TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 20 OKTOBRA 2021

 

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavina ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ny “frais d’emmagasinage” an’ireo “dattes” fanomezana avy amin’ny Fanjakan’i Arabia Saodita.

    Notoloran’ny Fanjakan’i Arabia Saodita “dattes” miisa 2 500 baoritra ny Governemanta Malagasy ny volana martsa 2021. Noraisin’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ireo haban-tseranana rehetra ahafahana mamoaka izany ara-potoana sy araka ny tokony ho izy.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA, MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

    Nankatoavina ny fanatanterahana ireo tetikasa SANGANY sy VOAFEHIKO Ao anatin'ny fanatanterahana ireo hetsika ho fanatsaràna ny fanabeazana sy ny fampianarana, ireo minisitera roa tonta dia hikarakara ny hetsika « SANGANY » sy « VOAFEHIKO”.

    Ny hetsika "SANGANY" dia manome fankasitrahana ireo mendrika indrindra amin'ny fanadinana ofisialy isan’ ambaratongany (CEPE, BEPC, Baccalauréat). Ny hetsika "VOAFEHIKO" kosa dia mikendry ny hampiroborobo ny toe-tsaina tia mifaninana sy ny fahalavorarian’ireo mpampianatra ary hanomezan-danja ny asan'izy ireo sady hamporisihana azy ireo hivoatra bebe kokoa amin'ny resaka pedagojika sy ny « didactique ». Hosafidiana izy ireo amin'ny alalan’ny isa tsara indrindra azon'ireo mpianany, isaky ny lohahevitra, mandritra ny fanadinana ofisialy.

    Ireo mpianatra sy mpampianatra mendrika ireo dia horaisina eto Antananarivo, ary hisitraka fitsidihana ireo vakoka nasionaly samihafa eto an-dRenivohitra mandritra ny efatra andro, ankoatra ireo loka izay homena azy ireo.

    MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny tsy fandoavana “Droits et taxes” mikasika ny fanatanterahana ilay tetikasa fampitaovana ara-materialy sy famatsiana fandaharana ho an’ny Televiziona Malagasy. Ny hetra toy ny “IMP” kosa dia horaisin’ny ORTM an-tanana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

    Izany tetikasa izany moa dia efa tao anatina fifanarahana nifanaovan’ny Fanjakana sy ny masoivohon’i Japon. Ho fanatsaràna ny fitaovana enti-mamokatra fandaharana ao amin’ny TVM ary indrindra ho fanatsaràna ny vokatra omeny dia nifandinika mikasika ny hanatanterahana tetikasa mikasika izany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny ORTM ary ny JICA.

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO, NY MINISITERAN’NY TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA, ny MINISITERAN’NY RANO sy ny FANADIOVANA ary ny FIDIOVANA

    Noraisina ny didim-panjakana manova ny andininy vitsivitsy ao amin’ny didim-panjakana laharana 2019-1791 tamin’ny 18 septambra 2019 manendry ireo mpikambana ao anatin’ ny filan-kevi-pitantanan’ny orinasa JIRAMA.

    Ny filan-kevi-pitantanana, izay rafitra ao amin’ny orinasa JIRAMA, dia mandray anjara ihany koa amin’ny fanatanterahana ny tanjon’ny orinasa. Noho izany, araka ny valin’ny fifidianana ireo solontenan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa JIRAMA izay handrafitra ny filan-kevi-pitantanan’ny orinasa JIRAMA natao ny 29 jona 2021 (dingana voalohany) sy ny 15 jolay 2021 (dingana faharoa), dia ilaina ny firosoana amin’ny fanendrena ireo mpikambana vaovao handrafitra izany fila-kevi-pitantanana izany, dia Atoa. RAMANANTSOA Jeanaelhovah (solontenan’ny mpiasa eto Antananarivo) sy Atoa. FANOMEZASOA Bernardin Soja (solontenan’ny mpiasa any amin’ny faritra). 

  • III- FANENDRENA

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA ny INDOSTRIA, ny VAROTRA sy ny FANJIFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1193 tamin’ny 06 jona 2019, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMANANJARA Andrianiaina, ho « Directeur Général du Commerce et de la Consommation » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1796 tamin’ny 18 septambra 2019 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMIARAMAHEFA Andriniaina, ho « Directeur du Commerce Intérieur » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-873 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa ANDRIAMADISON Haingotiana Michela Angèle, ho « Directeur de la Protection des Consommateurs » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-872 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMANDIMBY Rinarisoa Irène Sadiah, ho « Directeur du Commerce Extérieur » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-586 tamin’ny 27 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMAHATANA Rado, ho « Directeur Administratif et Financier » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifàna.
    •  

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA ny TANY sy ny FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-131 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMAMPANDRY Cyrile, ho « Directeur des Services Topographiques » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-291 tamin’ny 04 martsa 2020 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARISON Fanomezantsoa, ho « Directeur de la Coordination, de la Planification et de la Valorisation du Territoire Maritime » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-129 tamin’ny 12 febroary 2020 ary manendry an-dRamatoa RABARY Niry Sariaka, ho « Directeur des Services Fonciers Décentralisés » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-222 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMALALAVONJY Solomanoro, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » eo anivon’ny Faritra Analamanga.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-224 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAHARIMINA Gabriel, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » eo anivon’ny Faritra Vakinakaratra.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-238 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an-dRamatoa RAVAOARISOA Emma Fideline, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » eo anivon’ny Faritra Diana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-230 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa NOBELISEN Robert, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » eo anivon’ny Faritra Atsimo Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-225 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa PILAKA Pierre Théogène, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » eo anivon’ny Faritra Analanjirofo.
    •  

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1365 tamin’ny 03 jolay 2019 ary manendry an’Andriamatoa RABE Rado Ambinintsoa, ho « Directeur Régional du Tourisme Analamanga ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1367 tamin’ny 03 jolay 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAMAMONJISOA Heriniaina Angelo, ho « Directeur Interrégional du Tourisme Boeny-Melaky ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1369 tamin’ny 03 jolay 2019 ary manendry an’Andriamatoa HERINIAINA Thierry Séraly, ho « Directeur Régional du Tourisme du Menabe ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1371 tamin’ny 03 jolay 2019 ary manendry an-dRamatoa RAVAONIRINA Julienne, ho « Directeur Interrégional du Tourisme du Vatovavy-Fitovinany-Atsimo Atsinanana ».
    •  

    MINISITERAN’NY FITATERANA sy ny FAMANTARANA ny TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa HAVANABY Patricia Vincent épouse OLAF, ho « Directeur de la Cellule Anti-Corruption » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA sy ny FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RATENONY Ravelonjatovo Donatien, ho « Directeur de l’Unité d’Appuis aux Projets Présidentiels » (UAPP) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
    •  

    MINISITERAN’NY JONO sy ny TOEKARENA MANGA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MAHONJO Thierry Parfait, ho « Chef de l’Unité d’Audit Interne » eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy Harena Manga.
    •  

    MINISITERAN’NY ASA-TANANA sy ny HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RASOLONIAINA Jean Christophe Noël, ho « Directeur Régional de l’Artisanat et des Métiers » an’ny Minisiteran’ny Asa-tanana sy ny Haitao eo anivon’ny Faritra Boeny.
    •  

    MINISITERAN’NY MPONINA sy ny FIAHIANA ARA-TSOSIALY ary ny FAMPIVOARANA ny VEHIVAVY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-449 tamin’ny 20 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARIVONY Haingonirina, ho « Directeur de la Population » eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny vehivavy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2045 tamin’ny 30 oktobra 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAKARIVONY Aina Maria, ho « Directeur en Gender Mainstreaming » eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny vehivavy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1629 tamin’ny 02 desambra 2020 ary manendry an-dRamatoa HAVANIRINA Jolcette Emilienne, ho « Directeur de la Promotion de la Femme et du Genre » eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny vehivavy.
    •  

    MINISITERAN’NY TANORA sy ny FANATANJAHANTENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-453 tamin’ny 20 martsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOSEHENO Noro Haingo, ho « Directeur Général de la Jeunesse » (DGJ) eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-981 tamin’ny 03 Mey 2019 ary manendry an’Andriamatoa JOSSO TIANA TAHIRINIAINA Angelos, ho « Directeur de la Santé de la Reproduction et de la Protection de la Jeunesse » (DSRPJ) eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-458 tamin’ny 20 Martsa 2019 ary manendry an-dRamatoa ROMAIN Raharo Madeleine Ursula, ho « Directeur du Civisme, de la Paix et du Développement Durable » (DCPD) eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1230 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an-dRamatoa RAHAJARIJAONA Jeanne Arlette, ho « Directeur de l’Entrepreneuriat et des Emplois des Jeunes » (DEEJ) eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1233 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an-dRamatoa RAJAONARIVELO Faly Iharisoa, ho « Secrétaire Permanent du Comité Interministériel de la Jeunesse » (SP/CIMJ) eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa VOLATSARA Anita, ho « Directeur de la Jeunesse et Rayonnement International » (DJRI) eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANJOHANISON Livaniaina Saholy, ho « Secrétaire Permanent de la Cellule de Coordination du Mouvement Associatif des Jeunes » eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOMAHEFA David, ho « Chef de la Cellule de Communication » (CELCOM) eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena
    •  

                                 

Natao androany faha alarobia 20 oktobra 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika