FIADIDIANA NY REPOBLIKA
TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY 15 Mey 2019

 

  • FAMPAHAFANTARANA :

    « TETI-BOLAM-PANJAKANA nasiam-panitsiana taona 2019 : mifandraika tanteraka amin’ny asa fanarenana ny firenena voafaritra ao anaty politika ankapoben’ny fitondrana»

    Tapaka nandritry ny filankevitry ny minisitra androany 15 mey 2019, rehefa nodinihana nandritra ny herinandro katroka androany ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana hifehy ny fandaniambolam-panjakana amin’ity taona 2019 ity.

    Ny fampiasam-bolam-panjakana miainga avy amin’ny fihariana anatiny sy ny fampandehanan-draharaha dia mahatratra eo amin’ny 5.561.202.980.000 ariary. Ny 1.340.000.000.000 ar amin’io dia natokana hoamin’ny fampiasam-bolam-panjakana anatiny (PIP Interne) ary ny fampandehanan-draharaham-panjakana kosa dia mahatratra 1.697.983.820.000 ar ary ny tambin-karama dia mitotaly eo amin’ny 2.571.574.710.000 ar. Ny fanampiana ny teti-bolam-panjakana dia mitentina 750.000.000.000 ar.

    Ny totaliben’ny vola miditra kosa dia mahatratra 5.805.000.000.000 ar izay ahitana ny tahan’ny fampidiranketra 12,3%. Misy ny famatsiambola avy any ivelany hoentimanatanetraka ireo tetik’asa sasany izay mahatratra 2.313.320.000.000 ar. Heverina ho 5,2% ny fitombon’ny harinkarena faobe ary tsy hihoatra ny 6,7% ny tahan’ny fiakaram-bidy amin’ny ankapobeny.

    Ny totaliben’ny fandaniambolam-panjakana nasiam-panitsiana amin’ity taona 2019 ity, izay mahasana ny fandaniambola anatiny sy ny fandaniambolan’ireo tetikasa vatsian’ny mpamatsy vola avy any ivelany dia mitentina 8.607.000.000.000 ar. Toy izao amin’ny ankapobeny ny fampiasana ny fampiasam-bolam-panjakana miainga avy amin’ny fihariana anatiny (PIP Interne) : niakatra manodidina ny 60% ny mikasika ireo fotodrafitrasa, manodidina ny 14% ny fampiasambola mahasana ny sosialy, nihena ho 20% ny fitantanan-draharaham-panjakana ary ny sehampamokarana dia nijanona ho 6%.

    Mifantoka tanteraka amin’ireo asa fampandrosoana maharitra mifandraika amin’ireo voafaritra ao anatin’ny politikam-panjakana ankapobeny ny fandaniana rehetra ka vokatra azo tsapaintanana, azo refesina ary azo faritana mazava tsara mba hatsapan’ny vahoaka ny tena fiovana sy ny fandrosoana marina no tena ifantohan’ity teti-bola nasiam-panitsiana ity. Isan’ireo misongadina amin’ity teti-bola nasiampanitsiana ity ireo asa mivaingana toy ny :

    • fanamboarandàlana toy ny RN 44, ny RN 5a, RN 5, RN 9, RN 13, sns, ny fametrahana ny flyover…
    • ny fanorenana trano sy toeram-ponenana isan-tsokajiny
    • ny fanamboarana ireo trano fianarana ahitana lasikasy miisa 800, fampitaovana dabilio miisa 16.000 amin’ireo sekoly ireo sy fanomezana boky hoan’ny mpianatra miisa 1.000.000, fampitaovana ny mpianatra amin’ny alalan’ny « kit scolaires » sy ny aron’ankanjo,
    • ny fanorenana Oniversite manarapenitra lehibe miisa 4,
    • ny fanombohana ny asa fametrahana ny Tanamasoandro,
    • ny famerenana indray ireo lamasinina manodidina an’Antananarivo, ny fividianana lohamasinina hoan’ny fitanterana andalamby Fianarantsoa Côte Est,
    • famatsiana fitaovana fakana fako an’ny SAMVA,
    • ny fametrahana ireo toeram-pankanaina manarapenitra isaky ny 100 km manemitra ny lalam-pirenena faha-7, faha-4, faha- 34, faha-2 sy ireo lalàna rehetra eto andrenivohitra;
    • ny fampitaovana harifomba ireo mpitandro ny Filaminana na zandary io na miaramila na polisy ; ny fanapariahana ireo mpitandro ny filaminana manerana ireo faritra mena sy hanjakan’ny asa-dahalo sy ny herisetra isankarazany, fikajiana ny filaminana andrenivohitra ka nametrahana ireo borigady toeram-panofanana isantsokajiny ;
    • ny fametrahana ireo milina fanamboarandàlana isaky ny renivohi-paritra miisa 23,
    • ny fametrahana labatoara isaky ny renivohi-paritra,
    • ny fanatanterahana ny fanajariana ny lemaka fambolembary mirefy 50.000 ha amin’ity taona ity izay heverina ahatrarana voka-bary 8t isaky ny hekitara, famerenana ireo tobi-piompiana lehibe ;
    • hotanterahana ihany koa ny fanorenana hopitaly manarapenitra miisa 13 sy ny fanarenana ireo toeram-pitsaboana isantokony.

    Tafiditra ato anatin’ity volavolan-tetibola ity ihany koa ny mahakasika ny fiakaran’ny karama farany ambany sy ny tsy fandoavana IRSA hoan’ireo karama hatramin’ny 350.000 ar. Isan’ny fepetra entitra ihany koa ny fandoavan’ny fanjakana ny saran’ny jiro lanin’izy ireo any amin’ny JIRAMA ka entitra ny fanapahana fa raha misy ireo tsy mahaloa izany dia hotapahana avy hatrany izany. Tsy ekena intsony hoy ny Filoham-prenena ny fandanindaniampoana ny volam-panjakana ary tsy maintsy henjehina araka ny lalàna velona ireo rehetra nanodikodim-bolam-panjakana ka hiparitaka manerana ny faritra sy ireo seham-panjakana isantokony ny avy ao amin’ny Inspection Générale de l’Etat hijery akaiky ny fandaniana teo aloha sy ny fampiasana ny volam-panjakana amin’ity teti-bola vao avy nodinihana ity.

  • FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Ministera misahana ny toe-karena sy ny fitantanambola arak’izany dia nolaniana teto amin’ny filankevitry ny minisitra ny volavolana didy hitsivolana mifehy ny fandaniambolam-panjakana nasiam-panitsiana hoan’ny taona 2019. Atolotra eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ity volavolandàlana ity hijereny ny fifanandrifiany amin’ny lalàna fototra mifehy ny tany sy ny firenena ary havoaka hanankery ho azo ampiasaina avy hatrany aorian’izany.

 

Natao androany faha 15 Mey 2019

Sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana