TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

- ALAROBIA 16 DESAMBRA 2020 -

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    FANDALINANA NY PEM :

    Nifantoka iray manontolo tamin’ny fandalinana tsirairay ireo tetikasa sy tanjona  napetraky  ny  ministera  isan-tokony  araka  ny  paikady  hoentina mandrafitra amin’ny antsipirihany ny PEM, na ny Progamme pour l’Emergence de Madagascar, ny Filankevitry ny Minisitra natao androany teto amin’ny lapam-panjakana Iavoloha.

    Tetikasa azo tsapain-tanana, azo refesina, ary hahitam-bokatra haingana sy mipaka mivantana any amin’ny vahoaka no arafitra sy atao, nefa koa mitondra makany  amin’ny  fanatsarana  ny  toe-karena  sy  ny  harin-karena  amin’ny ankapobeny.
  • II- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :  

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana :

    • Général de Brigade RASOLOMANANA Andriamalala Richard Hajatiana, dia voatendry ho Tale Jeneraly mpisolo toerana misahana ny Alimentation en Eau any Atsimo - AES.

                                 

Natao androany faha 16 Desambra 2020 

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika