FIADIDIANA NY REPOBLIKA

FAMPITAM-BAOVAO

Distrikan’Ambatondrazaka: hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny RN44

Nidina ifotony teny amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny fitsidihana izay nataony tany amin’ny faritra Atsinananan’ny nosy androany 21 mai 2019. Nambarany tamin’izany fa hanomboka amin’ny volana septambra ho avy izao ny fanamboarana iny lalana RN44 iny ary tsy hijanona izany raha tsy vita hatramin’ny farany. Ny vahoakan’Ambatondrazaka ihany koa dia tsy maintsy hisitraka ny teti-bola nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2019 iny hoy iny filoha ka isan’izany ny fanamboarana fotodrafitrasa mipàka mivantana amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Nanolotra “groupe électrogène” iray ihany koa ny filoham-pirenena , ary mbola hisy dimy hafa ho avy tsy ho ela, entina hamahana ny olana mikasika ny famatsiana herinaratra izay nampijaly ny mponina any an-toerana. Nanambara moa ny tenany fa vahaolana vonjy maika ireo “groupes électrogènes ireo fa amin’ny erin-taona kosa dia milina mandeha amin’ny menaka mavesatra sy “panneaux solaires” no entina ho an’Ambatondrazaka. Nitondra fanazavana momba ny fandaharan’asa Fihariana tamin’ireo tanora sy tantsaha maniry ny hampiroborobo ny tetikasany ihany koa ny filoha Andry Rajoelina.

Niara-dalana tamin’ny filoham-pirenena nandritra izao fitsidihany izao ny Ministry ny fanajariana ny tany ny toeram-ponenana ary asa vaventy sy ny Ministry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.

Sampandraharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana

21-05-2019