TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY 07 MARTSA 2019

  • FAMPAHAFANTARANA :

    « HERINARATRA HO AN’NY REHETRA»

    Ny tsy fahampian’ny herinaratra dia isan’ny mitarika ny fitotongan’ny harinkarena ary mitarika fahantrana. Isan’ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ny fanomezana herinaratra ho an’ny rehetra ka hampitomboana ny tahan’ny fahazoana herinaratra ho an’ny malagasy rehetra. Kendrena ho 50% izany amin’ny taona 2024 raha tsy misy afa-tsy 15% izany ankehitriny. Ho an’ireo faritra tena lavitra ka mety tsy ho tratry ny « raccordement » azo avy amin’ny fanitarana ny fitsinjarana herinaratra dia ny fampivelarana sy fanapariahana ny « Kit Solaire » no vahaolana ho entina amin’izany. « Kits Solaire » misy karazany 03 no haparitaka araka izay filan’ny mponina, toy ny « kit solaire » ahitana jiro sy loharanon’aratra (prise) famahanana finday, ny « kit solaire » ahafahana mampiasa « ventilateurs » ankoatra ireo jiro sy prise famahanana finday ary ireo « kit solaire » mahazaka fitaovana elektrika matanjaka, toy ny vata fampangatsiahana, televizionina, ambonin’ny jiro sy ny prise famahanana finday. Ny Banky Afrikana hoan’ny Fampandrosoana (BAD) no hanampy ary hanome teti-bola 1 tapitrisa dolara hanaovana ny fanadihadiana hamaritana ny tena filan’ny mponina ary isika eto Madagasikara no hatao tetik’asa andrana na « projet pilote » amin’ny fanapariahana ireo « kits solaires » misokajy 03 ireo. Amidy amin’ny vidiny mirary arakaraka ny fahefa-mividin’ny mponina izany ka 1 na 2$ isam-bolana mandritra ny 12 volana ka hatramin’ny 24 volana. 2 hetsy (200.000) isan-taona farafahakeliny ny tokantrano ho vatsiana jiro mba hivoaran’ny isam-batan’olona sy hisian’ny tena fandrosoana marina. 

    « AROSO TSY HO ELA NY VOLAVOLAN-DALANA MIFEHY NY FITANTANAM-BOLAMPANJAKANA ASIAM-PANITSIANA TAONA 2019 »

    Tokony hifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny teti-bola sy ny fandaniam-bolam-panjakana natokana ho an’ny taona 2019, hoy ny Minisitry ny fitantanambola sy ny toekarena nandritra ny fampahafantarana am-bava nataony nandritra ny filankevitry ny minisitra androany. Hisy, araka izany, ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny fandaniam-bolam-panjakana, araka ny fampiharana ny lalàna fehizoro mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana. Ferana ho amin’ny 15 Martsa ho avy izao ny fotoana farany ahafahana manao ny asa fanovàna ny sora-bola rehetra, ary ho amin’ny 17 aprily ny fandrosoana ny volavolan-dalàna momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana asiam-panitsiana ny taona 2019 eo amin’ny filankevitry ny Minisitra.

  • FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

    « NASIAM-PANAMBOARANA NY FITSIPIKA MIFEHY NY ARTEC »

    Ny minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny Haitao arakajy mirindra dia nitondra ny fampandaniana ny didim-panjakana vaovao, nanova ireo andininy vitsivitsy ao anatin’ilay didim-panjakana mitondra ny laharana 2016-213 tamin’ny 21 Martsa 2006, izay neken’ny filankevitry ny minisitra. Ireto andininy ireto mamaritra ny fitsipika mifehy ny ARTEC, ao amin’ny andininy faha 2, ny andininy faha-4, ny andininy 5, ny andininy faha-6, ny andininy faha-7 ary ny andininy faha-17 no nasiampanitsiana.

  • FANENDRENA:

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

    Araka ny tolokevitry ny Praiminisitra :

    • Atoa RAKOTO Elie Clément, Tale miandraikitra ny « Législation et Contentieux » eny amin’ny fiadidiana ny Praiminisitra

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Fitsarana :

    • Atoa RAHERINIRINA Christian, Talen’’ny Fitantanana sy ny ara-bola eo anivon’ny Filankevitra ambony momba ny Mpitsara
    • Atoa ANDRIAMAHAVORY Christian Paul, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fitsarana
    • Atoa RAVELOSON Aimé Gilbert, Tale Jeneraly misahana ny fandaharan’asa sy ny hoentimanana.
    • Ramatoa RANDRIANARISOA Salohy Norotiana, Tale Jeneralin’ny Raharaham-pitsarana.

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy :

    • Ramatoa TSANTAVOLOLONA MASINIRINA Andrianantoandro, Tale miahy ny mpiasa.

    Araka ny tolokevitry ny Ministeran’ny Fitantanambola sy ny toekarena :

    • Atoa RAOELIJAONA Bien Aimé Victorien, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitantanambola sy ny Toekarena
    • Atoa RANDIMBIARISOA Oliva Emmanuëlla, Tale Jeneralin’ny Fitantanambola sy ny fandrindrana ankapobeny
    • Atoa RAKOTONIARY Nantenaina, Tale miandraikitra ny fandrindrana ireo tetikasa hampandehanana ny ara-toekarena sy ny asa sosialy
    • Atoa RAZAFY Harison Vonjy, Tale Jeneralin’ny ARMP
    • Atoa ANDRIAMANGA Herivelo, Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana
    • Atoa RAZAFINDRASATA Patrick Heriniaina, Talen’ny Fitantanana sy ny ara-bola.
    • Atoa sy Ramatoa isany Solontenam-panjakana Foibe sy Solontenam-panjakana isamparitry ny « Contrôle Financier ».
    • Ramatoa RABARININARISON Rindra Hasimbola, Filohan’ny Vaomiera nasionaly miandraikitra ny Tsenam-panjakana (Commission Nationale des Marchés Publics)

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro :

    • Atoa RAKOTOVAHINY Liva Jean Luc, Talen’ny fitantanana ara-bola.
    • Ramatoa RAONIVELO Hasina Iaina, Talen’ny Fikirakirana fampitam-baovao sy ny Serasera.
    • Ramatoa CHAN MANE Stella Randrianina, Talen’ny Fampivoarana ny asa fizahantany
    • Atoa VOAVY Armel Pierre, Talen’ny Fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy
    • Ramatoa RAMIANDRISOA Voahanginirina Anne Marie Pierrette, Talen’ny Asa famantarana ny toetrandro
    • Ramatoa ANDRY ARIVELO Tatiana, Talen’ny Fikarohana sy fampandrosoana ny Hydrométéorologies
    • Ramatoa RANDRIAMAMPIANINA Nosilalaina, Talen’ny Teti-pivoarana sy ny fanarahana ireo tetikasa.

    Araka ny tolokevitry ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka :

    • Atoa RAKOTONDRAVELO Herilanto Iangotiana, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Fampianarana, sy fampianarana ara-teknika ary fanofanana arak’asa :

    • Ramatoa RAZAFINJATO Marie Aurélie Augustine, Sekretera Jeneraly.
    • Atoa RAKOTOMALALA Oelinjanahary Olivier, Tale Jeneralin’ny Fanabeazana Fototra sy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra.
    • Atoa RAKOTOZANANY Christian, Tale Jeneralin’ny Fampianarana ambaratonga faharoa sy ny fanofanana ny daholobe.
    • Atoa ANDRIANJAFIMPARANY Ampy Anders, Talen’ny CNAPMAD
    • Atoa RAONIHERIJAONA Andriamiakatsilavo, Talen’ny Fanabeazana Fototra.
    • Atoa RAKOTONIAINA Jacquelin, Talen’ny Fampianarana ireo zaza madinika sy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra.
    • Atoa RATAVILAHY Harilala Andriniaina, Talen’ny Fananam-panjakana sy ny fotodrafitrasan’ny Minisitera.
    • Atoa ANDRIANIONY Victorien, Tale misahana ny Mpiasa.
    • Atoa TSARASIDY Marcelin, Talen’ny Foibe Nasionalin’ny Fampianarana tsy Miankina
    • Ramatoa RADAVISA Anna Soaseheno, Talen’ny « Curricula sy ny Assurance Qualité ».
    • Atoa TSIRAHAMBA, Tale misahana ireo toeram-pampianarana
    • Ramatoa RAZAFIMANANTENASOA Malo Patricia, Tale Nasionalin’ny Fampianarana ny daholobe sy ny fanabeazana ho olom-pirenena.
    • RAVELOJAONA Manda Herilaza, Sekretera Jeneralin’ny Vaomiera Nasionaly Malagasy ao amin’ny UNESCO.
    • Atoa RABE Severin, Talen’ny Foibe Nasionalin’ny PASCOMA

    Araka ny tolokevitry ny minisitry ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo :

    • Atoa. RAKOTOARISOA Miadantsata Indriamanga, Sekretera Jeneraly.
    • Atoa RAMAROSON Andry Heriniaina, Tale Jeneralin’ny Angovo.
    • Atoa RAMAROSANDRATANA Rija Lalaina, Tale Jeneralin’ny Rano.

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana aratsiantifika :

    • Atoa RANDRIANAMBININA Blanchard, Sekretera Jeneraly.
    • Ramatoa RANDRIAMANANTANY née RASAHOLIMAHATRATRA ZelyArivelo, Tale Jeneralin’ny Fampianarana ambony
    • Ramatoa MAHARAVO Jean, Tale Jeneralin’ny fikarohana siantifika

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny fambolena, fiompiana ary ny Jono :

    • Andriamatoa TILAHY ANDRIANARANINTSOA Désiré Gabriel, Sekretera Jeneraly
    • Ramatoa RASOAMAHENINA Esther Fara Rasoahaja, Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fambolena anaty rano (Pêche et Aquaculture)
    • Atoa BEMANAJA Etienne, Talen’ny fitantanana sy ny fampiroboroboana ny jono.
    • Atoa RAVELOMANANTSOA Tantely Andrianarisoa, Talen’ny Fitantanana ny Ranomasina (Gouvernance de l’Océan)

    Araka ny tolokevitry ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra :

    • Atoa M. RAKOTOMALALA Laurent Richard, Tale Jeneraly mpisolo-toerana vonjimaika mitantana ny Mpitantana ny fandrindrana ny Hairahan’ny serasera eto Madagasikara na ny « Autorité de Régulation des Technologies de Communication de Madagascar. »

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Atoa RAKOTONDRATAFIKA Henintsoa Andrianjaka, Talen’ny raharaham-pitsarana eo anivon’ny minisitera.
    • Ramatoa RANDRIANINDRINA Ravaka Lantoarinjaka, Talen’ny sehatr’asa eny anivon’ny vondrom-piarahamonina.
    • M. RANARIVELO Andrianampoina Hajaina, Talen’ny fifandraisana amin’ny Vahoaka

    Araka ny tolokevitry ny sekreteram-panjakana ao anatin’ny fiarovam-pirenena miahy ny zandarimariam-pirenena:

    • Genéral de division RABEHAJASOA Andrianarivo, Mpandrindra ankapobeny ny asa arastratejika
    • Général de division Nicolas Tsirivelo, Tale jeneralin’ny Sécurité routière
    • Général de Brigade ITIBAR OTTMAN, Tale miahy ny mpiasa eo anivon’ny zandarimariampirenena
    • Colonel RANDRIAMBOLOLONERA Alain Mamy, Mpandrindra ny birao misahana ny ady amin’ny asa fampihorohoroana
    • Colonel RASAMBOMANANA Yvon Patrick, Talen’ny Opérations routières miankina amin’ny Tale Jeneralin’ny Sécurité routière
    • Général de Brigade KASSIMO Arona Besony, Tale miandraikitra ny « Logistique» sy ny « Intendance » eo anivon’ny zandarimariam-pirenena
    • Colonel RANDRIANARISOA Fidèle, Talen’ny fitantanana sy ny ara-bola miankina amin’ny Tale Jeneralin’ny Sécurité routière
    • Colonel RANAIVONAMPOIZINA Harilaza, Tale miahy ny mpiasa eo anivon’ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena
    • Colonel BAMA Marima, Kaomandin’ny fanofanana manokan’ny zandarimariam-pirenena
    • Colonel RALAIVAONARY Andrianoasy Dy La Paix, kaomandin’ny faripiadidiam-paritry ny zandarimariam-pirenena any Mahajanga
    • Général de Division RALISON Nirina Jeannot, Général de Bridage RASENDRALAHY Hajaniaina, Général de Brigade DABAKA Jean Michel, Général de Brigade ZAFINDRAVOLONY Gasparin Martial ireo dia voatendry ho « Inspecteurs Généraux » ao anatin’ny Inspection Générale an’ny zandarimariam-pirenena.
  • FANAFOANANA :

    Ny filankevitry ny minisitra dia nanafoana ireto didim-panjakana ireto :

    Araka ny tolokevitry ny Praminisitra :

    • Ny didimpanjakana nanendry ny Mpandrindra nasionalin’ny ONN.
    • Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Harena ankibon’ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika:
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny Institut Gemmologie de Madagascar (IGM).
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny Solika tao amin’ny Minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny solika teo aloha
    • Ny didim-panjakana nanendry ireo Tale iraisam-paritra tao amin’ny Minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny solika teo aloha
    • Ny didim-panjakana nanendry ireo Tale Foibe tao amin’ny Minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny solika teo aloha
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny OMNIS.

    Araka ny tolokevitry ny minisitry ny Fitaterana, Fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro :

    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny ACM.

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika :

    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny Foibe Nasionaly misahana ny TéléEnseignement de Madagascar.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale miahy ny Fananam-panjakana sy ny Tranompanjakana ary ny fitaovam-panjakana teo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale misahana ny Fanombanana ny fampianarana ambony, sy ny fikarohana ary ny lafiny ara-bola (Evaluation de l’Enseignement, de la recherche et des Aspects Financiers) teo anivon’ny Minisitera.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny Fanoroana ara-stratéjika sy raharaha sosialy teo anivon’ny Minisitera.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Nasionaly nisahana ny « Œuvres Sociales et Universitaires » teo anivon’ny Minisitera.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale misahana ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ary ny Fialamboly anaty Oniversite tao amin’ny Minisitera
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Talen’ny Fianarana, ny teti-pivoarana ary ny antontan’isa teo anivon’ny minisitera
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny fandraharahana sy ny fampiroboroboana ara-toekarena teo anivon’ny minisitera

    Araka ny tolokevitry ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra :

    • Ny didim-panjakana nanendry ireo mpikambana ao amin’ny filakevi-pitantanan’ny ARTEC.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny ARTEC.

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina :

    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneraly nisahana ny fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana teo anivon’ny Minisitera teo aloha.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny fifandraisana tamin’ny Parlemanta teo anivon’ny minisitera teo aloha
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Tale nisahana ny fifandraisana tamin’ireo Andrimpanjakana hafa teo anivon’ny minisitera teo aloha.
    • Ny didim-panjakana nanendry ireo Talem-paritra miisa 22 nisahana ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny Andrim-panjakana teo anivon’ny minisitera teo aloha
    • Ny didim-panjakana nanendry ireo Talem-paritry ny Kolontsaina sy ny Fampiroboroboana ny asa-tanana ary ny fiarovana ny fananam-pirenena teo anivon’ny minisitera teo aloha.
    • Ny didim-panjakana nanendry ny Talen’ny Televiziona Malagasy eo anivon’ny ORTM.

    Araka ny tolokevitry ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena :

    • Ny didim-panjakana nanendry ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Sekreterampanjakana misahana ny zandarimariam-pirenena teo aloha