TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE »

ALAROBIA 14 APRILY 2021

NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    NOHAMAFISINA  IREO  FEPETRA  HIADIANA AMIN’NY VALANARETINA COVID-19 :

    Noraisina  nandritra  ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ireto  fepetra  ireto hiadiana amin’ny fihanaky ny valanaretina COVID-19:

    - Ampitomboina ireo CTC mandray marary eto Antananarivo, hisokatra rahampitso ny etsy amin’ny EPP/CEG Manarapenitra Soamandrakizay, ireo « hotels/hopitaux » miisa 2 etsy Andavamamba Live Hotel sy Tsanga Tsanga Hotel etsy Analakely.
    - Ny Tsena lehibe isan-kerinandro eto an-drenivohitra dia mitsahatra mba hisorohana ny fifamezivezena be loatra. Ireo tsenam-pokontany kosa dia ireo olona tokony hiantsena hividy ireo sakafo sy filàna andavanandro ihany no tokony hivoaka ny trano sy hakeny an-tsena.

    - Ny razana dia tsy afaka mivoaka ny faritra ho an’ireo faritra 5 mikatona dia Analamanga, Sava, Boeny, Atsinanana, Nosy Be.

    - Mbola mitohy ny fialan-tsasatry ny paska ho an’ny  fianarana  any amin’ireo sekoly sy ny Oniversite rehetra manerana ny Nosy.

    - Hamafisina hatrany fa tsy andoavam-bola ny fanaovana fitiliana COVID etsy amin’ny HJRA sy etsy amin’ny Village Voara ary maimaim-poana ny fanomezana  ny  taratasy  fanamarihana  ny  fitiliana.  Toy  izany  koa  ny fanaovana  scanner  mahakasika  ny  COVID  eny  amin’ireo  hopitaly manarapenitra rehetra manerana ny Nosy.

    FAMATSIAN-DRANO FISOTRO MADIO ANY ATSIMO:

    Nomen’ny Filankevitry ny Minisitra alalana ny famatsian-drano fisotro madio any amin’ny distrikan’i Benenitra ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana.

    FAMPITAOVANA NY ZANDARY :

    Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fitaterana an-tsambo ireo fitaovana fanomezana ho an’ny zandarimariam-pirenena miainga atsy la Réunion hamonjy aty Madagasikara.

    FIEVRE DE LA VALLEE DU RIFT (FVR) : Tsy mahazo mivoaka ny faritra misy ny aretina ireo biby fiompy, efa nalefa ireo fanafody fitsaboana ilay aretin’ny biby:

    Tazo sy fahafatesan’ny omby aman’osy, na ihany koa fahafahan’ireo zanak’omby na zanak’osy any an-kibon’ireo omby vavy, ondry vavy sy osy vavy no fitrangan’ilay aretina antsoina hoe : « Fièvre de la Vallée du Rift » amin’ny  biby  fiompy  mahazo  ny  omby  sy  ondry  aman’osy  ary  mifindra amin’ny olona ihany koa. Amin’ny alalan’ny kaikitry ny moka no hifindran’ilay aretina amin’ny biby ary amin’ny alalan’ny fihinana hena manta, na ny ronono manta an’ireo biby mitondra ny aretina kosa no hamindrany amin’ny olombelona ankehitriny. Faritra 3 no ahitana azy io: faritr’i Diana, Boeny ary Vatovavy Fitovinany ao anatina kaominina miisa 35. Ny taona 1990 no nitrangan’io valanaretin’ny biby io voalohany teto Madagasikara ary isaky ny 10 taona no miverina izy io. Ny taona 2008 izy no isan’ny namono biby fiompy sy olona betsaka tamin’ny faritra maro.

    Niroso  tamin’ny  famonjena  ireo  faritra  voakasika  ny  ministera miandraikitra izany toy ny fandefasana fanafody ahitana ny « antibiotique, vitamines  ary  antiparasitaires »  (Pen  Forte, Gentanalgin,  Oxyflunixin, Vitamine  Alfavitasol  poudre,  Ashydeltrin). Ny  fanaovana  ny vakisiny  ho an’ireo biby fiompy sy ny fanentanana ny olona tsy hihinana ireo biby fiompy matin’ilay aretina ary ny tsy famelana iro biby hivoaka ireo kaominina 35 ireo no isan’ny andraikitra raisin’ny ministera ankehitriny. Miara-misalahy ny ministeran’ny  fambolena  sy  fiompiana  ary  Jono  miaraka  amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fiarovana ny biby fiompy sy ny olona ary indrindra ny fisorohana ny fihanahan’ny valanaretina FVR. Miara- misalahy  amin’ireo  mpiara-miombon’antoka  ihany  koa  izy  ireo  amin’ny fiadiana amin’ity valanaretina mandripaka ny biby fiompy any amin’ireo faritra 3 voalaza ireo.

  • II - FANENDRENA :

    Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana manendry ireto olom-panjakana ambony manaraka ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Governemanta :

    • Atoa RAKOTOARISOA Miadantsata Indriamanga, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Fiadidiana ny Governemanta.

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny    Minisitry  ny  ati-tany  sy  ny  fitsinjaram- pahefana :

    • Atoa   RATIARISON   Rostand   Patrick,   voatendry   ho   lehiben’ny distrikan’i Antananarivo voalohany.
    • Atoa.   RAFIDISON   Fidèle,   voatendry   ho   lehiben’ny   distrikan’i Anjozorobe

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Fahasalamam-Bahoaka :

    • Atoa HABIB Nouraly, dia voatendry ho Tale mitantana ny Centre Hospitalier Universitaire Mahavoky Atsimo Mahajanga.
    • Atoa. RAJAONANAHARY Toky Mamin’ny Aina, dia voatendry ho Tale mitantana  Centre  Hospitalier  Universitaire  Joseph  Ravoahangy Andrianavalona .

    Araka ny tolo-kevitry ny  Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny asa- tanana :

    • Ramatoa  RAKOTOARIVONONA  Njivatiana,  dia  voatendry  ho  Tale misahana ny Emergence Industrielle.
    • Atoa. RABETANY Andriatsilavo Helisoa Jackob, dia voatendry ho Tale misahana ny Professionnalisation de l’Artisanat.

                                 

Natao androany faha 14 Aprily 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika