izy ireny anefa no mitaky fandaminana lavitr’ezaka. Fotoana manan-tantara hirosoana izao, ary izay hevitra hanatsarana ka hanasoa ny Tanindrazana, dia azo raisina hatrany mba hotanterahin’ny mpitantana ny firenena rahampitso, ao anatin’ny teny hierana.

Eo amin’ny antomotr’ezaka kosa anefa, dia misy hatrany ny azo tandrovina tsara. Koa miantso ny mpandray anjara rehetra amin’ity sehatry ny fifidianana ity ny tenako, ianareo kandidà, ianareo fiaraha-monim-pirenena sy fikambanana maro samihafa, ianareo mpanara-maso, ary indrindra ireo rantsa-mangaika rehetra voakasik’izany, mba handray ny anjara andraikitra, sahaza sy tandrify anareo tsirairay avy.

Mamporisika ireo kandidà hametraka ny olony any amin’ireo rafitra rehetra mba hanara-maso ny fizotry ny fikarakarana ny fifidianana, ka hampahafantatra ny fahefa-mahefa ny zava-misy. Efa voafaritry ny lalàna rahateo ny fampiharana izany.

Ekena, hoy aho, fa tsy misy akory ny tonga lafatra. Tsy azo hodian-tsy hita koa anefa fa maro ny dingana vita ary efa mipetraka ny arofanina rehetra hisian’ny mangarahara. Ny tanjona dia ho fifidianana tony sy milamina no hatrehintsika, ka hanajan’ny rehetra ny safidim-bahoaka.

Tsy ho tampohin’ny faharesena koa anefa, satria aoka ho fantatsika, fa toy ny fifaninanana rehetra ihany ny fifidianana. Ny vahaoka masimandidy no aoka haneho ny heviny an-kalalahana. Mitaky ny fahatsiarovan-tena sy ny fahendren’ny mpisehatra rehetra izany. Ny faniriantsika dia ny mba hanana filoha voafidim-bahoaka, eken’ny rehetra, ary hanao fianianana amin’ny volana Janoary, taona 2019.

Manao soroka miara-milanja amintsika ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, izay manampy amin’ny fampanjariana ny demokrasia sy ny fanamafisana orina izany. Manan-danja tokoa amin’izy ireo mantsy ny dingana efa tontosa, ka hahafahan’i Madagasikara hifantoka amin’ny fampandrosoana maharitra sy tsy mialonjafy. Rian’aratra miabo ny Demokrasia eto Madagasikara ary samy mitondra ny anjara birikiny ny rehetra, ka mandrary am-paharetana an’izany.

Mila tsiahivina ve fa ho sitraky ny mpiray tanindrazana ary ho derain’izao tontolo izao isika, raha mahatanteraka izao fifidianana izao, lavitry ny raorao, ka hahazoana miroso tsy misy hatak’andro amin’ny fanabeazam-boho ny asa fampandrosoana ?

Mino aho fa miombom-pijery amin’izany koa isika olom-pirenena tsirairay avy. Fandresena lehibe ho an’ny firenentsika sy ho anao ry Vahoaka Malagasy, ny fahatontosan’ny fifidianana.

Koa, miantso ny mpifidy rehetra ny tenako hanefa ny adidy amin’ny alarobia 07 novambra ho avy izao, handray ny andraikitra handrotsa-bato, araka ny feon’ny fieritreretany, satria ny safidinao no hamaritra ny ho avin’ny Tanindrazana iombonana, ary ny fahalavorarian’ny fifidianana dia fandresen’ny Malagasy rehetra.

Hizotra am-pilaminana anie ity herinandro ankatoky ny fifidianana ity ! Mendrika izany isika Malagasy, masina ny tanindrazantsika.

Samia ho tahian’Andriamanitra.