FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPITAM-BAOVAO

Etiopia - Madagasikara:  masoivoho vaovaon'ny repoblika demokratika federalin'i Etiopia eto amintsika

SEM Shiferaw Teklemariam Menbucho no masoivoho vaovaon'ny repoblika demokratika federalin'i Etiopia eto Madagasikara. Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tenany teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Noresahana nandritra ity fihaonana ity ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta. "Efa misy ny fiaraha-miasa amin'ny Ethiopian Airlines sy Air Madagasikara fa mbola hohatsaraina hatrany izany" hoy ny masoivoho etiopiana. Ny firenena malagasy dia maniry ihany koa ny hisian'ny fiaraha-miasa eo amin'ny lafin'ny indostria miaramila mba hisian'ny fandrosoana sy fanitarana io sehatra io eto amintsika.

La Direction de la Communication et des Relations Publiques