TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE »

ALAROBIA 5 MAY 2021

NATAO  TAMIN’NY  ALALAN’NY  VISIOCONFERENCE  NY  FILANKEVITRY  NY MINISITRA ANDROANY NOTARIHIN’NY FILOHAM_PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    HIROSO AMIN’NY DINIKA « 3P » ny FANAOVANA NY “AUTOROUTE” ANTANANARIVO TOAMASINA

    Nampahafantarina nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ary nankatoavina  ny  hanaovana  ny  dinika  3P (Dialogue  compétitif) ifandrimbonan’ny  fanjakana  sy  ny  mpandraharaha  tsy  miankina manodidina ny fanaovana ny “autoroute” mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina izay nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo orinasa miisa 09 izay efa za-draharaha eo amin’ny fanamboarana sy fitantanana azy ireny.

    TSY MANDOA TATAON-KETRA IREO MPANJONO MADINIKA

    Notapahan’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  fa  ireo  mpanjono  lamatra madinika  aty  amin’ny  fari-dranomasin’i  Madagasikara  dia  tsy  mandoa tataon-ketra ary ireo mpanjono salantsalany mihoatra ny 5GT dia hotanana ny tataon-ketra efa nampiharina tamin’ny taon-dasa. Izany no natao dia mba hitsinjovana ireo olona mivelona amin’ny jono izay misedra olana vokatry  ny valanaretina  COVID-19.  Herintaona  no  faharetan’ny didim- pitondrana  mametra  ireo  tataon-ketra ho aloan’ireo sambo mpanjono amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara  izay horaisin’ny ministeran’ny fambolena, fiompiana ary ny Jono.

    Misokatra ny 11 may 2021 ny jono makamba ary noferana ny isan’ny fahazoan-dalana  mandritra  ny  herintaona  nomena  ireo  orinasa mpitrandraka izany aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. 

    HIROSO  AMIN’NY  FANAOVANA  IREO  TETIKASA MIANTRAIKA MIVANTANA AMIN’NY VAHOAKA NY MINISTERAN’NY FITATERENA SY FIZAHANTANY :

    Toeram-pakana  aina  manamorona  ny  lalam-pirenena  miisa  5  no aorina  ao  Moramanga,  Sakaraha,  Ambilobe,  Manakara,  Ifanadiana. Harenina  ireo  fiantsonan-dalamby  miisa  5 ao  Manakara,  Tolongoina, Sahambavy, Sahasinaka, Fenomby. Amboarina ny draisine any Manakara. Hametrahana toerana famantarana ny toetrandro manarapenitra miisa 12 manerana  ny  Nosy  toy  ny  any  Ranohira,  Antsohihy,  Analalava, Ambatondrazaka,  Ambositra,  Vohémar,  Manakara,  Tsiroanomandidy, Mahabo,  Ankazoabo,  Ikalamavony,  Andapa  hanampiana  ireo  efa  misy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasam-panjakana amin’ity taona ity avokoa izany ary mitentina 9,3 miliara ariary ny teti-bola natokana amin’izany.

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam- bola :

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  fandraisana ny  didim- panjakana mikasika ny fandraisan’ny fanjakana anjara ao anatin’ny orinasa vahiny hiasa eto amintsika hamokatra siramamy na ny SDM. 30% no anjaran’ny fanjakana ka hahazo ny vokatra mifandraika amin’izany ihany koa izy isan-taona. Ny ampaham-bokatra dia amidy eto an-toerana ary misy koa ny aondrana any ivelany. Afaka 20 taona dia hiverina amin’ny fanjakana iray manontolo ny orinasa sy ny fitaovana rehetra ampiasain’ity orinasa vahiny ity.

  • III - FANENDRENA :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :

    • Atoa RAHERINTIANA Jacques Adrien Giovani, dia voatendry ho Tale misahana ny « Office de l’Education de Masse et Civisme ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fizahantany, ny Fitaterana sy ny Famatarana ny toetrandro :

    • Atoa  BEANTIDAHY  Johan  Rodolphe,  dia  voatendry  ho  Tale misahana ny « Valorisation des Produits Touristiques ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Asa, ny Fampanan’asa, ny Asam- panjakana, ary ny lalàna sosialy :

    • Ramatoa  RAJOELY  Miamina  Harilanto,  dia  vaotendry  ho  Tale misahana ny « Sécurité Sociale des Travailleurs »
  • IV- FANAFOANANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manafoana ny fanendrena ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto :

    Araka ny tolokevitry ny  Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam- bola :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha -2019-551 tamin’ny 27 martsa 2019 nanendrena ny « Directeur des Opérations Financières»
    • Foana ny didim-panjakana laharana faha -2019-1960 tamin’ny 16 oktobra 2019 nanendrena ny Tale misahana ny « Dette Publique ».

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :

    • Foana ny didim-panjakana laharana 2019-686 tamin’ny 10 aprily 2019 nanendrena ny Tale misahana ny « Centre Régional de Formation pour l’Océan Indien »

     

                                 

Natao androany faha 05 May 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika