FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISTRA NATAO NY 24 APRILY 2019

 

  • FAMPAHAFANTARANA :

    « FIHARIANA : HIANTOKA FAMATSIAMBOLA 2 hetsy ariary ka hatramin’ny 200 tapitrisa ariary»

    Ny Filoham-pirenena dia nanamafy ary nitondra fanampim-panazavana fa ny « Fihariana » dia hiantoka ny findramam-bolan’ireo tetikasa voafidy, manomboka amin’ny 200 000 Ar (Roa hetsy Ariary) hatramin’ny 200 000 000 Ar (Roan-jato tapitrisa Ariary) amin’ny alalan’ny ireo banky mpiara-miombonantoka. Ny vola dia haverina mandritra ny telo volana ka hatramin’ny telo taona (36 volana), amin’ny zana-bola namoraina sy mifanaraka amin’ny vola indramina. Ankoatra izany dia hamaivanina araka izay azo atao ny antoka takiana amin’ireo mpindram-bola.

    Araka izany, tokony hifanaraka amin’ireto mason-tsivana manaraka ireto ny tetikasa hofidina :

    (i) tetikasa azo tanterahina ;

    (ii) mamoron’asa mahavelona ;

    (iii) orinasa aradalàna (an’olo-tokana na fikambanana) ;

    (iv) miteraka asa manaja ny mahaolona ;

    (v) mitera-bokatsoa mafonja eo amin’ny fivoaran’ny toekarena sy sosialy eo amin’ny fiarahamonina.

    Hisy ihany koa ny fanalefahan-ketra sy fanamorana ny fananganana orinasa tena madinika mba hahafahan’ireo mahazo famatsiana « Fihariana » manatontosa antsakany sy andavany ny tetikasany.

    Ny tanjon’io fandaharan’asa Fihariana io dia ny hampivelatra sy hanampy ny sehatr’asa ara-toekarena amin’ny fampiroboroboana ny famoronan’orinasa sy famoronan’asa ho an’ireo tanora sy vehivavy any amin’ny faritra sy ny distrika manerana ny Nosy. Ny fototry ny « Fihariana » dia ny hanamora ny fampindramam-bola ho an’ny vehivavy sy ny tanora mpamorona amin’ireo filam-bola ho enti-mamokatra eo amin’ny fananganana na fampivelarana ny ambaindain’ny orinasan’izy ireo. Fanapariahana fomba famatsiam-bola amin’ny endriny vaovao no tanjon’ny « Fihariana », andraisan’ny Fanjakana foibe, ireo ratsamangaikan’ny Tranoben’ny varotra sy ny indostria, ireo fikambanam-behivavy sy tanora mpandraraharaha ara-toekarena ary ireo Mpamatsy vola mba hanamora ny fahazoan’ny mpamorona orinasa misambo-bola, izany rehetra izany mba ho fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fampandrosoana isam-paritra.

    HITSANGANA ATSY HOATSY NY « CENTRALE DE L’OR » SATRIA NY FIFEHEZANA NY VOLAMENA NO ISAN’NY LOHARANON-KAREM-PIRENENA HIANTOKA NY FAMPANDROSOANA :

    « Ny Centrale de l’Or no hisahana manontolo ny fanarahana ny asa volamena rehetra sy izay mifandraika amin’izany manerana ny Nosy » io no isan’ny fampahafantarana nataon’ny Minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika ary neken’ny filankevitry ny Minisitra androany.

    Ny fametrahana ny Centrale de l’Or dia isan’ireo fototra iray iorenan’ny politika entina mitantana ny harena ankibon’ny tany izay voafaritra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana. Ireto ny dingana enti-mametraka ity Centrale de l’Or ity :

    • Ny fanatsarana ny lalàna sy ireo drafitra mahakasika ny asa volamena rehetra ao anatin’ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany : hisy araka izany ny fanavaozana sy fanatsarana ny rafitra sy ny didy amandàlana nametraka ny ANOR izay hiova ho Centrale de l’Or
    • Hijoro aorian’izany fanavaozana ny rafitra izany ny Central de l’Or ka hisy ny dinika sy ny fiaraha-mandrindra amin’ireo sehatra rehetra voakasik’ity sehatr’asa iray ity ary aorian’izany mba tsy hifanitsaka ny politikam-pirenena hoenti-mametraka ny Centrale de l’Or sy ny sampanasa tsy miankina efa manao ny asa volamena amin’ny endriny isantokony avy. Havoaka aorian’izany dinika izany ny politikam-panjakana manodidina ny asa volamena na fitrandrahana io na fivarotana na fanondranana. Ny fahavitan’ireo rehetra ireo no hananganana ny Centrale de l’Or ho tena manarapenitra sy maharaka tsara ny tadiavin’ny tsena iraisam-pirenena ary koa ho fanoitra iray hifehezana ny volamena eto amintsika.

    « NY VOLANA MAY NO HANKALAZAINA NY IRAY VOLAN’NY FIAHIANA ARATSOSIALY »

    Ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy dia nampahafantatra ny tao amin’ny filankevitry ny Minisitra fa ny volana May iray manontolo no hankalazana ny iray volan’ny fiahiana ara-tsosialy manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

     

  • FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    Ny fiadidiana ny Repoblika dia nampandany ny didim-panjakana mametraka ny andraikitra, mamaritra ny asa ary ny firafitry NY FANDAHARAN’ASAM-PIRENENA HO AN’NY FANDRAHARAHANA ANTSOINA HOE: « Fihariana » natao hanampy ireo tanora sy ireo vehivavy manana tetikasam-pampandrosoana sy tetikasam-pihariana.

    Ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeramponenana ary ny asa vaventy dia nitondra ny fampandaniana ny didy hitsivolana mamaritra ny fifanaraham-piarahamiasa amin’ny BAD FAD amin’ny famatsiambola entina manatanteraka ny tetikasam-panarenana ny « Corridors » sy fanamorana ny fifanakalozana eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky Afrikana ny Fampandrosoana ary ny Tahirimbola Afrikana hoamin’ny fampandrosoana.

    Ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeramponenana ary ny asa vaventy dia nitondra ihany koa ny fampandaniana ny didy hitsivolana ahafahana mamaritra ny famatsiambola entina manatanteraka ny fanamboarana tetezana manemitra ny reniranon’i Mangoky, ny fanajariana ny lalàna ahafahana mampiasa ny lalampirenena faha 9 sy ireo asa rehetra manodidina izany araka ny asa sy ny fandihinana eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Tahirimbola Koesianina hoamin’ny Fampandrosoana ara-toerakena Arabo.

     

  • FANENDRENA:

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY TOEKARENA SY NY FITANTANAMBOLA :

    • Atoa GERMAIN, voatendry ho Tale Jeneralin’ny Hetra.
    • Ramatoa ANDRIANAFERO Harinirina Yolande, voatendry ho Tale misahana ny « Ressources et Formation ».
    • Atoa RAKOTOMALALA Christophe Andrianjafinirina, voatendry ho Tale misahana ny « Statistiques et de la Comptabilité ».
    • Atoa RAFARALAHY Edmond, voatendry ho Talem-paritry ny Hetra ao Analamanga.

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA :

    • Atoa TOKIFAHARANA Herimahazo Zo Randrianarivony, voatendry ho lehiben’ny Distrikan’i Vohibato.
    • Atoa RAKOTOARIMANANA David Emmanuel, voatendry ho lehiben’ny Distrikan’i Soavinandriana Itasy.
    • Ramatoa RAKOTOARISOA Ny Ony Mirana Dina Henintsoa, voatendry ho lehiben’ny Distrikan’ Antanifotsy.
    • Atoa RAVELOMARY Jean Christian Fetra, voatendry ho lehiben’ny Distrikan’Antananarivo V.
    • Atoa RANJAKAMANANA Stephen Weld, voatendry ho lehibe’ny Distrikan’Ambohidratrimo.
    • Atoa RANDRIAMPANALA Rivo, voatendry ho Prefet-n’i Maintirano.

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISTRY NY FANAJARIANA NY TANY, NY TOERAMPONENANA ARY NY ASA VAVENTY :

    • Atoa RANDRIANARIJAONA Rivo Roland, voatendry ho Talem-paritra Alaotra Mangoro.

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY FAHASALAMAMBAHOAKA :

    • Atoa RABEMANANJARA Rija, voatendry ho talem-paritra misahana an’Analamanga .
    • Ramatoa RASOALIMANANA Rondro Miangola, voatendry ho talem-paritra misahana an’Itasy.
    • Ramatoa RAKETAMALAZAMANANIRINA Yannette Christiana, voatendry ho Talem-paritra misahana an’Amoron’i Mania .
    • Atoa NAMASY Randrianantenaina Maurille, voatendry ho Talem-paritra misahana an’Atsimo Atsinanana
    • Atoa RABEHARINJAKA Jimmy Cauchy, voatendry ho Talem-paritra misahana an’Androy
    • Atoa RAVELOMANANTSOA Emile, voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Menabe
    • Atoa FLORENT Jean Razafy, voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Sava.
    • Atoa RAKOTONAVALONA Rivomalala, voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Boeny.
    • Atoa ANDRIAMINO Brusa, voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Melaky .
    • Atoa ALEGNE Haja Helguin, voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Sofia
    • Atoa ANDRIATSIMELO Maherinantenaina Fanovaharijaina, voatendry ho Talem-paritra misahana an’Alaotra Mangoro .
    • Atoa SENDRATIANA Luc Michel, voatendry ho Talem-paritra misahana an’Analanjirofo.
    • Atoa RAKOTONDRAVOLA RANDRIANIAINA Justin Léonce, voatendry ho Tale misahana ny Unité d’Approvisionnement en Solutés Massifs.

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA ARY NY JONO :

    • Atoa BEMANAJA Etienne, voatendry ho tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fiompiana anaty rano.
    • Ramatoa NGADO Fleur Honorée, voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Melaky.
    • Atoa JAOZANDRY René, voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Boeny.
    • Ramatoa RAKOTOARIZAFY Anjara Tongasoa, voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Betsiboka.
    • Atoa HANOGNONA Hervé, voatendry ho Talem-paritra misahana an’Atsimo Andrefana.
    • Atoa ANDRIAMANAMPY Nomenjanahary, voatendry ho Talem-paritra misahana an’Amoron’i Mania.
    • Ramatoa RAKOTOARISAONA Mitia Finoana, voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Vakinankaratra.
    • Ramatoa RAZAFIMBELO Jeanne Eulalie, voatendry ho Talem-paritra misahana an’ Itasy.
    • Atoa SOLONDAZA Ludget, voatendry ho Talem-paritra misahana an’Analanjirofo.

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY HARENA ANKIBON’NY TANY SY NY LOHARANONKARENA STRATEJIKA :

    • Atoa VELONARIVO Pascal Clovis, voatendry ho Tale Jeneralin’ny Loharanonkarena stratejika (DGRS)

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISTERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY :

    • Atoa RANDRIATIANARISOA Fenitra, Tale misahana ny « Migration Professionnelle ».

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA :

    Voatendry ho Doyens de Faculté, ao amin’ny oniversiten’Antananarivo.

    • Doyen de la Faculté d’Economie, de Gestion et de Sociologie : Atoa Andriamampandry Todisoa Manampy ;
    • Doyen de la Faculté de Droit et de Sciences Politiques : Ramatoa Esoavelomandroso Faratiana Manassé ;
    • Doyen de la Faculté des Lettres et Sciences Humaines : Ramatoa Ralinirina Fanja Tahiana ;
    • Doyen de la Faculté des Sciences : Atoa Ramahazosoa Irrish Parker ;
    • Doyen de la Faculté de Médecine : Ramatoa Vololontiana ;

    Voatendry ho Tale misahana ny Sekoly ambony ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo :

    • Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo : Atoa Rakotosaona Rijalalaina ;
    • Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques : Atoa Ramamonjisoa Bruno Salomon ;
    • Ecole Normale Supérieure : Ramatoa Ramanambelina Henriette ;

    Voatendry ho Tale misahana ny Sekoly ambony fanofanana ao amin’ny Oniversiten’ Antananarivo :

    • Institut de l’Enseignement Supérieur Soavinandriana Itasy : Atoa Rakotomahevitra Andrianelison ;
    • Institut de l’Enseignement Supérieur Antsirabe Vakinakaratra : Atoa Rajaonarison Eddie Franck.

    Voatendry ho Doyens de Faculté, ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa.

    • Doyen de la Faculté des Sciences : Atoa Andriazafimahazo Lahinirina Fridolin ;
    • Doyen de la Faculté de Droit, Economie-Gestion et des Sciences Sociales : Ramatoa Rabemananjara Vololonirina Alisambatra ;
    • Doyen de la Faculté des Lettres et Sciences Humaines : Atoa Raherinirina Jaona Patience ;
    • Doyen de la Faculté de Médecine : Atoa Rakotoarivelo Rivonirina Andry ;

    Voatendry ho Tale misahana ny Sekoly ambony ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa

    • Ecole Normale Supérieure : Atoa Andrianandrasanirina Faly Tinasoa ;
    • Ecole Nationale d’Informatique : Atoa Ramamonjisoa Andriatiana Bertin Olivier ;

    Voatendry ho Tale misahana ny Sekoly ambony fanofanana ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa :

    • Institut des Sciences et Techniques de l’Environnement : Atoa Randrianarivelo Clairmont Séraphin ;
    • Ecole de Management et d’Innovation Technologique : Atoa Hajalalaina Aimé Richard

    Voatendry ho Doyens de Faculté, ao amin’ny oniversiten’Antsiranana:

    • Doyen de la Faculté des Sciences : Atoa Rabearivony Jeanneney ;
    • Doyen de la Faculté de Médecine : Ramatoa Razafindrazanany Nelly Félicienne ;
    • Doyen de la Faculté des Lettres et Sciences Humaines : Ramatoa Parfait Cynthia Ornella Volanosy ;

    Voatendry ho Tale misahana ny Sekoly ambony ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana:

    • Ecole Normale Supérieure pour l’Enseignement Technique (ENSET) : Atoa Ramifidisoa Lucius ;
    • Ecole Supérieure Polytechnique (ESP) : Atoa Rasolomampionona Zarasoa Arnole.

    Voatendry ho Doyens de Faculté an’i Mahajanga:

    • Doyen de la Faculté des Sciences, de Technologies et de l’Environnement (FSTE) : Atoa Dona Victorien Bruno ;
    • Doyen de la Faculté de Médecine : Atoa Randaoharison Pierana ;

    Voatendry ho Tale misahana ny Sekoly ambony fanofanana ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga :

    • Institut d’Odonto-Stomatologie Tropicale de Madagascar (IOSTM) : Ramatoa Rakoto Alson Simone ;
    • Institut Supérieur des Sciences et Technologies : Atoa Maxwell Djaffard ;
    • Institut Universitaire de Technologies et d’Agronomie de Mahajanga : Atoa Randrianarivelo Fidison Herick ;
    • Institut Universitaire de Gestion et de Management (IUGM) : Atoa Dare Aurélien.

    Voatendry ho Doyens de Faculté an’i Toamasina :

    • Doyen de la Faculté de Droit, des Sciences Economiques, de Gestion, et de Mathématiques, Informatique et Applications : Atoa RAZANAKOLONA Diny ;
    • Doyen de la Faculté de Médecine : Atoa RALANDISON Dimby Stéphane

    Voatendry ho Doyens de Faculté an’i Toliara:

    • Doyen de la Faculté de Droit, d’Economie, de Gestion et de Sociologie : Atoa Tsikomia Amaïde Arsan Miriarison ;
    • Doyen de la Faculté des Lettres, Sciences Humaines et Sociales : Atoa Rakotomavo Andriananja Hery;
    • Doyen de la Faculté des Sciences : Atoa Fatiany Pierre Ruphin ;
    • Doyen de la Faculté de Médecine : Atoa Rakotosamimanana Jhony ;

    Voatendry ho Tale misahana ny Sekoly ambony fanofanana ao amin’ny Oniversiten’i Toliara :

    • Institut Halieutique et des Sciences Marines (IHSM) : Atoa Mahafina Jamal Angelot ;
    • Institut d’Enseignement Supérieur de Menabe : Atoa Sama Zefania ;
    • Institut d’Enseignement Supérieur de Toliara : Atoa Monjavelo Sambany Christian ;
    • Institut de l’Enseignement Supérieur d’Anosy : Atoa Andrianarivelo Norbert ;

    Voatendry ho Tale misahana ny Sekoly ambony ao amin’ny Oniversiten’i Toliara :

    • Ecole Normale Supérieure : Atoa Rivo Hery Soloniaina Jean Aimé.

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY ASA-TANANA :

    • Ramatoa RATEFINANAHARY RANTOARIVOLA Edmée, voatendry ho Tale misahana ny fandraharahana ara-barotra ivelany.
    • Ramatoa RASOLOFOMANDIMBY Fifaliana Nomenjanahary, voatendry ho Tale misahana ny fiarovana ny mpanjifa.
    • Atoa ANDRIANANDRAINA Fanomezantsoa Tahiana, voatendry ho tale misahana ny « Promotion des Filières ».
    • Ramatoa RANARISON Hanitriniaina, voatendry ho Talem-paritra misahana an’Analamanga.
    • Ramatoa FANANGANANTSOA Jaona Marka, voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Sofia.
    • Ramatoa RAMANGARISON Haingotiana Ida, voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Betsiboka.
    • Atoa RAMIANDRASOA Fifindrazana Francis, voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Melaky.
    • Atoa RALAIMAZAVA Barnabé Ghislain, voatendry ho Talem-paritra misahana an’Analanjirofo.
    • Atoa RATAHINJANAHARY Nirina Sitefana, voatendry ho Talem-paritra misahana an’Ihorombe.

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA MAHARITRA :

    • Atoa RANAIVO Mamy Christian, voatendry ho Tale misahana ny Fitantanana sy ny ara-bola.
    • Atoa JAOZANDRY Jean Jacques, voatendry ho Tale misahana ny « Reboisement et de la Gestion des Paysages et des Forêts (DRGPF) »
    • Ramatoa RAKOTOARIDERA Rantonirina, voatendry ho Tale misahana ny « Gestion des Ressources Naturelles Renouvelables et des Ecosystèmes (DGRNE) ».
    • Ramatoa ANDRIAMANOHISOA RAVELOSON Miora, voatendry ho Tale misahana ny « Appui à la Promotion de l’Economie Verte et Bleue (DEVB) ».
    • Atoa RANDRIANARISOA Jean Romain, voatendry ho Tale misahana ny « Intégration de la Démarche de Développement Durable (DIDDD) ».
    • Ramatoa RANAIVOSON Haritiana, voatendry ho tale misahana ny « Développement de la Stratégie du Partenariat pour le Développement Durable (DDSPDD) »
    • Ramatoa RAKOTOARIMANANA Josette Evelyne Marcelle, Voatendry ho Tale Iraisam-paritra misahana an’i Itasy sy Bongolava
    • Atoa ANDRIANJAFY Ihando Niaina, Voatendry ho Tale Iraisam-paritra misahana an’i Boeny/Betsiboka.
    • Atoa RADISON Jean Claude, Voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Diana
    • Atoa RALAIVAONIRINA Joëlson, Voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Sava
    • Atoa BERA ARSONINA, Voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Sofia
    • Ramatoa RATEFASON Zafindragisimary Tojotsara, Voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Vakinankaratra
    • Ramatoa RAVELOARISOA Ambroisine, Voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Atsinanana.
    • Atoa RAKOTONDRAVONINALA Valison Kiady, Voatendry ho Talem-paritra misahana an’ Alaotra Mangoro.
    • Ramatoa RANDRIANJAFIZANAKA Soary Tahafe, Voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Atsimo Andrefana.
    • Atoa ANDRIAHARIMALALA Tahina, Voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Menabe
    • Atoa RAJAONAH ANDRIANARIVO Solofoniaina Elysée, Voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Région Vatovavy Fitovinany
    • Atoa RAKOTOBE Landry Habib, Voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Melaky
    • Atoa MARA TSIRAHONANARIVO Aubin Christian, Voatendry ho Talem-paritra misahana an’ Amoron’i Mania.
    • Atoa RAKOTOSON Sitraka Raymamy, Voatendry ho Talem-paritra misahana an’i Matsiatra Ambony.
    • Atoa RARIVOSON Christian Jacques, Tale miandraikitra ny Centre National de Formation d’Etude, de Recherche en Environnement et Forestier (CNFEREF)

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA :

    • Ramatoa RANDRIAMANJATO Herimalala Jenny, voatendry ho Lehibe misahana ny « Cellule de Contrôle Interne ».
    • Ramatoa RAKOTOMAVO Tokiharimanitra Tsikimilamina, voatendry ho Tale misahana ny « Identité Culturelle ».

    ARAKY NY TOLO-KEVITRY NY SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIAMARIAMPIRENENA

    • Général de Brigade BOTO Lucien Maurice dia voatendry ho Tale misahana ny fandrindrana sy ny Asa eo anivon’ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena .

     

  • FANAFOANANA :

    Ny filankevitry ny minisitra dia nanafoana ireo didimpanjakana :

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY FANAJARIANA NY TANY, NY TOERAMPONENANA ARY NY ASA VAVENTY :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny raharaham-pitsarana teo anivon’ny ANALOGH.

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY FANABEAZAM-PIRENENA SY NY FAMPIANARANA ARA-TEKNINA SY ARA-KASA :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny teknolojia, ny fampahafantarambaovao ary ny serasera
    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Talen’ny Office de l’Education de Masse et du Civisme.

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY ANGOVO SY NY RANO ARY NY AKORANAFO :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Talem-paritra any amin’ny faritr’i Menabe.

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISANDAVITRA ARY NY KAJY MIRINDRA :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Talen’ny Serasera.

    ARAKY NY TOLOKEVITRY NY MINISITRY NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA :

    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Directeur de la Protection de la Jeunesse (DPJ)
    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Directeur de la Réinsertion Socio-Economique des Jeunes (DRSEJ) .
    • Foana ny didim-panjakana nanendry ny Directeur de la Relève et du Sport Etude (DRSE)