TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 09 JONA 2021

NOTANTERAHINA  TAO  AMIN’NY  LAPAM-PANJAKANA  IAVOLOHA  NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM- PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    MINISTERAN’NY TOEKARENA sy ny TETIBOLA

    FAMPITAM-BAOVAO MIKASIKA NY FANOMANANA SY NY FANDRAFETANA NY TETI-BOLAM-PANJAKANA NASIAM-PANITSIANA

    Ireo asa vita hatreto ao anatin’ny fanomanana ny fandrafetana ny teti-bolam- panjakana  nasiam-panitsiana  2021  dia  nahafahana  namaritra  ireto  zavatra manaraka ireto:

    - Fanitsiana mikasika ny vinavina mahakasika ny mety ho fidiram-bola noho ny zava-mitranga ankehitriny

    - Fanitsiana  mahakasika ireo  “dépenses transversales”,  ireo  tetikasam- pampandrosoana  ary  ireo  fandaniana  mikasika  ny  fampiodinan- draharaha eo anivon’ireo ministera sy ireo andrimpanjakana.

    Na  izany  aza  anefa, mba  tsy  hahatara  ny  fankatoavana  ny  teti-bolam- panjakana nasiam-panitsiana 2021, dia azo eritreretina ny fanoratana  ho ao anatin’ny “dépenses transversales” eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Tetibola,  ireo  tetibola  natokana  ho  an’ny  tetikasam-pampandrosoana  sy  ireo tetibola fanampiny ho fampiodinana ireo ministera.

    Nankatoavina  araka izany  ny  volavolan-dalàna  manitsy  ny  tetibolam- panjakana 2021. Mbola hisy kosa anefa fanitsiana ara-teknika ho fanarahana ireo  toromarika  notapahana  tamin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra mialohan’ny andefasana izany any amin’ireo Antenimiera.

    MINISTERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    NANKATOAVINA NY FAHAFAHANA MITONDRA NY RAZANA ANY AMIN’NY FARITRA

    Napetraka  tany  amin’ny  efitra  mangatsiaka  na  chambres  froides  tany amin’ireo Hopitaly teto Antananarivo ny razan’ireo olona sasany avy any amin’ny faritra nodimandry teto Antananarivo. Taorian’ny lahateny nataon’ny Filoham-pirenena ny 30 may lasa teo izay nisy ampahany mifandraika amin’ny fitondrana ny razan’ireo olona tsy matin’ny COVID-19 any amin’ny Faritra anefa dia maro ireo fianakavian’ny maty no mikasa ny hitondra ny razana any amin’ny faritra.

    Arak’izany  dia  misy  ny  fepetra  iarahana  amin’ny  Polisim-pirenena  ary mitaky ny fampisehoana ireto taratasy vitsivitsy manaraka ireto :

    - Taratasy  fanamarinana  fahafatesana  avy  amin’ny  BMH.  Tsara  raha miampy taratasy avy any amin’ny dokotera nitsabo.

    - Fanamarinana ny anton’ny fahafatesana  avy amin’ny BMH izay milaza raha vokatry ny areti-mifindra na tsia ny nahafatesan’ilay olona, raha toa ka taratasy fanamarinana fahafatesana mifandray na tsia amin’ny COVID 19 izany teo aloha

    - Fanomezan-dalana mikasika ny fandefasana ny razana avy any amin’ny delegen’ny boriborin-tany

    - Fahazoan-dalana handevina avy any amin’ny delegen’ny boriborin-tany

    Hanafoanana ny hosoka dia tsara raha misy ihany koa taratasy milaza ny anaran’ny hopitaly nitsaboana ireo olona maty ka entina any amin’ny faritra ny razana. Ireo narary rehetra ka nodimandry taorian’ny kabary nataon’ny Filoham- pirenena no voakasik’ity fepetra ity. Ny talen’ny hopitaly dia entanina ihany koa hanome  ny  anarana  sy  lisitr’ireo  olona  matin’ny  COVID-19 hampidirina  ao anatin’ny  « système  de  base  de  données COVID ».  Ireo  olona  manao  hosoka mifandraika amin’izany dia iharan’ny sazy. Mila jerena ihany koa ny mikasika ny vatapaty hitondrana ny razana

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA sy ny FIOMPIANA ARY NY JONO

    NANKATOAVINA   NY   FANOMEZANA   FAMATSIANA   ARA-BOLA   ANDIANY FAHAROA   HO   FANOHANANA   IREO   OLONA   MAREFO,   AO   ANATIN’NY FANATANTERAHANA NY TETIKASA PACPA II na ny “PROJET D’APPUI À LA COMMERCIALISATION DES PRODUITS AGRICOLES”.

    Taorian’ny  fanomezana  famatsiana  ara-bola  andiany  voalohany  izay mitentina 824 677 dolara ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa PACPA, ny FIDA  na  ny  Fonds  International  de  Développement  Agricole  dia  nanome  ny fanekeny ny hanomezany famatsiam-bola andiany faharoa mitentina 1.007.322 dolara natao indrindra hanitarana ny fanatanterahana io tetikasa io any amin’ny faritra telo any Atsimon’ i Madagasikara.

    Raha natokana hanohanana ireo mpamboly sy ireo mpamokatra marefo ary ireo tanora any amin’ny faritra ambanivohitra manakaiky ny faritra Analamanga ilay famatsiam-bola andiany voalohany, dia natao indrindra kosa hanohanana ireo mponina any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana izay iharan’ny kere sy  ny  COVIS-19  ity  famatsiam-bola  andiany  faharoa  ity.  Araka  izany  dia fandraisan’anjara  lehibe  avy  amin’ny  FIDA  taorian’ny  antso  nataon’ny governemanta Malagasy sy ny Firenena Mikambana tamin’ny febroary 2021 ity famatsiam-bola andiany faharoa ity.

    MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY sy ny LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    NANKATOAVINA  ny  FAMARITANA  NY  VOLA  ALOA  na  ny  « DROIT  DE DELIVRANCE  d’une AUTORISATION  EXCLUSIVE  DE  RESERVATION  DE PERIMETRE »  (AERP)  SY  ny  « FRAIS  D’ADMINISTRATION  MINIERE »  HO AN’NY TAONA 2021

    Ny  « Frais  d’Administration  Minière »  sy  ny « Droit  de  délivrance  d’une autorisation exclusive de réservation de périmètre » (AERP), ireo ny vola tokony aloan’ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, arakaraky ny fananany permis minier na tsia.

    Ny  famaritana  ireo  vola  aloa  ireo sy  ny  fomba  fikajiana  azy  dia  efa voalazan’ny « Code minier » sy ny didim-panjakana fanatanterahana izany. Na izany aza anefa dia efa voalazan’ireo lalàna ireo ny fisian’ny fanitsiana isan-taona an’ireo  vola  tokony  aloa  ireo.  Izany  dia  avoaka  amin’ny  alalan’ny  «arrêté» avoakan’ny  Ministeran’ny  harena  an-kibon’ny  tany  sy  ny  loharanon-karena stratejika. Izany fanitsiana izany dia ahafahana mamaritra sy manangona ireo vola tokony aloa any amin’ireo manana “permis minier” ara-dalàna. Tsara ny manamarika  fa  hisy  fiantraikany  mivantana  amin’ny  fampidiram-bola  ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana izany.

    MINISTERAN’NY   PAOSITRA   sy   ny   FIFANDRAISAN-DAVITRA   ary   ny FAMPIROBOROBOANA ny HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA

    NANKATOAVINA ny FIARAHA-MIASAN’NY MINISTERA amin’ny CABINET de CONSULTANCE BEARING POINT

    Ezaka goavana no nataon’ny ministera mikasika ny fanatanterahana ny tetikasa  fanavaozana  sy  fampandehanana  indray  ny  « Institut  National  des télécommunications  et  des  postes »  izay  antsoina  hoe  « Institut  national  de Digitalisation » manomboka izao.

    Fanomezana lanja ity toerana ity sy fampanarahana azy amin’ny fenitra iraisam-pirenena azy no tanjona. Manana ny lazany sy ny traikefany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity kabinetra ity ary izy ihany koa no nametraka ny Institut digital tany Maroc sy Burkina Faso no sady efa nosafidian’ny Banky foiben’i Madagasikara  tamin’ny  fifampiraharahana  mikasika  ny  tetikasa  « e- Ariary »

    Ao anatin’izay fiaraha_miasa amin’ny ministera izay dia ireto no miandry ity kabinetra ity :

    - Fametrahana  ny  « document  cadre »  mirakitra  ireo  filàna  eo  amin’ny fifehezana ny nomerika eo amin’ny sehatra miankina amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina

    - Fametrahana paikady hisian’ny « inclusion numérique » any amin’ny faritra sy ireo sampan-draharaham-panjakana

    - Fametrahana drafitrasa  hanaovana  ny  nomerika  ho  sehatra  iray hampiroboroboana ny firenena, amin’ny alalan’ny fampivelarana ny « intelligence artificielle, ny blockchain, ny data science » …

    - Fijerena famatsiam-bola mifandraika amin’izany

    Ny  fiaraha-miasa  iarahana  amin’ity  kabinetra  ity  dia  mijanona  eo  amin’ny fanomezana fiofanana sy fiaraha-miasa. Tsy misy kosa fandoavam-bola ataon’ny Ministera ao anatin’ izany

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    NANKATOAVINA   ny   FITOKANANA   NY   IVON-TOERANA   MANOKANA   na NY « CENTRE  SPECIAL  D’AGUERRISSEMENT  OPERATIONNEL  (CSAO) » AO AMIN’NY   KAOMININA   RANOTSARA   ATSIMO,   DISTRIKAN’I   BEFOTAKA ATSIMO, FARITRA ATSIMO ATSINANANA.

    Ao  anatin’ny  fanatanterahana  ny  Velirano  voalohany  « Filaminana  sy fandriam-pahalemana », ny Zandarimariam-pirenena dia nanangana CSAO miisa 6  tamin’ny  alalan’ny PIP  (Programme  d’investissements Publics) 2019. Dimy tamin’ireo dia efa notokanana tamin’ny 2020 ary efa miasa tanteraka ankehitriny. Ity napetraka ao Ranotsara Atsimo -District de Befotaka/Atsimo ity kosa dia efa vita tanteraka tamin’ny novambra 2020 ary novinavinaina hotokanana ny 27 aprily 2021 lasa teo. Nohon’ny tsy fandriampahalemana any amin’iny faritra iny dia efa am-perinasa tanteraka ity ivon-toerana ity. Napetraka indrindra mba hanamafy orina ny fampiofanana eny an-kianja ireo zandary mianatra asa, vao nivoaka avy tao amin’ny Sekoly Zandarimaria ao Ambositra. Afaka mandray ny fepetra  haingana  manoloana  ny  halatr’omby  sy  ireo  asan-jiolahy  amin’ny alalan’ny  fampiasana  fitaovana  mifandraika  amin’izany ity  CSAO  ity. Ny fitokanana  ity  ivon-toerana  ity  dia  hanamafy  ny  ezaka  ataon’ny  fitondram- panjakana amin’ny  fametrahana  fandriam-pahalemana  izay  antoky fampandrosana maharitra eto amin’ny firenena.

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Ministeran’ny Ati-Tany ny Fitsinjram-pahefana

    Nankatoavina  ny  volavolan-dalàna mikasika ny fametrahana ny faritra faha 23  eto Madagasikara  manitsy  ny  annexe  laharana  01  amin’ny  Lalàna  laharana  2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014, nasiam-panitsiana sy nampian’ny  lalàna laharana faha 2018-011 tamin’ny 11 Jolay 2018,  mikasika ny hoenti-manana eny anivon’ny vondrom- bahoaka  hitsinjaram-pahefana,  ny  fikarakarana  sy  fanomanana  ny  fifidianana,  ny fampiodinana sy ny anjara asan’ireo ratsa-mangaikan’izy ireo fa indrindra ahafahana mametraka Faritra faha 23 eto Madagasikara

  • III- FANENDRENA

    Nankatoavin’ny  filankevitry  ny  minisitra  ny  didim-panjakana  manendry  ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny    harena  an-kibon’ny  Tany  sy  ny Loharanon-karena stratejika :

    • Andriamatoa RAKOTONDRAVALY  Désiré  Alphonse dia  voatendry  ho « Responsable  l’Unité  de  Suivi  des  Activités  Opérationnelles »  eo  anivon’ny Ministeran’ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika

    Araka ny tolo-kevitry Minisitry ny Varotra sy ny Indostria ary ny asa-tanana

    • Andriamatoa BE Christophe dia voatendry ho Directeur Régional de l’Industrie, du Commerce et de l’Artisanat ao amin’ny Faritra Melaky.

     

  • IV- FANAFOANANA

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny    harena  an-kibon’ny  Tany  sy  ny Loharanon-karena stratejika

    • Foana  ny  didim-panjakana  laharana  faha  2020-557  tamin’ny 27  mey 2020 nanendrena ny « Coordonnateur Stratégique et de Suivi Evaluation » teo anivon’ny Ministeran’ny harena ankibon’ny Tany sy ny loharanon-karena stratejika

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro

    • Foana ny didim-panjakana laharana 2019-428 tamin’ny 26 Aprily 2019 nanendrena ny « Directeur de la Sécurité et de la sureté des Secteurs Transport et Tourisme » teo anivon’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny indostria, ny Varotra ary ny asa- tanana

    • Foana ny didim-panjakana laharana 2019-2228 tamin’ny11desambra 2019 nanendrena ny Talem-paritry ny ministera tao amin’ny faritr’i Melaky

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina

    • Foana ny didim-panjakana laharana 2019-1720 tamin’ny 04 septambra 2019 nanendrena ny Talem-paritry ny ministera ao amin’ny Faritr’ i Amoron’i Mania

                                 

Natao androany faha 09 Jona 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika