FIADIDIANA NY REPOBLIKA


FANAMBARANA

 

 Miisa 7855 ireo malagasy mpiray tanindrazana nandefa ny mombamomba azy ireo sy ny farim-pahaizany ary ny ezaka afaka hoentiny ho an’ny firenena. Seham-pihariana maro no tonga namaly ny antso ary nampita izany tamin’ny alalan’ny tranokalam-pifandraisana teo anivon’ny Fiadidiana ny Governemanta.

 Raha arafitra dia toy izao ny fangatahana fiaraha-miasa voaray : Ambasadaoro na hoe solontena maharitra any ivelany: 97 na 1,23% ; Minisitra : 460 na 5,86% ; Governoram-paritra : 243 na 3,09%; Sekretera Jeneraly : 231 na 2,94% ; Tale Jeneraly : 779 na 9,92% ; Mpandrindra ankapobeny : 162 na 2,06%; Mpanolon-tsaina: 530 na 6,75%; Tale : 1642 na 30,82% ; Mpiandraiki-draharaha : 12 na 0,15%.

 Raha atotaly dia miisa toy izao ireo vonona ny ho Mpisahan-draharaha ambony : 4156 ary Mpitantana eo anivon’ny fanjakana : 3699. Ireo no ahazoana ny totaly 7855.

 Namaly ny antso nataon’ny fitondrana foibe avokoa ny teratany malagasy rehetra na avy eto an-toerana, na avy any Eoropa, Etazonia, Afrika, Canada.

Fisaorana no atolotra azy ireo noho ny fahafoizan-tena hanolon-tanana amin’ny fitondrana eo amin’ny fanarenana ny firenena. Anjaran’ny kabinetra miandraikitra ny fanadihadiana sy fandraisana ary fandinihana ny antotantaratasy rehetra voaray, no manohy ny asa ! Miisa telo izy ireo SGGroup, Agile ary Coef ressources. 

 Ny fitondram-panjakana foibe kosa no hizaha sy hangataka araky ny filan’ny sampan-draharam-panjakana isan-tokony avy ireo manampahaizana Malagasy vonona hifanolon-tanana araka izay lamina nambaran’izy ireo tao anatin’ny famaliana ny tolotra ho amin’ny fitondrampanjakana ary manaiky ny rindran-damina napetraka sy voarikitra ao anatin’ny IEM narindran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Natao androany 28 janoary 2020
Ny Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana
Rinah RAKOTOMANGA