FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FANAMBARANA

 Noho ny andro ratsy sy ny kotro-baratra, dia nisy fipoahan'ny herinaratra (court circuit) io hariva io ny trano fivorian'ny miaramila eo ivelan'ny faritry ny Lapam-panjakana Iavoloha ka nahatonga ny firehetan'ny trano. Efa tonga eny an-toerana ny mpamono afo sy ireo miaramila miara misalaha mamono ny afo ankehitriny. Marihana fa tsy voakasika amin’izany velively ny Lapam-panjakana Iavoloha sy ny faritr’ala manodidina.

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana

14-11-2019