FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 07 AOGOSITRA 2019

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    TSY MAINTSY DIOVINA NY FITANTANANA NY JIRAMA ARY VITAINA ANATIN’NY 2 TAONA RAHA ELA INDRINDRA NY FANARENANA NY TROSA SY NY ORINASA:

    Tsy maintsy atao toy ny fitantanana orinasa tsy miankina ny fitantanana ny orinasa JIRAMA manomboka izao ka tsy maintsy hisy ny « audit organisationnel et financier » ny orinasa ka hisy ny cabinet hanao izany miaraka amin’ny cours des comptes sy ny IGE. Tsy maintsy hapetraka mazava ny tetiandro hanatanterahana ny fanarenana ny orinasa. Tsy maintsy mandoa ny trosany avokoa ireo sampan-draharaham-panjakana hananan’ny JIRAMA trosa izay mitentina 30 miliara ariary nanomboka ny voalohan’ny volana Janoary 2019 ka hatramin’ny volana Jona 2019. Tsy maintsy vitaina ao anatin’ny 02 taona raha ela indrindra ny fanarenana ny orinasa sy ny trosany. Tsy maintsy hapetraka ny comité de pilotage izay ahitana ny solon-tena avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Praiminisitra, ny ministera mpiahy. Ny Filohan’ny filankevim-pitantanan’ny JIRAMA no miantoka ny fanarahana ireo tetika sy lamina rehetra apetraka ho amin’ity orinasa ity. Tokony mandray anjara mavitrika amin’izany fanarenana izany ny fitondrampanjakana ary entitra amin’ny fanarenana ny orinasa, na dia voalazan’ny Cour des Comptes aza fa nahatratra 400 miliara ariary ny subventions nomena ity orinasa ity.

    Tokony hisy amin’izay ny fametrahana business plan vaovao sy ny fijerena ireo contrats fanofana groupes mamokatra herinaratra manomboka izao. Hisy ny contrat programme hiarahan’ny fitondram-panjakana sy ny JIRAMA mametraka ny amin’ny fanatanterahana ny asa fanarenana eo amin’ny fitantanana ny orinasa.

    FAKAN-KEVITRA NASIONALY MANODIDINA NY FAMERENANA SY FITANTANANA IREO NOSY MALAGASY

    Ho fanatanterahana ny tohin’ny fihaonana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny filoha frantsay Emmanuel Macron, dia hijoro ny Komity manokana misahana ny fakan-kevitra manodidina ny fameranana ireo Nosy Malagasy ka ny Ministeran’ny raharaham-bahiny no mitarika izany, ampian’ireo departemanta teknika isan-tsokajiny ary ireo manam-pahaizana manokana mikasika ny famerenana sy fitantanana ireo Nosy malagasy, hiarovana ny tombotsoan’i Madagasikara. Ity komity ity dia natao hanangona ny hevitra rehetra mety ahafahana mijery ny tena tombotsoan’ny firenena ka hanolotra izay rakin-kevitra voaangona mankany amin’ny vaomiera iraisana amin’ny firenena frantsay ho entina mandinika ny ambaindainy amin’ny fikaroham-bahaolana amin’ity resaka manodidina ireo Nosy Malagasy ireo.

    MIISA 25.680.342 ISIKA MALAGASY IO NO TAREHIMARIKA VONJY MAIKA NAVOAKAN’NY INSTAT:

    Natolotra ny filankevitry ny Minisitra androany ny fampahafantarana ny isan’ny mponina vonjy maika araka ny fanisana ny mponina vita ny faran’ny taona 2018 ary navoaka tamin’ity taona ity notanterahan’ny INSTAT. Amin’ny faran’ny taona 2019 vao ampahafantarina ny daholo be ny totalin’isa farany voamarina satria mbola nisy ny fanamarinana sy fanamafisana ireo tarehimarika voaangon’ireo mpanao fanadihadiana, izay nampahafantarina tao anatin’ny rakiboky milaza ny isan’ny mponina vonjy maika sy ny toetry ny tahan’ny fitombon’ny mponina isan-tsokajiny

  • II- FANENDRENA

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasampanjakana ambony ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena :

    • Colonel RAKOTONIRINA Lala Jaquis, dia voatendry ho Talen’ny serasera.
    • Colonel RASOLONIAINA Herintsoa Gabriel, dia voatendry ho Tale misahana ny Combattants Nationalistes

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola:

    • Atoa RAMANAMPANOHARANA Andry Velomiadana Bearison, dia voatendry ho Président du Conseil Supérieur de la Comptabilité eo anivon’ny minisiteran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola
    • Atoa RAMAROLAHY Rojo Nirina, dia voatendry ho « Directeur de la Régulation du Secteur Privé »
    • Atoa RATSIMBAZAFY Rija, dia voatendry ho Talen’ny serasera sy ny « Promotion des Normes Comptables pour les MPME »
    • Atoa ANDRIAMBOLOLONA Mamy, dia voatendry ho Directeur de la Régulation des Secteurs Public et Semi-public eo anivon’ny minisiteran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola
    • Atoa RASOLO Bahia Guy de Princy, dia voatendry ho Délégué Régional du Contrôle Financier eo amin’ny faritra Boeny

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana

    • Rtoa. SOAVATSARA Audrey Julie, dia voatendry ho Lehiben’ny Distrikan’Ikongo.

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny filaminam-bahoaka

    • Atoa RAKOTOMAVO Roger Henri, dia voatendry ho Directeur des Ressources Humaines eo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka
    • Atoa SERALY Hercule, dia voatendry ho Talen’ny Police Judiciaire anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka
    • Atoa RANDRIANIRINA Manahy, dia voatendry ho Talen’ny Inspection Générale des Services anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka.

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika sy ara-kasa:

    • Atoa ELIHARISAONA Jocelyn Jacques, dia voatendry ho Président du comité de Coordination au sein du Groupement Régional des Etablissements de Formation Technique et Professionnelle d’Amoron’i Mania.
    • Atoa RAJAOFETRA Octave Jacquis, dia voatendry ho Président du Comité de Coordination au sein du Groupement Régional des Etablissements de Formation Technique et Professionnelle d’Analanjirofo.
    • Atoa RASAMISON Herimanitra Jackot, dia voatendry ho Président du Comité de Coordination au sein du Groupement Régional des Etablissements de Formation Technique et Professionnelle d’Analamanga.
    • Atoa RAZAFIMAHEFA Jean Jacques Romuald, dia voatendry ho Président du Comité de Coordination au sein du Groupement Régional des Etablissements de Formation Technique et Professionnelle d’Atsimo Andrefana.
    • Atoa KALOMARO Philipe Fabien, dia voatendry ho Président du Comité de Coordination au sein du Groupement Régional des Etablissements de Formation Technique et Professionnelle de Boeny.
    • Atoa BEMENA Albert, dia voatendry ho Président du Comité de Coordination au sein du Groupement Régional des Etablissements de Formation Technique et Professionnelle de Diana.
    • Atoa RAFANOMEZANTSOA Jean Roger, dia voatendry ho Président du Comité de Coordination au sein du Groupement Régional des Etablissements de Formation Technique et Professionnelle d’Haute Matsiatra.
    • Atoa RAZAFIMANJATO Mamimalalaniaina Patrick, dia voatendry ho Président du Comité de Coordination au sein du Groupement Régional des Etablissements de Formation Technique et Professionnelle de Vakinakaratra.
    • Atoa RANDIMBISON Jean Guy, dia voatendry ho Président du Comité de Coordination au sein du Groupement Régional des Etablissements de Formation Technique et Professionnelle de Vatovavy Fitovinany.

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka :

    • Atoa ANDRIAMIFIDISON Niaina Zakaria Rodolphe, dia voatendry ho Directeur d’Établissement du Centre Hospitalier Universitaire de Soins et de Santé Publique d’Analakely du Ministère de la santé Publique.

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny fambolena, fiompiana ary ny jono:

    • Atoa RANDRIAMPENO Harindralemana Zaka, dia votendry ho Talem-paritry ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono ho an’ny faritra Alaotra Mangoro.
    • Rtoa RASOAMANANJARA Hantanirina, dia voatendry ho Talen’ny Appui au Développement de l’Aquaculture eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena, fiompiana ary ny jono

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo :

    • Rtoa RANAIVOJAONA M. Sendrahasina, dia voatendry ho Coordonnateur des Projets en Eau et Assainissement eo anivon’ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo
    • Atoa ANDRIANJANAKA Rado Lalaina, dia voatendry ho Directeur des Ressources Humaines ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo
    • Ramatoa ANDRIAMPARANY Stéphanie Miaritiana, dia votendry ho Talen’ny Coopération et du Partenariat ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo
    • Atoa RAKOTO-RAMANIRAKA Georges Nirina, dia voatendr ho Talen’ny Opérations ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo
    • Atoa JINOT Razafimamonjy, dia voatendry ho Talen’nyÉtudes et de la Réglementation ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo.
    • Atoa RAKOTONJANAHARY Ranto, dia voatendry ho Talen’ny Alimentation en Eau Potable ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo
    • Atoa RAKOTONDRASOA Niry Lanto Jean Luc, dia voatendry ho Talen’ny Assainissement ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo
    • Rtoa RASOAMANANTENA Hariniaina Voahirana, dia voatendry ho Talen’ny Promotion de l’Hygiène ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo.
    • Rtoa RANJEVASOA Mbolatiana, dia voatendry ho Talen’ny Bioénergie ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo
    • Atoa AUGUSTE Rakotofiringa Jean Marc, dia voatendry ho Talen’ny Développement des Infrastructures de l’Energie Electrique ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo.
    • Atoa RAMANANTSOA Andriampaniry Tovoniaina, dia voatendry ho Talen’ny Fampandrosoana ny angovo azo havaozina eo anivon’ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo
    • Rtoa RAMIHAJA Vonintsoa Marie Pierrette, dia voatendry ho Talen’ny Études et de la Planification Energétique ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo.

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny fitaterana, ny fizahan-tany ary ny famatarana ny toetrandro:

    • Capitaine de Frégate REKORIA Manantsampa Mitondrarivo, dia voatendry ho Talen’ny Ecole Nationale d’Enseignement Maritime de Mahajanga (ENEM).
    • Atoa RABEMANANTSOA Tovo, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny Aviation Civile de Madagascar (ACM).

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny asa, ny fampanan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy:

    • Rtoa RAZANAMIANDRISOA Clotilde, dia voatendry ho Directeur des Ressources Humaines de l’Etat eo anivon’ny minisiteran’ny asa, ny fampanan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy.
    • Ramatoa RAMAROSON Christelle, dia voatendry ho Talen’ny Promotion du Travail Décent eo anivon’ny minisiteran’ny asa, ny fampanan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy.
    • Atoa ANDRIAMAMONJY Louis, dia voatendry ho Talen’ny Professionnalisation des Petits Métiers et de la Promotion de l’Auto-emploi eo anivon’ny minisiteran’ny asa, ny fampanan’asa, ny asampanjakana ary ny lalàna sosialy

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny fampianarana ambony sy fikarohana siantifika:

    • Atoa RAZARANAINA Jean Claude, dia voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika
    • Atoa SPIRAL Germain Jules, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambony eo amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.
    • Rtoa RABEHARISOA Lilia, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny Fikarohana Siantifika eo amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika
    • Rtoa RAIVONANDRIANINA Veroharitsimba Rivosoa, dia voatendry ho Talen’ny Affaires Administratives et Financières ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.
    • Atoa RAVONJIARISON Cousin Germain, dia voatendry ho Talen’ny Développement de la Coordination et du Partenariat ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika
    • Rtoa RANOROVOLONA Aimée Lucie, dia voatendry ho Talen’ny Bourses Nationales et Extérieures ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.
    • Rtoa HARIMALALA ANDRIAMBELO Nirina, dia voatendry ho Talen’ny Recherche et de l’Innovation ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.
    • Atoa SOLONANDRASANA Bernardin, dia voatendry ho Talen’ny Appui à la Réforme de l’Enseignement Supérieur et de la Recherche ny ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika
    • Atoa RASOANAIVO Andry, dia voatendry ho Talen’ny Statistique, de la Planification et du Suivi ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana:

    • Rtoa RASOAMANARIVO Malalatiana Sandrina, dia voatendry ho Directeur des Ressources Humaines ny minisiteran’ny indostria, ny varotra ary ny asa-tanana.

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny tontolo iainana ary fampandrosoana maharitra :

    • Atoa ANDRIANANDRASANA Herizo Tiana, dia voatendry ho Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana maharitra Analanjirofo eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra
    • Atoa HUGUES Azihar Saïd, dia voatendry ho Talen’ny Lutte contre les Menaces Environnementales et des Contentieux Forestiers eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra
    • Atoa RABESANDRATANA Andriatahiry Tsirinirina, dia voatendry ho Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana maharitra Analamanga eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra
    • Ramatoa RAVOLOLONIRINA Voahangy Fraçoise, dia voatendry ho Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana maharitra Ihorombe eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny paositra, ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra :

    • Araky ny fivoriana nataon’ny Filankevim-pitantanan’ny ARTEC dia nekena ny fanendrena ireo filoha sy filoha lefitry ny filankevim-pitantanan’ny ARTEC voafidy tao anatin’izany araky ny lalana mifehy azy ireo.

    Araky ny tolokevitry ny minisitry ny mponina, ny fiahiana ara-sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy:

    • Rtoa RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia dia voatendry ho Sekretera Jeneraly
    • Atoa RATOVOMAMONJY Anja Hobiniaina, dia voatendry ho Tale Jeneraly ny fiahiana ara-sosialy ny minisiteran’ny mponina, ny fiahiana ara-sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy
  • III FANAFOANANA :

    Tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ireto fanafoanana manaraka ireto :

    Araky ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Repoblika :

    Nofoanana ny didim-panjakana manendry ny Talen’ny Arofenitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny ati-tany sy fitsinjaram-pahefana:

    Nofoanana ny didim-panjakana manendry ny Talen’ny Etudes, de la Recherche et du Développement de Partenariat de l’Institut National de la Décentralisation et du Développement Local.

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo :

    Nofoanana ny didim-panjakana manendry ny Tale Jeneraly misahana ny Coordination des Projets du Ministère de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène sy ny didim-panjakana manendry ny Coordonnateur Général des Projets ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoranafo.

    Araky ny tolo-kevitry ny minisitry ny fitaterana, ny fizahan-tany ary ny famatarana ny toetrandro

    Nofoanana ny didim-panjakana manendry ny Tale Jeneraly Lefitry ny Agence Portuaire, Maritime et Fluvial eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana, ny fizahan-tany ary ny famatarana ny toetrandro.