FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPITAM-BAOVAO

Masoivoho vaovaon'i Etazonia eto amintsika: vonona hifanome tanana amin'i Madagasikara i Etazonia

 

Nandray ny taratasy manendry ny Masoivohon'i Etazonia vaovao hiasa eto amintsika, SEM Michael Peter Pelletier, ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha androany.

Nanambara ity Masoivoho vaovao ity fa voninahitra lehibe ho an'i Etazonia ny fiaraha-miasa amin'i Madagasikara. "Hifampiresaka amin'ireo tompon'andraikitra mahefa rehetra eto Madagasikara, ny fitondram-panjakana, ireo mpandraharaha amerikanina miasa eto Madagasikara, ireo mpiantsehatra ao amin'ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombon'antoka rehetra aho, mba hahafahana mamaritra ireo laharam-pahamehana sy ireo seha-piaraha-miasa hiarahan'i Etazonia sy ny firenena malagasy indrindra amin'ny sehatry ny varotra" hoy ny masoivoho amerikanina vaovao eto amintsika.

 

La Direction de la Communication et des Relations Publiques