FIADIDIANA NY REPOBLIKA FITANTANANA NY SERASERA SY NY FIFANDRAISANA

FAMPAHAFANTARANA FANENDRENA

Taorian’ny fifidianana nisy teny anivon’ny Oniversite 6 manerana an’i Madagasikara, dia ireto no voafidy ho mpitarika ny Oniversite isanisany avy ary narahina fanendrena araka ny voalazan’ny lalàna izany, ka nahazo ny fankatoavin’ny filankevitry ny minisitra natao omaly 10 Aprily 2019 tetsy amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, notarihin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ary natrehin’ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny governemanta :

Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo : Andriamatoa Profesora Mamy Raoul RAVELOMANANA

Filohan’ny Oniversiten’Antsiranana : Andriamatoa Dr Justin RATSARAMODY

Filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga : Andriamatoa Profesora Odion Dinaraly TIANDAZA

Filohan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa : Andriamatoa Profesora Fontaine RAFAMATANANTSOA

Filohan’ny Oniversiten’i Toamasina : Andriamatoa Dr Conscient ZAFITODY

Filohan’ny Oniversiten’i Toliara : Andriamatoa Dr Andriamanantena RAZAFIHARISON

Ity fanampim-panazavana ity no mameno ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra omaly izay nasiam-panintsiana.

Natao teto Antananarivo androany 11 Aprily 2019 

Ny Tale miandraikitra ny Serasera sy ny Fifandraisana

Rinah RAKOTOMANGA