FIADIDIANA NY REPOBLIKA


TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY
LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSIROHITRA- SABOTSY 21 MARTSA 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    ATAO AVOKOA NY FITSIRIHANA IREO MPANDEHA AVY ANY IVELANY NITODI-DOHA AN-TANINDRAZANA LATSAKY NY 14 ANDRO:

    Tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra manokana androany fa atao avokoa ny fitsirihana mivantana sy fanarahana akaiky isan’andro ireo mpandeha avy any ivelany nitodi-doha an-tanindrazana ka hanaovana fizaham-pahasalamana ifotony, ary hanaovana fitiliana sy fanadihadiana manokana. Ny voakasik’izany dia ireo rehetra nitodi-doha an-tanindrazana latsaky ny 14 andro rehetra tsy ankanavaka. Hisy ny fandehanana any an-tokantranon’izy ireny sy ny fandraisana ireo olona rehetra nifanerasera tamin’izy ireo nanomboka ny fahatongavany ka hatramin’ny fotoana itsidihan’ny mpitsabo sy ny mpitandro ny filaminana azy ireo. Mpitsabo, mpitsabo mpanampy, psychologues, assistantes sociales ary mpitandro ny filaminana no hitsidika azy ireo ary handray ny fepetra rehetra mifandraika amin’ny zavamisy ao amin’ireo olona tsidihana.

    Ho faritana mazava tsara ny toerana rehetra honenan’ireo mpandeha ary anaovana antso avo amin’ny vahoaka malagasy rehetra amin’ny alalan’ny fametrahana ny laharana 911, mba hanamorana ny fanaraha-maso azy ireo sy hahafahan'ny havany, ny olom-pantany na ny olona akaiky ireo olona vao nitodi-doha an-tanindrazana tato anatiny 14 andro, mampandre ny tompon'andraikitra.

    Hatao ny fametrahana ny « centre opérationnel Covid 19 » izay apetraka etsy Ivato ao amin’ny « Mining Business Center » ka hiainga avy ao avokoa ny fanatanterahana ireo asa rehetra hifehezana ny fiombon’ity valan’aretina ity eto an-tanindrazana. Ho tanterahana rahampitso ny fanokafana izany ara-pomba ofisialy ary handraisana ihany koa ireo fitaovana rehetra niarahana tamin’ny OMS azo avy tamin’ilay famatsiam-bola mitentina 3,7 tapitrisa dolara natolotry ny banky iraisam-pirenena iadiana amin’ny fihanaky ny Coronavirus.

  • II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLANDALANA:

    Taorian’ny fakan-kevitra nataon’ny Filoham-pirenena an’ireo Filohana Andrimpanjakana 3 eto amin’ny firenena : ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Filohan’ny Antenimierandoholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, dia nandray izao didim-panjakana manaraka izao :

    Mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA»(état d’urgence sanitaire) manomboka androany 21 Martsa 2020 ary mihatra avy hatrany.

    Toy izao ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020 noraisina izany :

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    DIDIM-PANJAKANA LAHARANA faha-2020 –359 tamin’ny 21 Martsa 2020

    MANAMBARA AMPAHIBEMASO NY FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA MANERANA NY TANIN’NY REPOBLIKA

    NY FILOHAM-PIRENENA,

    Araka ny lalàm-panorenana, ao amin’ny andininy faha 61;

    Araka ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mahakasika ny Vanim-potoana manokana

    Araky ny lalàna laharana faha 2011-002 tamin’ny 15 jolay 2011 mikasika ny fifehezana ny fahasalamam-bahoaka ;

    Araka ny didim-panjakana laharana faha 2019-1407 tamin’ny 19 jolay 2019 manendry ny Praiminisitra, lehiben’ny Goverenemanta;

    Araka ny didim-panjakana laharana faha-2020-070 tamin’ny 29 janoary 2020 nanendry ny mpikambana ao amin’ny governemanta;

    Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny filohan’ny Antenimierandoholona ary ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana;

    DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PANJAKANA MANARAKA IZAO :

    • ANDININY VOALOHANY.- mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « Fahamehana ara-pahasalamana » mandritra ny 15 andro noho ny antony arapahasalamana, nohon’ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dalàna ny asan’ireo fahefam-panjakana.
    • ANDININY FAHAROA.- Ity didim-panjakana ity dia mifehy ny fampiharana rehetra araky ny voafaritry ny fehezan-dalàna mahakasika ny Vanim-potoana Manokana (situation d’exception) mametra ny atao hoe Fahamehana
    • ANDININY FAHATELO.- Ho fampiharana ny andininy faha 18 ao amin’ny lalàna faha 91-011 tamin’ny 18 jolay 1991 mikasika ny Vanim-potoana manokana, izay mamaritra ny fahefan’ny Filoham-pirenena amin’ny fampiharana ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara, ny fanaraha-maso ny famatsiana rehetra ary ny fanaraha-maso ny fitaovam-piadiana dia natolotra ny Praiminisitra ny fanatanterahana izany.
    • ANDININY FAHA-EFATRA.- Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola, ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjarampahefana, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Paositra ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Seketeram-panjakana misahana ny Zandarimaria eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena no miantoka ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao.
    • ANDININY FAHA-DIMY.- Noho ny hamehana ary ho fampiharana ny voalazan'ny andininy faha-6 ao anatin'ny didy hitsivolana laharana faha-62-041 tamin'ny 19 septambra 1962 momba ny fepetra ankapoben'ny lalàna anatiny sy ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fifandraisana manokan'ny samy olona, ity didim-panjakana ity dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao havoaka amin'ny onjampeo sy/na ny fahitalavitra, ary izany dia tsy miankina amin'ny famoahana azy amin'ny gazetim-panjakan'ny Repoblika.

    Antananarivo faha 21 Marsa 2020

    Ny Filoham-pirenena

    Andry RAJOELINA

    Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta

    NTSAY Christian

    Le Ministre de la Défense Nationale

    Général de Corps d’Armée Léon Jean Richard RAKOTONIRINA

    Le Ministre de la Justice

    Johnny Richard ANDRIAMAHEFARIVO

    Le Ministre de l’Economie et des Finances,

    Richard RANDRIAMANDRATO

    Le Ministre de l’Intérieur et de la Décentralisation

    Tianarivelo RAZAFIMAHEFA

    Le Ministre de la Sécurité Publique Contrôleur Général de Police

    Fanomezantsoa Rodellys RANDRIANARISON

    Le Ministre des Postes, des Télécommunications et du Développement Numérique

    Andriamanohisoa RAMAHERIJAONA

    Le Secrétaire d’Etat auprès du Ministère de la Défense Nationale chargé de la Gendarmerie

    Général de Corps d’Armée Richard RAVALOMANANA

    Le Ministre de la Santé publique

    Professeur Ahmad AHMAD

    Le Ministre de la Communication et de la Culture,

    Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO

Natao androany faha 21 Martsa 2020

Ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika