TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 07 JOLAY 2021

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY TOE-KARENA SY NY TETIBOLA

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny fanasoniavana ny « Plan cadre de coopération pour le développement durable (UNSDCF) 2021-2023 eo amin’i Madagasikara sy ny sampan-draharahan’ny Firenena mikambana eto Madagasikara

    Mba tsy hisian’ny fanilihana na famelana ny olona sasany ho anjorombala, ary ho fanatanterahana ireo fanovana maharitra eo amin’ny fiainan’ny mponina indrindra ireo marefo, ny biraon’ny firenena mikambana eto Madagasikara dia hitondra ny anjara birikiny amin’ireo laharam-pahamehana nasionaly ho an’ny fepotoana Jolay 2021 hatramin’ny Desambra 2023 amin’ny alalan’ny « Plan cadre de coopération pour le développement durable » na ny (UNSDCF) 2021-2023

    Mifototra amina fanamby vitsivitsy izany, izay noraisina taorian’ny fakana hevitra teny ifotony ary efa nekena teo anivon’ny Filankevitry ny governemanta tamin’ny 06 febroary 2021 ireo laharam-pahamehana stratejika miisa efatra ireo dia ny

    1- Fanamafisana ny fanjakana tsara tantana ary ny fandriam-pahalemana

    2- Ny fampivelarana ny maha-olona

    3- Ny famporisihana ny famokarana arak’asa sy ny famoronana asa mba hananana asa mendrika

    4- Ny fanamafisana ny fitantanana maharitra sy manaja ny tontolo iainana

    Mandray anjara amin’ny fanatratrana ny ODD na « Objectifs du développement durable » mandritry ny folo taona ity drafitra ity ary mifandraika amin’ny ezaka fanarenana manoloana ny toe-java-misy ankehitriny izay voamariky ny aretina COVID 19. Arak’izany dia mifanojo tsara amin’ireo laharampahamehana nasionaly ity drafitry ny firenena mikambana hotanterahana eto Madagasikara manomboka ny volana jolay ity. Zava-dehibe arak’izany ny fanasoaniavana azy satria manampy amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy amin’ny fanatrarana ny Agenda 2030.

    MINISITERAN’NY RANO SY NY FIDIOVANA ARY FAHADIOVANA

    Nankatoavina ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana manokana ireo habantseranana fanafarana fitaovana entina hananganana « dispositif pilote d'assainissement végétalisé d'eaux usées » ho an’ny Kaominina Ambavahaditokana Antananarivo.

    Amin’ny alalan’ny « FASEP », ao anatin’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Governemanta Frantsay dia misy ny tetikasa sangany ho fampiasana amin’ny fambolena ireo rano efa niasa sy ranon’orana na ny « traitement végétalisé des eaux usées et pluviales » izay natomboka tao amin’ny Kaominina Ambavahaditokana, Distrikan’ Antananarivo Atsimondrano, Faritra Analamanga entina hampiroboroboana io sehatra io eto an-drenivohitra.

    Ny Orinasa ECOBIRD no voatendry hiandraikitra izany tetikasa izany. Ny Ministeran’ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fahadiovana kosa no hisahana ny fametrahana ireo fitaovana rehetra. Ireo fitaovana tsy misy eto an-toerana dia hafaran’ny Orinasa ECOBIRD avy any Frantsa

    MIKASIKA NY FIDIRANA ETO MADAGASIKARA AMIN’NY ALALAN’NY ZOTRA FIARAMANIDINA

    Mbola mikatona ny habakabak’i Madagasikara. Nohon’ny fisian’ilay variant DELTA izay manomboka miparitaka manerana an’izao tontolo izao, ho fiarovana ny Firenena sy ho fiarovana ny Malagasy dia mbola miato ny fampidirana ireo olona rehetra maniry hiditra eto Madagasikara. Nohamafisina ny fampiharana entitra ireo fepetra izay efa notapahina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra momba ireo sokajin’olona afaka omena alalana manokana miditra eto Madagasikara avy amin’ny vaomiera iraisan’ny ministera 4 tonta dia ny ministeran’ny fitaterana, ny ministeran’ny raharaham-bahiny, ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ary ny ministeran’ny varotra sy ny indostria. Ireto avy izy ireo sokajin’olona vokasiak’izany :

    • Ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara na ireo iraka manokan’ny firenena iray na ny firenena mikambana sy ireo mpiasa ao aminy, araky ny fifanarahana iraisam-pirenena izay mifehy antsika.

    • Ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatra ara-indostria stratejika ka miara-miasa amin’ny fanjakana

    • Ireo iraka manokan’ny fitondram-panjakana na mpiasam-panjakana nahazo fahazoan-dalana ara-dalàna na « ordre de mission” manokana

    • Ireo mpanao fanatanjahantena teratany Malagasy ka mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena lehibe

    • Ireo olona handevina ny havany: ray aman-dreny, iray tampo mivantana, zanaka.

    Toy izao kosa ny fepetra ara-pahasalamana manokana mahakasika ireo mahazo alalana miditra eto Madagasikara ireo : tsy maintsy manao Test PCR 72 ora mialohan’ny hiaingany ary tsy maintsy “négatif” izany. Tsy maintsy manao test PCR eo am-pahatongavana eto Madagasikara, ary mihiboka avy hatrany any amin’ny hotely mandram-pahazoana ny valin’ny fitiliana. Raha toa ka voamarina fa “négatif” dia mahazo miala ny hotely ary mody avy hatrany.

    Ireo fepetra ireo dia mipetraka sy mihatra mandritra ny fe-potoana hampiharana ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

    FAMPAHAFANTARANA NY DRAFITRA FANATANTERAHANA IREO HEVIDEHIBE TAPAKA NANDRITRY ny FIKAONAN-DOHA LEHIBE TANY ATSIMO

    Noresahana nandritry ny Filankevitry ny Minisitra ny andinindin’ny drafitra hanatanterahana ireo hevi-dehibe sy tetikasa lehibe miisa 13 tapaka nandritry ny fikaonan-doha lehibe notanterahina tany amin’ny faritra atsimo ny 11 sy 12 jona lasa teo. Ny tanjona dia ny hanova tanteraka iny faritra atsimon’i Madagasikara iny. Tsy nisy fitondrana nandray fanamby na « engagement » lehibe hanova iny faritra iny hatreto ankoatr’izao fitondram-panjakana mahefa izao. Isan’ireo tetikasa lehibe tapaka fa hotanterahina any ireto manaraka ireto :

    1- Fampidirana RANO, fanadiovana ary fidiovana,

    Tafiditra ao anatin’izany : ny fanamboarana ny Pipeline an’i EFAHO apetraka amin’ny Ressources propres internes (RPI). Mponina miisa 90.000 no hisitraka ity ny fisian’ity Pipeline ity mandritry ny phase na dingana voalohany ary miisa 800 000 kosa mandritry ny dingana faharoa Ny fanamboarana ny Pipeline an’i SAMPONA miaraka amin’ny banky iraisampirenena, mitotaly 32 500 ny isan’ireo mponina any atsimo hisitraka izany. Ny fametrahana « points d'eau » iarahana amin’ny mpamatsy vola, ka mponina miisa 45 000 no hisitraka izany ary kendrena ho vita afaka 18 volana Ny fametrahana « usine d’ensachage d’eau » Izay hanome rano manodidina ny 1500 litatra ka mponina miisa 3 000 isanandro no hisitraka izany.

    2- FOTODRAFITRASA sy ny LALANA

    • Eo ny fanavaozana ireto lalam-pirenena ireto : RN13 , RNT12A ary ny RN10

    • Hisy ny fametrahana PARCS SOLAIRES any amin’ireo distrika rehetra any atsimo

    • Ny fanamboarana lalana pavé any amin’ireto toerana manaraka ireto : Ambovombe-Antanimora-Bekily-Beloha-Androy-Tsihombe-AmboasaryBetroka-Taolagnaro

    • Ny fanomezana fitaovana lehibe fanamboaran-dalana ho an’ny faritra Anosy sy Androy

    Ity fitondrana amperinasa ity no fitondrana voalohany nanomana vola manokana hanamboaran-dalana raha toa ka niandry sy niandrandra hatrany ny famatsiana avy amin’ny mpamatsy vola vahiny ireo fitondrana nifanesy

    3-Mikasika ny ANGOVO

    • Eo ny fametrahana “Centrales solaires photovoltaïques » ao amin’ny faritra atsimo andrefana dia ao Mangily sy Anakao. Tokantrano miisa 2 500 no hisitraka izany

    • Eo ny fanazavana ny tanàna na « eclairages publics »

    • Eo ny fametrahana Parcs solaires ka olona mitotaly 120.000 no hisitraka izany

    4-Fametrahana ny CRNM na ny « Centre de Réhabilitation Nutritionnelle et Médicale » any amin’ny distrika dimy toa an’i Ambovombe, Amboasary, Ampanihy, Bekily, Beloha. Ireo CRNM ireo dia ahitana Bankin-tsakafo na Banque Alimentaire, trano fisakafoanana na Réfectoire ary toera-pitsaboana na Centre de santé. Olona miisa 410 594 no hisitraka izany.

    5- Eo amin’ny lafiny ARA-PAHASALAMANA sy FANDRINDRAMPITERAHANA

    • Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana « maisons des femmes » Ny asa fanentanana na « Campagne de sensibilisation” mikasika ny fandrindram-piterahana

    • Eo ny fametrahana CSB manarapenitra ka CSB miisa fito no kendrena hapetraka ao anatin’ny enim-bolana

    • Ny fametrahana « salles d’hospitalisation ahitana fandriana 20 isa, miaraka amin’ireo fitaovana fitsaboana nify

    • Eo ihany ko any fanomezana fiara fitondrana marary na ambulance

    6- Mikasika ny FANJARIAN-TSAKAFO na NUTRITION

    • Eo ny fananganana ozinina famokarana fanampin-tsakafo na aliments fortifiants miaraka amin’ny NUTRISET

    • Fananganana ivon-toerana mamokatra Spiruline

    7- Eo amin’ny sehatry ny FAMPIANARANA

    • Eo ny fametrahana ireo sekoly manara-penitra

    • Ny fampitaovana ireo CEG sy Lisea

    • Ny fampitaovana ny CFPR ao Tsihombe

    8- Mikasika ny TANORA sy ny FANATANJAHANTENA

    Fanorenana kianja mitafo, kianja manara-penitra ary kianja filalaovana basket sy volley-ball miaraka

    9- Mikasika ny FANDRIAM-PAHALEMANA

    Fametrahana Base opérationnelle avancée (BOA), ireo détachements spéciaux de sécurité (DSS), ny fametrahana kaompania miaraka amin’ny fitaovana (CIE) ary fividianana angidimby.

    10- Mikasika ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    Fanorenana tsena mitafo, biraon’ny kaominina, tranom-pokonolona, biraompokontany manarapenitra, fanarenana sy fanatsarana fotodrafitrasa samihafa

    11- Eo amin’ny sehatry ny FAMBOLENA

    • Fanarenana ny velaran-tany voatondraka

    • Famerenana ny fahafaha-mambolin’ireo tokantrano sahirana

    • Fizaràna « Titre vert » ho an’ny ankohonana miisa 2000 amin’ny velaran-tany 200 Ha misy rano ampiasaina amin’ny fambolena sy fiompiana

    • Fampiroboroboana ny fiompiana omby amin’ny karazany vaovao na Feedlot

    • Fametrahana tanàna ho an’ireo mpanjono na villages des pecheurs

    • Fametrahana Ozinina mpamokatra Spiruline « Arthrospira plantensis »

    • Fanajariana ny toeram-piompiana omby

    12-Mikasika ny VAROTRA sy INDOSTRIA • Fametrahana ny ODOF (One District One Factory)

    • Fametrahana Parcs industriels

    • Fametrahana Ivotoerana ho an’ny asa

    • Fametrahana Ivotoerana ho an’ny varotra Hisy ihany koa ireo tetikasa hiarahana amin’ny fandaharan’asa Fihariana toy ny :

    • Fampitomboana ny famokarana voanjo hanatrana ny fahaleovantena aratsakafo

    • Famoronana Ozinina fanodinana mangahazo ho koba

    • Fampitomboana ny famokarana vokatra vita avy amin’ny mangahazo hanatrana ny fahaleovantena ara-tsakafo

    • Fampitomboana sy fampiroboroboana ny famokarana « Mil sorgho »

    13- Mikasika ny TONTOLO IAINANA

    Fametrahana « Ceinture verte : ahafahana miady amin’ny désertification sy ahafahana mampiroboro ny « résilience climatique »

    Raha fintinina dia miisa 141 ny totalin’ireo tetikasa atao any atsimo. Ka misy amin’ny famatsiambola no avy amin’ny volam-panjakana na Ressources propres internes ary misy kosa avy amin’ny mpamatsy vola toa an’ny Banky Iraisampirenena, ny BADEA, ny tetikasa DEFIS, FDA, Région, CASEF.

    Hisy ny dinika atao miaraka amin’ny mpamatsy vola sy mpiaramiombon’antoka ara-teknika. Apetraka ihany koa ny fametrahana ny cartographie ahafahana mijery ireo asa rehetra mbola tsara hotanterahina isaky ny faritra. Mandram-pahatanterahan’ny asa azo tsapain-tanana afaka volana vitsivitsy dia hojeren’ireo ministera vitsivitsy voakasika manokana maika ihany koa izay asa haingana tokony hatao hanampiana ireo olona rehetra iharan’ny tsy fahampiantsakafo any an-toerana. Ka hisy ny fivoriana isan-kerinandro ataon’ireo tompon’andraikitra ireo mikasika izany.

  • II - FANENDRENA SY FANAFOANANA :

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo magistrats civils titulaires et suppléants, izay voaantso hitarika sy handrafitra ny Tribonaly miaramila eto Antananarivo ho an’ny taom-pitsarana 2021

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0851 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an’Atoa RAHARINJANAHARY Falinirina Georges ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAINJAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMAHAVALISOA Valérie Benjamin ho Tale miandraikitra ny « Diplomatie Verte et des Partenariats » eo anivon‘ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana maharitra.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa RAKOTONDRASOAVA ANDRIANIRINA Mamimbahoaka Fetraniaina, ho Tale Jeneralin’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
  • II - FANENDRENA SY FANAFOANANA :

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    • Nofoanana ny didim-panjakana laharana 2020-541 tamin’ny 27 may 2020, izay nanendry ny « Directeur du système d’information et de la Communication » teo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana

    MINISITERAN’NY ATITANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-383 tamin’ny 20 martsa 2019, izay nanendry ny Prefet an’i Sambava.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nofoanana ny didim-panjakana izay nanendry ny « Directeur de la régulation des médias » teo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina.

                                 

Natao androany faha 7 jolay 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

Eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika