FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSOROHITRA ALAROBIA 20 MAY 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    HAVERINA HIODINA NY ORINASA OFAFA ARY HAVERINA AMIN’NY LAONINY NY ASANY AMIN’NY MAHA ORINASA MPAMOKATRA FANAFODY AZY:

    Naverina amin’ny Fanjakana ny tany sy ny toeram-piasan’ny OFAFA izay hiverina hisokatra indray rehefa nampanofaina tamin’ny orinasa NIPHAR ny taona 2007 ary ity farany indray nampanofa indray tamin’ny orinasa afakaba mpamokatra akanjo « Madagascar King Deer Cashemere Co Ltd » ny taona 2017. Rehefa natao ny fidinana ifotony sy fifampiresahana dia tapaka fa haverin’izy ireo amin’ny Fanjakana ny toerana rehetra fa hisy kosa ny 700m² avela hiasan’ilay orinasa ho tambin’ny fampiasam-bola nataon’izy ireo sy ho fitanana ny asa ho an’ireo mpiasa ao amin’io orinasa afakaba io.

    Vitaina mialohan’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena, ny fanofakana sy fampiodinana indray ity orinasa Malagasy mpamokatra fanafody ity, ho isan’ireo orinasa lehibe afaka mamokatra fanafody eto amintsika.

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nandinika ireto volavolan-dàlana manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola dia natomboka ny fandinihana ny volavolan-dàlana mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2020. Toy izao amin’ny ankapobeny no mamaritra ity volavolan-dàlana mifehy ny teti- bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2020 ity : noho ny fisian’ny hamehana ara-pahasalamana eto amintsika dia nisy ny fidinana hatramin’ny 1858,8 miliara ariary ny fampidiran-ketra eto amintsika, nitombo 2034,9 miliara ariary ny fanampiana sy famatsiam- bola azo, nitombo 646 miliara ariary ny fandaniam-bolam-panjakana ankapobeny izay nifantoka kokoa amin’ny angovo, ary mitentina 200 miliara ariary ny teti-bola natokana ho an’ny Drafitra Sosialy anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana miatrika ny COVID 19 izao. Mila 108 miliara ariary isika manoloana izany amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

    Mila 108 miliara ariary isika manoloana izany amin’ny fitantanana ny volam-panjakana. Mifototra sy mifantoka amin’ny fampianarana, fahasalamana, rano sy fanadiovana, toeram- ponenana, angovo, fanamboaran-dalana ny fampiasam-bolam-panjakana amin’ity volavolan- dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana hoan’ny taona 2020 ity.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry toe-karena sy ny fitantanam-bola :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra kosa ny volavolan-dàlana mifehy ny fampidirana ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay famatsiam-bola mitentina 165 tapitrisa dolara na 630 miliara ariary ao amin’ny banky foibe azo avy amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena, mikasika ny « aide à la balance de paiement » amin’ny alalan’ny « Facilité de Crédit Rapide FCR » natao ny 30 aprily 2020.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry toe-karena sy ny fitantanam-bola, ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ary ny toeram-ponenana, ny Minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra

    Nolaniana ny fampindramam-bola mifandraika amin’ny tetikasa ho fanatsarana ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara, mitentina 179 miliara ariary, na ny Projet de Modernisation du Réseau de Télécommunication de Madagascar eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Export Import Banque any Chine.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry toe-karena sy ny fitantanam-bola, ny Minisitry ny angovo sy ny akoranafo :

    Nolaniana nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ihany koa ny volavolan-dalàna mifehy ny fampindramam-bola mifandraika amin’ny tetikasa fanatsarana ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara na ny « Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie Electrique à Madagascar PRIRTEM I », notanterahana ny 06 febroary 2020 teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky Afrikana momba ny fampandrosoana sy ny Tahirim-bola Afrikana momba ny Fampandrosoana (BAD/FAD).

    Araka ny volavolan-dàlana natolotry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola sy ny Minisitry ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana :

    Nolaniana ihany koa ny volavolan-dàlana mikasika ny fampindramam-bola mikasika ny « Projet JIRAMA WATER III », natao ny 06 desambra 2019 sy ny 09 desambra 2019 teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky Eoropeana ho amin’ny Famatsiam-bola (Banque Européenne d’Investissement (BEI).

  • III- FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra:

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha-2017-1114 natao ny 02 desambra 2017 nanendry ny Tale misahana ny « Systèmes d’Informations Rurales auprès du Secrétariat Technique pour le Pilotage, la coordination et l’Appui au Développement Rural durable à Madagascar (ST – PADR) ».
    • Foana ny didim-panjakana laharana faha-2017-1115 natao 02 desambra 2017 nanendry ny lehiben’ny « Unité d’Etudes et de Suivi des Politiques et Stratégies auprès du Secrétariat Technique pour le Pilotage, la coordination et l’Appui au Développement Rural durable à Madagascar (ST – PADR). »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana :

    • Foana ny didim-panjakana manendry lehiben’ny Distrikan’Ambanja.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fambolena, fiompiana ary ny Jono:

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha-2012-1127 natao ny 05 desambra 2012 nanendry ny Tale miandraikitra ny « Centre de Surveillance de Pêche (CSP). »

Natao androany faha 20 May 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika