FIADIDIANA NY REPOBLIKA
TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY
LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSOROHITRA SABOTSY 04 APRILY 2020

 

  • I- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLANDALANA

    Taorian’ny fakan-kevitra nataon’ny Filoham-pirenena an’ireo Filohana Andrim-panjakana 3 eto amin’ny firenena : ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimieran-doholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana, dia nandray izao didim-panjakana manaraka izao :

    Mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA» (état d’urgence sanitaire) manomboka androany 04 Aprily 2020 ary mihatra avy hatrany.

    Toy izao ny didim-panjakana laharana faha 2020-370 tamin’ny 04 Aprily 2020 nandraisana izany :

     

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    *********

    DIDIM-PANJAKANA LAHARANA faha-2020 –370 tamin’ny 04 Aprily 2020

    MANAMBARA AMPAHIBEMASO NY FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA MANERANA NY TANIN’NY REPOBLIKA

    NY FILOHAM-PIRENENA,

    Araka ny lalàm-panorenana, ao amin’ny andininy faha 61;

    Araka ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mahakasika ny Vanim-potoana manokana

    Araky ny lalàna laharana faha 2011-002 tamin’ny 15 jolay 2011 mikasika ny fifehezana ny fahasalamam-bahoaka ;

    Araka ny didim-panjakana laharana faha 2019-1407 tamin’ny 19 jolay 2019 manendry ny Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta;

    Araka ny didim-panjakana laharana faha-2020-070 tamin’ny 29 janoary 2020 nanendry ny mpikambana ao amin’ny governemanta;

    Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 marsa 2020 milaza ny manambara ampahibemaso ny fahamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny repoblika.

    Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimieran-doholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana;

    DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA MANARAKA IZAO :

     ANDININY VOALOHANY. - mitohy mandritra ny 15 andro eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ity didim-panjakana ity ny « Fahamehana ara-pahasalamana » noho ny antony ara-pahasalamana, nohon’ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dàlana ny asan’ireo fahefam-panjakana araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020 voalaza etsy ambony.

    ANDININY FAHAROA. - Ity didim-panjakana ity dia mitarika ny fampiharana ireo fepetra rehetra voafaritry ny fehezan-dalàna mahakasika ny vanim-potoana manokana (situation d’exception) mametra ny atao hoe Fahamehana.

    ANDININY FAHATELO. - Ho fampiharana ny andininy faha 18 ao amin’ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mikasika ny vanim-potoana manokana, izay mamaritra ny fahefan’ny Filoham-pirenena amin’ny fampiharana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara, ny fanaraha-maso ny famatsiana rehetra ary ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana dia natolotra ny Praiminisitra ny fanatanterahana izany.

    ANDININY FAHA - EFATRA.- Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola, ny Ministry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimaria eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena no miantoka ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao.

    ANDININY FAHA-DIMY.- Noho ny hamehana ary ho fampiharana ny voalazan'ny andininy faha-6 ao anatin'ny didy hitsivolana laharana faha-62-041 tamin'ny 19 septambra 1962 momba ny fepetra ankapoben'ny lalàna anatiny sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fifandraisana manokan'ny samy olona, ity didim-panjakana ity dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao havoaka amin'ny onjampeo sy/na ny fahitalavitra, ary izany dia tsy miankina amin'ny famoahana azy amin'ny gazetim-panjakan'ny Repoblika.

    Antananarivo faha 04 Aprily 2020
    Ny Filoham-pirenena
    Andry Rajoelina
    Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta
    NTSAY Christian

  • II – FANENDRENA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fiarovam-pirenena:

    • Général de Division RABENAIVOARIVELO Jean Claude, dia voatendry ho Chef d’État- Major des Armées.
    • Général de Brigade RAKOTONIAINA Jean-Aimé, dia voatendry ho Chef d’État-Major de l’Armée de Terre.
    • Général de Brigade Aérienne RADONA Ratiarivelo Ellis, dia voatendry ho Chef d’État- Major de l’Armée de l’Air.
    • Capitaine de Vaisseau GA Jacquy Honoré, dia voatendry ho Chef d’État-Major de la Marine Nationale.
    • Général de Brigade Aérienne ANDRIANARIJAONA Mamy, dia voatendry ho Major Général de l’Armée de l’Air.
    • Colonel RANDRIANASOLO Fils Hyppolite, dia votendry ho Sous-Chef d’État-Major Administration auprès de l’Etat-Major de l’Armée de l’Air.
    • Colonel RABEMIZANA Toky Fihandrianana, dia voatendry ho Sous-Chef d’État-Major Emploi auprès de l’Etat-Major de l’Armée de l’Air.
    • Capitaine de Vaisseau MAMY RAKOTOMANGA Dieudonné, dia votendry ho Sous-Chef d’Etat-Major Emploi auprès de l’Etat-Major de la Marine Nationale.
    • Capitaine de Vaisseau TSIRINIAINA Gabriel, dia voatendry ho Major Général de la Marine Nationale.
    • Colonel RAFARALAHY Lala Nomenjanahary, dia voatendry ho Sous-Chef d’État-Major Administration auprès de l’Etat-Major de l’Armée de Terre.
    • Général de Brigade RAKOTOSON Jocelyn, dia voatendry ho Sous-Chef d’État-Major Emploi auprès de l’Etat-Major de l’Armée de Terre.
    • Capitaine de Vaisseau RAMAROZATOVO Andriamiharisoa, dia voatendry ho Sous- Chef d’État-Major Administration auprès de l’Etat-Major de la Marine Nationale.
    • Colonel RAHAJANDRAINY Dieudonné Jeannot Parfait, dia voatendry ho Directeur de Bureau des Domaines et des Infrastructures.
    • Contre-Amiral ASSANY Bemarivo Jeannot, dia voatendry ho Directeur Central des Commissaires des Armées.
    • Général de Division RAMAHAVONJY Gérard José, dia voetendry ho Major Général des Armées.
    • Général de Brigade RASOLOFOMANANA Hiary Lala, dia voatendry ho Directeur Inter- Armées de Renseignement Militaire.
    • Général de Brigade ANDRIAMASIMANANA William Michel, dia votendry ho Sous-Chef d’État-Major en charge de la Chaîne Organique.
    • Général de Brigade RAKOTONIAINA Maminirina, dia voatendry ho Sous-Chef d’État- Major en charge des Opérations.
    • Capitaine de Vaisseau RAKOTOARISON François Hubert, dia votendry ho Directeur de Bureau des Etudes et Projets.
    • Général de Brigade RAZAFITOMBO Maminirina Ely, dia voatendry ho Sous-Chef d’Etat-Major en charge de la Planification.
    • Colonel IBRAMDJEE Zafiny Janin, dia voatendry ho Directeur de Bureau Communication et Actions Civilo-Militaires.
    • Général de Division RAZANAJAONA Mamy Alison, dia voatendry ho Directeur Inter- Armées de Logistique et Soutien.
    • Général de Brigade RAMBININTSAOTRA Lanto Ny-Aina, dia voatendry ho Directeur de Bureau de Garnison de la Place d’Antananarivo.

Natao androany faha 04 Aprily 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika