TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE »

NY 21 APRILY 2021

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    NOHAMAFISINA      IREO      FEPETRA      HIADIANA      AMIN’NY VALANARETINA COVID 19

    Noraisina  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ireto  fepetra  ireto hiadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina Covid 19:

    - Mba  hiarovana  ny  Malagasy  amin’ny  mety  ho  fahatafidiran’ireo « variants Covid 19» hafa eto Madagasikara izay efa miparitaka any ivelany dia tsy mandray mpandeha avy any ivelany mihitsy intsony i Madagasikara na avy aiza na avy aiza. Ny fandehanan’ireo teratany vahiny hamonjy ny tany niaviany kosa dia omena alalana hatrany.
    - Ireo  mpitondra  vokatra  avy  any  amin’ny  toerana  manodidina an’Antananarivo, izay mamatsy ny vokatra avy any an-tsaha eny amin’ny tsena eto an-drenivohitra, dia afaka miasa sy mandeha tsara noho izy ireo mitondra ny vokatry ny tany avy lavitra hamonjy ireo tsena vao maraim-be.

    - Taorian’ny  dinika  nifanaovan’ny  ministeran’ny  fahasalamana,  ny ministeran’ny varotra ary ny holafitry ny mpivarotra fanafody, dia hisy ny famerana  ny  vidim-panafody  natao  hiadiana  amin’ny  Covid  19  izay amidin’ireo farmasia, ka hampahafantarina ny vahoaka izany isaky ny zoma. Ny eto Analamanga no hanombohana izany ary hiitatra any amin’ny faritra rehetra.

    - Mba  hahafahana  mamatsy  ara-pitaovana  ara-dalàna  ireo  toerana fandraisana marary sy toeram-pitsaboana isan-tokony dia nomena alalana tamin’ny Filankevitry ny Minisitra natao androany, ny fividian’ny fanjakana mivantana ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny ady hiatrehana ny Covid 19 any amin’ireo mpamokatra izany na any ivelany io na eto an-toerana. Izany no natao dia mba hisian’ny fitantanana mahitsy, madio ary mangarahara, tsy hisy mpanelanelana intsony na fakàna tombony mioampampana fa tonga dia ireo  tena  mpamokatra  sy  mpisehatra  amin’ilay  asa  no  hisian’ny fifampiraharahana.

    - Notapahan’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  androany  ihany  koa  fa  ny fitantanana ny vola sy ny fandaniam-bola rehetra manodidina ny Covid 19 dia mandalo ao amin’ny fonds CCO avokoa, ary tsy maintsy mandalo ny fankatoavan’ny  Minisitry  ny  fahasalamam-bahoaka,  ny  Minisitry  ny toekarena  sy  ny  fitantanam-bola  ary  mahazo  alalana  avy  ao  amin’ny fiadidiana ny governemanta sy ny fiadidiana ny Repoblika.

    FANDRINDRANA NY FAMATSIAM-BOKATRA AN-DRENIVOHITRA:

    Nampahafantarina   nandritra   ny   Filankevitry   ny   Minisitra   ny nahazoantsika fanampiana mitentina 824 677 USD avy any amin’ny FIDA, na ny antsoina hoe RPSF (Rural Poor Stimulus Facility) mba hanamorana ny fidiran’ny vokatra mora simba eny amin’ny tsena na ny antsoina hoe « Projet d’Appui à la Commercialisation des Produits Agricoles (PACPA) ». Hisy noho izany fananganana ireo toerana fanangonam-bokatra ho an’ny tantsaha, ary ireo kaoperativa no haka sy hitsinjara ny vokatra aty an-drenivohitra miaraka amin’ny kaominina eto an-drenivohitra. Izy ireo miaraka no handrindra ny fitsinjarana sy fivarotana ireo vokatry ny tantsaha manerana ireo tsena vaventy eto an-drenivohitra mba hisorohana ny fahasimban’ny vokatra sy ny fivangongoana amin’ny toerana iray. Tetikasa izay natokana mba hisorohana ny fahasimban’ny vokatra sy ny fiantraikan’ny fanakatonana faritra vokatry ny  ady  atao  amin’ny  fihanaky ny valanaretina  Covid 19 izay  miteraka fahasahiranana ho an’ireo tantsaha.

    NOFERANA  NY  ORA  FANAMPINY  IASAN’IREO  MPAMPIANATRA MPIKAROKA ENY AMIN’NY ONIVERSITE :

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  fakana  ny  didim- pitondrana  manatsara  ny  tontolon’ny  fampianarana  ambony  nentin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, mikasika ny ora fanampiny sy ny anjara asa fampianarana tsy maintsy tanterahan’ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Anjerimanontolo manomboka izao. Voafetra  araka  ny  gradin’izy  ireo  avy, ny  ora  fanampiny  azon’izy  ireo tanterahana. Ny komity iraisana izay hisahana ny fanaraha-maso no hanome fankatoavana sy hanaramaso ny fanisana sy ny fanatanterahana marina ireo ora fanampiny notontosain’ny mpampianatra mpikaroka tsirairay avy.

    FANAMPIANA  HITANDROANA  NY  FAHADIOVANA  AVY  AMIN’NY UNICEF :  NORAISIN’NY  FANJAKANA  AN-TANANA  NY  TATAON- KETRA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny tataon-ketra tokony aloa mikasika ny fanafarana lava-piringa, fanampiana natolotry  ny  UNICEF  ho an’ny  ministeran’ny  rano,  ny  fidiovana  ary ny fahadiovana, mikasika ny fidiovana sy ny fahadiovana.

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisana ny didim- panjakana manova ny andininy ao amin’ny didim-panjakana laharana faha 2020-286 tamin’ny 4 martsa 2020 milaza ny filan’ny fanjakana ny toerana izay hanaovana ny famindrana ny tobin-tsolika etsy amin’ny lalam-pirenena faha 7 ao amin’ny fokontany Amboanjobe sy Ambohidrazana, kaominina Bongatsara, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, faritra Analamanga

  • III - FANENDRENA :

    Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manendry ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Fitsarana :

    • Atoa NIRINA Jean Arivoson Désiré, voatendry ho Procureur Général ao amin’ny fitsarana ambony ao Toliara.

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy :

    • Atoa RAZAFINJATO Herisoa, dia voatendry ho Tale misahana ny « Orientation et du Suivi des Programmes (DOSP »).

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Fanabeazam-pirenena :

    • Atoa SENDRADILIFERA Masimbonjy Eluidoni, dia voatendry ho Tale misahana ny fitantanan any mpiasa.
    • Atoa  TSARASIDY  Marcellin,  dia  voatendry  ho  Tale  misahana  ny « Office National de l’Enseignement Privée ».

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny fampianarana ara-teknika sy fanofanana arak’asa :

    • Atoa ANDRIANTARIJAKA Christophe, dia voatendry ho Mpandrindra ankapobeny ny fandaharanasa sy ny tetikasa.
    • Atoa RIVOARIMANANA Jean Christian Guy de l’Ile, dia voatendry ho Talem-paritra ao Ihorombe.

                                 

Natao androany faha 21 Aprily 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika