FIADIDIANA NY REPOBLIKA


TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA MANOKANA LAPAM-PANJAKANA AMBOHITSOROHITRA

TALATA 17 MARTSA 2020

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA :

    TARATASIN’ANDRIAMATOA FILOHA HO AN’NY MPIKAMBANA AO ANATIN’NY GOVERNEMENTA REHETRA

    Atoa Praiminisitra
    Ramatoa sy Atoa Minisitra isany
    Atoa Sekreteram-panjakana,

    Mihazakazaka ny fihanaky ny valan’aretina Coronavirus maneran-tany fa indrindra taty Afrika izay nitombo avo roa heny tao anatin’ny 72 ora ka isan’izany Kenya, Ethiopie, Sénégal, Afrika Atsimo, Egypte sy ny maro hafa, ary koa ireo Nosy rahavavy aty amin’ny ranomasimbe indianina.

    Noho izany tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hentitra kokoa isika hiarovana ny Malagasy sy ny mponina rehetra eto an-tanindrazana.

    Amin’izao ora izao tokoa mantsy dia efa tafiakatra valo amby roapolo (28) ny firenena aty Afrika misedra an’io valan’aretina Covid-19 io raha toa ka 14 monja andro vitsy lasa izay! Ary ireo firenen-dehibe dia hita fa tena sahirana mifehy sy miatrika ity valan’aretina ity.

    Efa nambarako ary hamafisiko hatrany fa tsy mifidy firenena, tsy mifidy saranga ity valan’aretina ity ary mihazakazaka ny fitombony, saika isan’ora sy isantsegondra mihitsy raha ny tarehimarika ofisialy mivoaka maneran-tany no arahina akaiky. Efa 185.067 no voalaza fa mitondra ilay tsimok’aretina maneran-tany ary efa maherin’ny 7330 ny maty na dia efa 80 236 aza no sitrana.

    Isaorana Andriamanitra raha mbola tsy ahitana izany eto amintsika hatramin’izao ary ny fisorohana izany no imasoantsika andro aman’alina ka tsy maintsy handraisana ny fanapahan-kevitra haingana, arakaraky ny fivoaran’ny fihanaky ny aretina maneran-tany.

    Manoloana izany dia mila hentitra isika amin’ny fampiharana ireo fepetra efa noraisina hiarovana ny ain’ny mpiray tanindrazana tsirairay. Ary mila mahay mandamina sy mahay mandray fanapahan-kevitra haingana sy hentitra ao anatin’ny fotoana fohy isika.

    Adidiko sy ianareo mpikambana ato anatin’ny governemanta ny miaro ny firenentsika manontolo. Noho izany, dia misy fepetra vaovao ho raisina ho entina manamafy ireo paik’ady efa napetraka:

    • Hanafatra ny fanaovana fitiliana manokana mikasika ny Coronavirus isika izay ahazoana valiny avy hatrany ao anatin’ny 20 minitra monja. Izany fitaovana fitiliana izany dia ho hafarantsika manokana mba hahafahana mahalala eo noho ny eo raha mitondra ny tsimok’aretina na tsia ny olona iray.
    • Marihiko fa any amin’ny firenena maro hafa dia mbola mila miandry iray andro vao azo ny valin’ny fitiliana.
    • Fitaovana ara-dalàna manaraka ny fenitra iraisam-pirenena io fitaovana fitiliana io ary efa nahazo ny fankatoavan’ny OMS.
    • Noho izany, ireo olona rehetra miditra eto an-tanindrazana na efa niditra teto antanindrazana tao anatin’ny herinandro izay dia hatao fitiliana avokoa.

    Ampatsiahiviko hatrany fa ny fifampikasohan’ny olona samy olona ihany no ahafan’io tsimok’aretina io mifindra.

    Amin’ny maha nosy an’i Madagasikara dia amin’ny alalan’ny fidiran’ny olona mitondra ny tsimok’aretina avy any ivelany mandeha amin’ny fiaramanidina sy ny sambo miditra eto amintsika no ahafan’ny Coronavirus tonga eto amintsika.

    • Raisintsika androany ny fampiatoana tanteraka ireo sidina rehetra mampifandray an’i Madagasikara amin’ny avy any ivelany rehetra. Io dia hampiharina manomboka ny 20 martsa 2020.
    • Araka ny efa voalazako teo aloha dia omena hatramin’ny alakamisy 19 martsa ireo olona monina eto Madagasikara, n’inon’inona fihaviany, izay mbola namita iraka na mitsabo tena any ivelany, hodiany.

    Ireo fepetra noraisintsika ireo dia ho entina miaro hatrany ny mpiray tanindrazana sy ny mponina rehetra eto Madagsikara.

    Hisy ny fifampidinihana amin’ireo mpandraharaha ara-toe-karena manoloana ireo fepetra noraisina, ary hamafisiko etoana fa ireo entana rehetra ilaina andavanandro dia misy, ireo fanafody dia misy, ny solika dia misy ary tsy tokony hisy ny fanafenana na fampiakarana ny vidin’entana manoloana ireo fepetra rehetra noraisina. Faizina araka ny làlana manan-kery izay tsy manaraka ireo fepetra noraisina.

    Efa nisy fifampiresahana sy fivoriana natao niaraka tamin’ny FMI amin’ny fanohanana sy fanampiana an’i Madagasikara amin’izao ezaka lehibe ataontsika izao. Vonona ny hanohana antsika izy ireo.

    Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

    Lahy tokana ny aina ary ny fahasalamana no loharanon-karena voalohany. Koa raisiko ho adidy sy laharam-pahamehana ny fiarovana sy ny fitandroana ny fahasalaman’ny eto an-tanindrazana rehetra tsy an-kanavaka.

    Mangataka ny fiaraha-mientan’ny tsirairay hitombo fitandremana, hanaraka antsakany sy andavany ny fandaminanana apetraka.

    Ny Numero Vert 910 dia efa azo antsoina isan’andro ahafahan’ny mpitsabo mifandray mivantana amin’ny vahoaka.

    Miomana, misoroka ary tsy hilavo-lefona isika!

    Ny Filoham-pirenena

    Andry RAJOELINA

  • FEPETRA MIKASIKA NY CORONAVIRUS:

    Araka ny taratasin’ny Filoham-pirenena nomena ny Governemanta tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra manokana androany, ho fiarovana ny firenena Malagasy manoloana ny fihanaky ny valan’aretina COVID 19 dia noraisina ireto fampiharana manaraka ireto :

    • Nomena alalana manokana ny ao amin’ny Minisiteran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola hividy mivantana any amin’ny mpamokatra azy, ireo fitaovana ilaina fa tsy mandalo tolo-barotra atao amin’ny fanjakana intsony izany noho ny hamehana sy ny mahamaika ny fanafarana ireo fitaovana hiarovana sy hisorohana ny fihavian’ny valan’aretina
    • Ampitomboina ireo entana efa nafaran’ny Minisiteran’ny fahasalamana miaraka amin’ny OMS ka ampitomboina noho izany ny teti-bola natokana hisorohana sy hamehezana ity Coronavirus ity
    • Tsy maintsy atao fitsirihana avokoa ireo mpandeha fiaramanidina avy any ivelan’i Madagasikara rehetra tonga teto nanomboka ny alarobia lasa teo ary mbola ho avy eto hatramin’ny alakamisy ho avy izao.
    • Hisy ireo fandraisana fepetra ara-panjakana eo amin’ny sehatra maro indrindra amin’ny fampiharana ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisina nanomboka tamin’ny fiandohan’ny fiarovana ny tany sy ny firenena
    • Misy hotely miisa 17 efa nivonona ny hanome ny efitrano fandraisam-bahinin’izy ireo hametrahana ireo olona voatery tsy maintsy hatao « mise en quarantaine » ka ny fitondram-panjakana miaraka amin’ny OMS no handray an-tanana izany. Nanome ny toerampandraisany etsy Vontovorona ihany koa ny ao amin’ny CNAPS ahafahana mandray ireo olona mila hatoka-monina indrindra ireo avy any amin’ny faritra ka tsy afaka mamonjy ny toerampodian’izy ireo raha tsy vita ny 14 andro hitazonana azy ireo.
    • Tsy azo vangiana, tsy afaka mifanerasera aman’olona ireo olona fehezina anatin’ny toerana voatokana ary mahavoasazy ny fandikana izany fanapahana izany.
    • Hisy ny fidinan’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny toerana voatondro hijanonan’ireo olona natao fitokana-monina ka hampiharina avy hatrany ny lalàna raha misy ny fandikana ataon’ireo voakasik’izany,
    • Harahi-maso ireo fanafody rehetra entina mitsabo ireo endrika rehetra mety hisehoan’ny soritr’aretina ety ivelany indrindra ny paracétamol mba tsy hisy ny hanitrika izany na hampiakatra ny vidiny,
    • Hidina manomboka rahampitso eny amin’ny tsena ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny indostria sy ny varotra ka ireo mampiakatra ny vidin’entana dia hosaziana ary horaisin’ny fanjakana avy hatrany ny entana hamidy araka ny vidiny tokony ho izy tsy misy fanararaotana ho an’ny mpanjifa. Tsy tokony hihoatra ny 1800 ar ny kilaon’ny vary eny amin’ny mpanjifa ary harahi-maso akaiky ny vidin’entana rehetra eny an-tsena ary horaisina ny fepetra hentitra ho an’ireo izay manararaotra mampiakatra ny vidin’entana ilaina andavanandro. Harahi-maso tahaka izany ihany koa ny entana any amin’ireo mpamongady sy mpanafatr’entana.
    • Nanao fifanarahana teo anivon’ny Minisiteran’ny varotra ireo toeram-pivarotana lehibe miaraka amin’ny vondron’ny mpandraharaha SIM sy GEM fa hanjifa ny vokatra sy ny vita malagasy ary hitsinjo ny mpanjifa amin’ny fampiharana ny vidin’entana
    • Harahina manokana ny fivarotana ny vary vokatra eto an-toerana ka hasiana fanaraha-maso akaiky ny fanerena ataon’ireo mpampisambom-bolan’ny tantsaha mba hialana amin’ny fanararaotana ny fampiakarana ny vidim-bary
    • Ampy mandritra ny enim-bolana ny tahirin-tsakafo ilaina andavanandro eto amintsika ary tsy misy fisakanana ny fanafaran’entana amin’ny alalan’ny sambo na ny fiaramanidina cargo
    • Hohatsaraina sy hampitomboina manomboka rahampitso ny fandraisana ny antso an-tariby eo amin’ny laharana 910, ka ho saziana avy hatrany ireo izay manao vazivazy sy manompa na misompatra ny fampiasana ny ligne
    • Nanome tanana ny fitondram-panjakana ny avy amin’ny « faculté de médecine » rehetra manerana ny Nosy sy ireo siantifika isan-tsokajiny ary mpianatra mpitsabo eo andalam- pahavitan’ny fianarana ary vonona izy ireo ny hanohana amin’ny alalan’ny hevitra sy ny fanomezan-tanana hisorohana ity valan’aretina ity tsy hiditra eto Madagasikara.

    Ireo no maneho hatrany ny fahavononan’ny fitondram-panjakana amin’izay tranga rehetra na fisorohana na fitsaboana na ny fandrindrana ny sehatry ny famatsiana ara-tsakafo sy ara-pitaovana eto Madagasikara.