FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISTRA NATAO NY 19 APRILY 2019

FAMPAFAHANTARANA DIDIM-PANJAKANA MANAPAKA NY FIANTSOANA NY MPIFIDY HANEHO NY HEVINY AMIN’NY FANDANIANA NY VOLAVOLAN-DALAMPANORENANA NASIAM-PANITSIANA

Nisy ny filan-kevitry ny minisitra izay notontosaina androany Zoma 19 aprily 2019 hariva, ka nandinihana laha-dinika miisa telo :

Araka ny fampanantenana nataon'ny Filohan'ny Repoblika nandritra ny fampielezankevitra, dia tsy maintsy omena fahefana bebe kokoa ny any amin'ny faritra fa tsy avela mivangongo eto an-drenivohitra ny fahefana rehetra ka lasa angady tsy mahatapak'ahitra ny any amin'ny faritra tsirairay any. Tsy vitan'ny omena fahefana bebe kokoa ihany anefa, fa ao koa ny tokony mba hisitrahan'ny vahoaka any amin'ny faritra rehetra any , ny tombony amin'ny fidiram-bola ao amin'ny faritra misy azy. Izany no fitsinjaram-pahefana tena izy izay nampanantenain'ny Filohan'ny Repoblika, dia ny mba hahaleo tena kokoa ny faritra ary mba ho afaka handray fanapahan-kevitra mivantana momba ny faritra misy azy avy ny mpitantana azy ireny.

Ilaina araka izany ny mitondra fanitsiana ny lalàm-panorenana mba ahafahana manatanteraka ny fampanantenana nomena ny vahoaka ary indrindra ahafahan'ny any amin'ny faritra miasa bebe kokoa ao anatin'ny tsy fiankinan-doha foana tahaka ny nisy hatramin'izay mpitondra rehetra mifandimby

Fehiny, fanomezana fahefana lehibe amin'ireo tompon'andraikitra any amin'ny faritra, ao anatin'ilay fitsinjaram-pahefana tena izy sy fitandroana ny volam-panjakana mba tena holaniana amin'ny zavatra mahasoa ny vahoaka mivantana no atao ka mitaky ny fanovàna ny lalàm-panorenana ankehitriny.

Noho ireo fanazavana rehetra ireo no antony :

  • Voalohany, nandraisana ny fanapahana sy fandaniana didim-panjakana miantso ny mpifidy handray anjara amin'ny fampandaniana ny volavolan-dalàm-panorenana manova ny andininy sasantsasany ao amin'ny lalam-panorenan'ny Repoblika fahaefatra.
  • Faharoa, nanaovana miaraka amin'ny fifidianana solombavambahoaka ny fanaovana ity fitsapan-kevi-bahoaka ity mba tsy hisy fandaniana mihoam-pampana raha ohatra natao nisaraka. Izany dia ao anatin'ny politikam-pitsitsiana apetraky ny fitondram-panjakana ankehitriny.
  • Fahatelo nandihina sy nandaniana ny didy hitsivolana ho lalàna fehizoro manova sy mameno ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin'ny 11 mai 2018 momba ny fepetra ankapobeny mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Ary natao ihany koa ny fandaniana ny didim-panjakana manapaka ny rijan-teny amin'ny volavolam-panitsiana ny lalàm-panorenana sy ny rijan-teny mirakitra ny fanontaniana apetraka amin'ny mpifidy mandritra ny fitsapahan-kevi-bahoaka hotontosaina ny 27 mai 2019.

Ho avoaka amin’ny famoaham-baovao manaraka ny votoatin'ireo didy hitsivolana sy didim-panjakana vao nolanian'ny filan-kevitry ny minisitra ireo .

Antananarivo, faha-19 aprily 2019

Ny Sampandraharaha miandraikitra ny Serasera sy ny Fifandraisana